20 Hoy koa i Jehovah tamin’i Arona: “Tsy hanana lova ao amin’ny tanin’izy ireo ianao, ary tsy hisy anjaranao eo aminy.+ Fa izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny zanak’Israely.+
9 Noho izany, dia tsy manana anjara na lova+ miaraka amin’ny rahalahiny i Levy, fa i Jehovah no lovany, araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitrao taminy.+
18“Tsy hisy anjara na lova eo amin’ny Israely ho lasa fananan’ny mpisorona sy ny Levita, izany hoe ny fokon’i Levy manontolo.+ Ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, eny, ny anjaran’Andriamanitra no hohanin’izy ireo.+
14 Ny fokon’ny Levita ihany no tsy nomeny lova,+ satria ny lovan’izy ireo+ dia ny fanatitra atao anaty afo+ ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, araka izay nampanantenainy azy.+
4 Ampahany masina eo amin’ilay tany izy io ka ho an’ny mpisorona,+ dia ireo manompo ao amin’ny toerana masina sady manatona mba hanompo an’i Jehovah.+ Ho toerana hisy ny tranon’izy ireo izy io, ary ho faritra masina hisy an’ilay toerana masina.