FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 29:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Eny, tsy maintsy hanontany ny firenena rehetra hoe: ‘Nahoana re no dia nataon’i Jehovah toy izao io tany io?+ Nahoana no mirehitra mafy toy izao ny fahatezerany?’

  • 1 Mpanjaka 9:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary ho lasa korontam-bato miavosa ity trano ity,+ ka hidanàka izay rehetra mandalo eo,+ ary hisioka sy hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany sy trano ity?’+

  • 2 Tantara 7:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ho lasa korontam-bato miavosa ity trano ity,+ ka hidanàka izay rehetra mandalo eo+ ary hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany sy trano ity?’+

  • Salamo 44:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Afoinao toy ny ondry atao sakafo izahay,+

      Ary aparitakao any amin’ireo firenena.+

  • Jeremia 24:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hataoko mangovitra ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita ny manjo azy ireo. Hataoko mahita loza koa izy ireo any amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany,+ ka holatsaina sy ho lasa teny fanarabiana sy ho teny fanesoana+ ary ho fanozonana+ any amin’ny toerana rehetra hanaparitahako azy.+

  • Jeremia 25:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko hiady amin’ity tany ity+ sy amin’ny mponina eto ary amin’ny firenena rehetra manodidina izy ireo.+ Hatokako haringana ireo rehetra ireo ka hataoko higagam-bahoaka sy hampisioka olona,+ ary ho rava mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

  • Fitomaniana 2:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Mitehaka maneso anao avokoa izay mandalo eny an-dalana.+

      Misioka+ sy mihivingivin-doha+ mandatsa an’i Jerosalema zanakavavy izy ireo, ka manao hoe:

      “Io ve ilay tanàna nolazaina fa ‘tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy, sy fifaliana ho an’ny tany manontolo’?”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara