FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 12:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Dia nanolotra fanatitra teo amin’ilay alitara nataony tao Betela izy, tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahavalo. Izy ihany no nifidy an’io volana io.+ Ary nanao andro fety ho an’ny zanak’Israely izy, sady nanolotra fanatitra teo amin’ilay alitara mba hidona-tsetroka.+

  • Isaia 65:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 noho ny fahadisoany sy ny fahadisoan’ny razany”,+ hoy i Jehovah. “Nanolotra setroka ho sorona teny an-tendrombohitra izy ireo, ary nanala baraka ahy+ teny an-kavoana.+ Koa hamatra ny karamany ao an-tratran’akanjony+ aho aloha.”

  • Jeremia 18:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Fa nanadino ahy ny oloko+ ka nanolotra setroka ho sorona ho an’ny zavatra tsy misy ilana azy,+ ary nanao izay hanafintohina olona teny amin’ny lalany,+ eny, teny amin’ny lalana fahiny,+ mba handehanan’ireny amin’ny lalambe, dia lalana mikitoantoana,

  • Hosea 13:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary vao mainka izy mampitombo ny fahotany ankehitriny ka manao sarivongana amin’ny volafotsy narendrika,+ dia sampy araka izay saim-pantany fotsiny.+ Asan’ny mpanao asa tanana daholo ireny.+ Ary ireny no ilazany hoe: ‘Aoka hanoroka zanak’omby+ ny olona mpanao sorona.’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara