FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mitandrina tsara ny didiny rehetra sy ny lalàny izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao ireto ozona rehetra ireto, ka hahatratra anao:+

  • Deoteronomia 29:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Dia nirehitra tamin’ilay tany ny fahatezeran’i Jehovah, ka nataony nihatra taminy ny ozona rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity.+

  • Josoa 23:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Eny, efa tanteraka taminareo avokoa ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.+ Toy ny efa nahatanterahan’izany taminareo no hampiharan’i Jehovah aminareo koa ny ozona rehetra nolazainy, mandra-pandringany anareo tsy ho eto amin’ity tany soa efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity,+

  • 2 Mpanjaka 23:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary hoy i Jehovah: “Hesoriko tsy ho eo imasoko+ koa ny Joda,+ toy ny nanesorako ny Israely.+ Ary holaviko ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity, sy ilay trano izay nolazaiko hoe: ‘Hitoetra ao ny anarako.’”+

  • Jeremia 15:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “‘Handefa loza karazany efatra aho hamelezana azy ireo’,+ hoy i Jehovah, ‘dia ny sabatra izay hamono azy, ny alika izay hitaritarika azy, ary ny voro-manidina+ sy ny bibidia izay hihinana sy handringana azy.

  • Mika 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa hasaina toy ny saha i Ziona noho ny nataonareo, ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.+ Ary ny tendrombohitra misy ny tranon’Andriamanitra dia ho toy ny toerana avo any an’ala.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara