-
Nehemia 9:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Tsy nety nihaino izy ireo+ ary tsy nahatsiaro+ ireo asa mahatalanjona nataonao ho azy. Nanjary mafy hatoka+ kosa izy ireo ka nanendry olona hitarika+ azy hiverina ho andevo any Ejipta. Andriamanitra mamela heloka+ anefa ianao, sady tsara fanahy,+ mamindra fo,+ tsy mora tezitra+ ary be+ hatsaram-panahy feno fitiavana, ka tsy nahafoy azy.+
-
-
Nehemia 9:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Na dia nampirisika+ azy hiverina hanaraka ny lalànao aza ianao,+ dia mbola sahisahy ratsy+ ihany izy ireo, ka tsy nihaino ny didinao. Nanota izy ireo+ ka nanda ny didim-pitsaranao,+ izay mahavelona ny olona mankatò azy.+ Ary nanao be marenina*+ foana izy ireo, sady nanamafy hatoka+ ka tsy nihaino.+
-