FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 4:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Fa afo mandevona i Jehovah Andriamanitrao,+ dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+

  • Salamo 21:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Hataonao toy ny lafaoro mirehitra ireny amin’ny fotoana voatondro hisehoanao.+

      Hatelin’i Jehovah ao anatin’ny fahatezerany ireny, ary ho levon’ny afo.+

  • Isaia 30:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Tsy ela izay dia efa vonona ny Tofeta+ nomanina ho an’i Asyria, sady efa nomanina ho an’ny mpanjaka koa.+ Nataony miavosa ao anatin’ny lavaka lalina ny kitain’i Tofeta. Midedadeda ny afo, ary be dia be ny kitay. Mandrehitra an’i Tofeta ny fofonain’i Jehovah, izay toy ny riakan-tsolifara.+

  • Jeremia 21:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ry taranak’i Davida+ ô, izao no nolazain’i Jehovah: “Aoka ho didim-pitsarana ara-drariny foana no havoakanareo+ isa-maraina,+ ary afaho eo an-tanan’izay nanambaka azy ilay nambakaina,+ sao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako+ ka hiredareda nefa tsy hisy hamono.+ Ratsy mantsy ny nataonareo.”’

  • Ezekiela 22:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Sahala amin’ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy+ sy firamainty ary firapotsy ho ao anaty fatana fandrendrehana, ka hitsofana+ ny afo eo aminy mba hampitsonika azy,+ dia hangoniko amin-katezerana sy amim-pahavinirana koa izy ireo, ka hotsofiko sy hataoko mitsonika.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara