FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 25:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nisy andia-miaramila kaldeanina+ nanenjika azy anefa, ka nahatratra azy+ teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko.+ Koa niparitaka sy nandao azy ny miaramilany rehetra.

  • Jeremia 24:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘Ary toy ny atao amin’ireo aviavy ratsy, izay tsy azo hanina satria ratsy loatra’,+ hoy i Jehovah, ‘no hataoko amin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianany, sy ny mponina sisa eto Jerosalema izay tavela eto amin’ity tany ity,+ ary ireo mipetraka any Ejipta.+

  • Jeremia 34:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary i Zedekia mpanjakan’ny Joda+ sy ny andrianany dia hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy ary eo am-pelatanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babylona,+ izay niala teo aminareo ka tsy nanafika anareo indray.’+

  • Jeremia 37:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Naniraka olona haka an’i Jeremia i Zedekia Mpanjaka. Ary nentin’ny mpanjaka tao amin’ny toerana miafina tao an-tranony izy,+ ka nanontaniany hoe: “Misy teny avy amin’i Jehovah ve?” Dia hoy i Jeremia: “Misy tokoa!” Hoy koa izy: “Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ianao!”+

  • Jeremia 38:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Fa raha tsy mivoaka ho eny amin’ireo andrianan’ny mpanjakan’i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina ity tanàna ity ka hodorany,+ ary tsy ho afa-mandositra azy ireo ianao.’”+

  • Jeremia 39:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nenjehin’ny andia-miaramila kaldeanina anefa izy ireo.+ Koa tratrany tao amin’ilay lemaka karakaina any Jeriko i Zedekia,+ dia nosamboriny ka nentiny niakatra tany amin’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ tany Hamata,+ mba hisy didim-pitsarana havoakany momba azy.+

  • Ezekiela 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia hovelariko hanarona azy ny haratoko, ka ho tratran’ilay fandrika harato+ izy. Ary hoentiko any Babylona, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy,+ nefa tsy hahita an’ilay tany. Any izy no ho faty.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara