-
Deoteronomia 4:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Tandremo koa sao ianao miandrandra ny lanitra ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ny lanitra, ka voataona hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanompo azy.+ Nataon’i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ny firenen-drehetra ambanin’ny lanitra manontolo+ mantsy ireny.
-
-
Jeremia 44:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Izay teny rehetra efa nolazainay ihany no hotanterahinay,+ ka hanolotra setroka ho sorona ho an’ilay ‘mpanjakavavin’ny lanitra’ izahay,+ ary handraraka fanatitra zava-pisotro+ ho azy, hoatran’ny efa nataonay+ sy ny razanay+ sy ny mpanjakanay+ ary ny andriananay, tao amin’ireo tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Voky hanina sy niadana izahay tamin’izany, ary tsy nisy loza nanjo anay mihitsy.+
-