17 “Lany ny heriko,+ ary tapitra ny androko.
Ny fasana no mba anjarako.+
2 Esoin’ny olona aho,+
Ary ny fikomian’izy ireo no ifantohan’ny masoko.
3 Tehirizo any aminao re ny fiantohana ahy e!+
Fa iza indray moa no hifandray tanana+ amiko amin’izany?
4 Tsy navelanao ho malina izy ireo.+
Izany no antony tsy anandratanao azy.
5 Asainy maka amin’izay ananany ny namany,
Nefa ny zanany aza lali-maso.+
6 Efa nataon’Andriamanitra oha-teny fanarabiana+ ny anarako,
Ka lasa ataon’ny olona fandrora ny tarehiko.+
7 Mihapahina ny masoko noho ny fahoriana,+
Ary toy ny aloka sisa ny rantsambatako rehetra.
8 Midanàka ny olo-marina rehefa mahita an’izany,
Ary sosotra amin’ny mpivadi-pinoana ny tsy manan-tsiny.
9 Mifikitra amin’ny lalany ny olo-marina,+
Ary mihamatanjaka+ ny madio tanana.+
10 Afaka manohy ny teninareo ianareo rehetra. Koa tohizo àry!
Fa tsy hitako izay hendry aminareo.+
11 Lasa ny androko,+ ary rava ny fikasako,+
Eny, ny fanirian’ny foko.
12 Ny alina no ataon’izy ireo ho solon’ny andro,+ ka hoy izy:
‘Akaiky ny mazava satria efa maizina izao.’
13 Raha mbola miandry aho, dia ny Fasana no ho tranoko,+
Ary ao amin’ny haizina+ no hamelarako ny fandrianako.
14 Ny lavaka+ no hantsoiko hoe: ‘Ianao no raiko!’
Ary ny olitra,+ hoe: ‘Ianao no reniko sady anabaviko!’
15 Koa aiza àry ny fanantenako?+
Ary iza no mihevitra fa mbola misy azoko antenaina?
16 Ho any amin’ny bara hidin’ny Fasana izany,
Rehefa samy hidina any amin’ny vovoka avokoa izahay.”+