FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 23:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ary nampanalain’i Josia ny mpisorona rehetra tany amin’ny tanànan’i Joda. Tiany hozimbazimbaina mantsy ny toerana avo nanoloran’ny mpisorona setroka ho sorona, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony, hatrany Geba+ ka hatrany Beri-sheba.+ Noravany koa ny toerana avo teny amin’ireo vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Josoa lehiben’ny tanàna. Eo ankavia no misy an’io vavahadin’i Josoa io, raha miditra eo am-bavahadin’ny tanàna ny olona.

  • 2 Tantara 29:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Dia hoy izy tamin’ireo: “Mihainoa ahy, ry Levita! Hamasino+ ny tenanareo ary hamasino koa ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny razanareo, ka avoahy avy ao amin’ny toerana masina ny zavatra tsy madio.+

  • Nehemia 9:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Tsy nankatò ny lalànao+ ny mpanjakanay sy ny andriananay sy ny mpisoronay ary ny razanay,+ sady tsy nitandrina ny didinao+ na ny fampahatsiahivanao izay nananaranao+ azy.

  • Jeremia 23:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Samy nandoto ny tenany na ny mpaminany na ny mpisorona.+ Hitako tao an-tranoko koa ny faharatsian’izy ireo”,+ hoy i Jehovah.

  • Ezekiela 8:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary hoy izy tamiko: “Hitanao ve, ry zanak’olona, izay ataon’ny anti-panahin’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina,+ dia izay ataon’izy tsirairay ao amin’ireo efitrano anatiny misy ireo sary sokitra? Hoy mantsy izy ireo: ‘Tsy mahita antsika i Jehovah!+ Efa nafoin’i Jehovah ny tanintsika!’”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara