FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Raha manana ady ny mahantra, dia aza amboamboarina ny didim-pitsarana.+

  • Ezekiela 22:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Misy mandray kolikoly eo aminao mba handatsahan-dra.+ Maka zanabola+ sy maka tombony ianao rehefa mampisambo-bola.+ Mampiasa herisetra mba hakana tombony+ amin’ny namanao ianao ka manambaka azy,+ ary hadinonao aho’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.

  • Joela 3:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary nataony antsapaka ny oloko.+ Ny zazalahy nataony takalon’ny mpivaro-tena,+ ary ny zazavavy namidiny hahazoana divay hosotroina.

  • Amosa 5:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Mitaky hofan’ny toeram-pambolena amin’ny mahantra ianareo sady mampandoa azy hetram-barimbazaha.+ Koa izao no hanjo anareo: Efa nanao trano tamin’ny vato voapaika ianareo,+ nefa tsy hipetraka ao intsony. Ary efa nanao tanimboaloboka mahafinaritra ianareo, nefa tsy hisotro divay avy aminy intsony.+

  • Amosa 8:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Amin’izay koa dia hividy olona izahay ka volafotsy no ho vidin’ny olona ambany ary toy ny vidina kapa no ho vidin’ny olo-mahantra. Ary hivarotra varimbazaha efa fakofakony izahay.’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara