FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 11:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia tezitra mafy+ tamin’i Solomona i Jehovah, satria ny fony niala tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay niseho taminy indroa.+

  • 2 Mpanjaka 23:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Tsy nitony mihitsy anefa ny fahatezeran’i Jehovah, fa mbola nirehitra mafy foana tamin’ny Joda+ noho ny zava-drehetra mahatezitra izay nampahatezeran’i Manase azy.+

  • 1 Tantara 10:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa maty i Saoly noho izy nivadika tamin’Andriamanitra. Tsy naneho finoana+ an’i Jehovah mantsy izy fony izy tsy nankatò ny tenin’i Jehovah sy fony izy nanontany mpamoha angatra,+

  • Ezra 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Tena meloka izahay hatramin’ny andron’ny razanay+ ka mandraka androany.+ Ary noho ny fahadisoanay dia natolotra teo an-tanan’ireo mpanjakan’ny tany hafa izahay sy ny mpanjakanay+ ary ny mpisoronay,+ mba hovonoina amin’ny sabatra+ sy hoentina ho babo+ sy horobaina+ ary halam-baraka,+ toy ny amin’izao anio izao.

  • Jeremia 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Hataoko mangovitra ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo azy,+ noho ny amin’i Manase zanak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy noho izay nataony tao Jerosalema.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara