FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 14:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Koa izao no nalain’ny zanak’Israely ho lovany tany amin’ny tany Kanana,+ ka i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny zanak’Israely, no nampandova azy an’izany.+

  • Ezra 2:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tamin’ireo nataon’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona sesitany+ tany Babylona, dia ireto avy ny zanaky ny faritany+ izay nivoaka avy tamin’ny fahababoana, ka niverina+ tany Jerosalema sy Joda,+ tany amin’ny tanànany avy,

  • Jeremia 16:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa izao kosa no holazaina: “Raha mbola velona koa i Jehovah izay nitondra ny zanak’Israely niakatra avy tany amin’ilay tany any avaratra, sy avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahany azy!” Eny, hampodiko ao amin’ilay tany nomeko ny razany izy ireo.’+

  • Jeremia 32:44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 “‘Hividy saha amin’ny volany ny olona, ary hanao taratasy fifanekena,+ izay hasiany tombo-kase sy hakany vavolombelona,+ eo amin’ny tanin’i Benjamina+ sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema+ sy ao amin’ny tanànan’i Joda+ sy ny tanàna eny amin’ny faritra be tendrombohitra sy ny tanàna eny amin’ny faritra iva+ ary ny tanàna any atsimo.+ Hampodiko mantsy ireo babo’,+ hoy i Jehovah.”

  • Ezekiela 20:42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 “‘Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah,+ rehefa hoentiko any amin’ny tanin’ny Israely ianareo,+ eny, any amin’ilay tany nananganako tanana sy nianianako homena ny razanareo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara