FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 36:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+

  • Nehemia 9:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Rariny+ ny anao matoa manjo anay izao rehetra izao. Hita tamin’izay nataonao fa tsy mivadika+ ianao, fa izahay kosa no nanao ratsy.+

  • Jeremia 30:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Izay rehetra tia fatratra anao no nanadino anao.+ Ary tsy ianao mihitsy no tadiaviny. Hamely anao toy ny famelin’ny fahavalo aho,+ ary hanafay anao toy ny olona lozabe,+ satria be ny fahadisoanao+ ary maro ny fahotanao.+

  • Fitomaniana 1:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Rariny ny an’i Jehovah+ fa efa nikomy tamin’ny teniny aho.+

      Mihainoa, ry firenena rehetra, ary jereo ny fijaliako.

      Lasa any amin’ny fahababoana ny virjiniko sy ny zatovoko.+

  • Ezekiela 8:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Hoy ihany izy tamiko: “Hitanao ve izao, ry zanak’olona? Angaha mbola tsy ampy an’ireo taranak’i Joda ny zava-maharikoriko ataony eto, no mbola fenoiny herisetra+ koa ny tany ka manao izay hampahatezitra ahy indray izy ireo? Ataony eo amin’ny oroko mihitsy ilay rantsankazo.

  • Daniela 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Anao ny fahamarinana, Jehovah ô, fa anay kosa ny henatra toy ny amin’izao anio izao,+ eny, anay mponin’i Joda sy Jerosalema mbamin’ny Israely rehetra, na ny lavitra na ny akaiky, dia izay any amin’ny tany rehetra nanaparitahanao azy noho izy nivadika taminao.+

  • Daniela 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Jehovah ô, nanao ny rariny foana ianao.+ Koa aoka re tsy ho tezitra intsony ianao e, na hisafoaka amin’i Jerosalema tanànanao sy tendrombohitrao masina.+ Fa noho ny fahotanay sy ny fahadisoan’ny razanay+ no nahatonga an’i Jerosalema sy ny olonao holatsain’izay rehetra manodidina anay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara