Ny Fiheveran’ny Baiboly
Fampiasana zava-mahadomelina mba hahazoana fahafinaretana — Nahoana kosa moa?
“NY ‘COCAINE’ (...) angamba no tsy mampidi-doza indrindra amin’ireo zava-mahadomelina tsy ara-dalàna fampiasa miely ombieny ombieny ankehitriny (...) ary mitondra fahafinaretana lehibe.”
Toy izany no filazan’ny Dr. Peter Bourne tamin’ny 1974. Efa-taona taorian’izay, raha mbola mpanolo-tsain’ny Prezidà Jimmy Carter momba ireo raharaha ara-pahasalamana tao amin’ny “Maison Blanche” izy, ny Dr Bourne dia voatery nametra-pialana satria voampanga ho nampiasa zava-mahadomelina tsy ara-dalàna. Toy ireo maro hafa, dia nihevitra angamba izy fa ho azony atao ny hanamarina ny fampiasana zava-mahadomelina mba hahazoana fahafinaretana.
Nisy fotoana izay nahazoan’ny rehetra mora foana ny “cocaïne” na taiza na taiza — tany amin’ireo mpivarotra enta-madinika, tany amin’ireo trano fisotroana, ary na dia tany amin’ireo mpivarotra mpandefa amin’ny paositra aza. Azo nofohina tamin’ny endriky ny ravina “coca” voahorona ho sigarety izy io nandritra ireo taona 1880 sy 1890. Tafiditra tao anatin’ny divay isan-karazany sy zava-pisotro tsy misy alikaola izy io. Ary na dia ilay mpitsongo dia anglisy fanta-bahoaka tantarain’ny boky, atao hoe Sherlock Holmes, aza dia naseho ho toy ny nampiasa “cocaïne” “intelo isan’andro nandritra ny volana maro.” — The Sign of Four, nosoratan’i Sir Arthur Conan Doyle.
Nankasitrahana noho izy mampody aina ny “cocaïne” ary noderaina ihany koa noho izy fanafody aretina andoha, sohika, fanaviana ary areti-nify. Tonga fanafody mahasitrana ny fery sy rofy rehetra izy io ho an’ny sarambabem-bahoaka. Ohatra, nanoratra toy izao i Sigmund Freud tanora, tamin’ny 1884: “Efa nanandrana tamin’ny tenako ny vokatry ny “coca”, izay miaro amin’ny hanoanana, ny torimaso, sy ny havizanana ary manatanjaka ho amin’ny asa saina, teo amin’ny indroa ambin’ny folo aho. Ny fampiasana “coca” voalohany ary na dia ny fampiasana azy miverimberina aza, dia tsy miteraka faniriana tsy maintsy hampiasa io zavatra manaitaitra io indray.” — Über Coca (Momba ny “coca”).
Tao anatin’ireo taon-dasa, dia nisy filazana mitovy amin’izany natao momba ny “marijuana”, izay nitarika ny olona sasany hino fa tsy miteraka vokatra ratsy ny fampiasana zava-mahadomelina. Amin’izao andro izao anefa ianao dia afaka mamaky fanamarinana ara-pitsaboana miavosa manondro ny mifanohitra amin’izany. Faran’izay manimba ny tena tokoa ny fampiasana zava-mahadomelina toy ny “marijuana”, “cocaïne”, “crack” (karazana cocaïne), “heroïne”, “amphétamines” ary “barbituriques”.
Vokatra manimba sy mahafaty
Manambara ireo mpanao fikarohana fa ireo mpampiasa “marijuana” dia afaka ny hanampo hiteraka zazakely madinika kokoa noho ny hafa, ho tratran’ny loza bebe kokoa ary ho simba havokavoka. Mifamatotra amin’ny “cocaïne” sy ny “crack” izay azo avy aminy ny “paranoïa” (fahadalana) sy ny fisehoan’ny aretina “schizophrénie” sahala amin’izany hafa, ny fahaketrahana mafy, ny tsy fahitan-tory, ny fahaverezan’ny fahazotoan-komana, ny tsy fahafahan’ny maha-lahy miasa, ny fahasarotam-po be, ny androbe, ny fijanonan’ny fo tampoka, ny fihandronan-dra tsy ara-dalàna any amin’ny loha (congestion célébrale), ny aretin-koditra na fibontsinana lehibe feno rano eo amin’ny soson-koditra, ny famoizana tongotra na tanana na rantsana, ny fahasamponana hatrany am-bohoka, ny aretin’ny lalan-drivotra ambony, sy ny fahaverezan’ny fanimboloana ary ny fahafatesana. Araka ny filazan’ny mpanoratra mahay siansa iray, “raha aretina ny fampiasana ‘cocaïne’ mandritra ny maha-bevohoka, ny vokany eo amin’ireo zazakely dia azo heverina ho lozam-pirenena eo amin’ny fitandremam-pahasalamana.”
Ny sokajin’olona sasany amin’ireo mpampiasa zava-mahadomelina koa dia mety ho voan’ny SIDA kokoa. (Jereo ny pejy faha-27.) Ary maro amin’ireo zava-manahirana ara-pahasalamana no mifandray amin’ny fampiasana zava-mahadomelina voamboatra toy ny “amphétamines, barbituriques”, ireo fampitonena ary ireo “zava-mahadomelina mampahita sary” hafahafa.
Kanefa, na dia eo aza ny loza mety hitranga fantatry ny rehetra, ny olona dia mbola voan’ny fakam-panahy hanandrana zava-mahadomelina ihany. Mahita ireo zava-mahadomelina ho manaitaitra ireo mpampiasa azy indraindray. Tena misy anefa ny loza. Toy ny mamily sambo mpitatitra solitany iray hanitsy mankany amin’ny harambato iray voasaron’ny rano izany — azo antoka ny hisian’ny loza.
Ny vatanao — “Fanatitra velona” iray
Ilay fotopoto-pitsipika nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 12:1 dia manana fifandraisana akaiky dia akaiky amin’io raharaha io. Manambara toy izao izy io: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo [vatanareo, MN] ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.” Tsy maintsy manolotra fanatitra misy heviny lavitra noho ny fanatitra biby notakina tamin’ny firenen’Isiraely taloha ny kristiana.
Tsara homarihina ny nampiasan’i Paoly ilay teny grika nadika hoe “fanatitra velona, masina” (thy·si΄an zo΄ san ha· gi΄an). Araka ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly samihafa, dia manana izao heviny manaraka izao ireo teny ireo: Nanolotra fanatitra biby efa maty ny Israelita. Tsy azo natolotra fanindroany izany. Mifanohitra amin’izany, ny kristiana dia manolotra ny vatany miaraka amin’ny heriny miaina, “velona”. (Ny endriky ny matoanteny grika nadika hoe “velona” dia azo adika hoe “miaina ao anatin’ny fahasalamana tsara” indraindray.) Ary toy ireo Isiraelita izay norarana tsy hanatitra izay nandringa na nanan-takaitra hafa, ireo kristiana dia manolotra ho an’Andriamanitra ny tsara indrindra amin’ny fahaizany manao zavatra. Koa satria tonga mpanatanteraka ny asany ny vatan’ilay kristiana, ny ataony sy ny eritreriny rehetra miaraka amin’ilay fitaovana ampiasainy — ny vatany — dia tsy maintsy atokana ho an’Andriamanitra irery ihany. Izany dia tonga fanolorana tanteraka ny tena. Tsy manana zo hitaky zavatra amin’ny tenany intsony izy. Araka izany, dia ny fiainany, fa tsy fombafomba, no tena fanatitra marina.
Noho izany, dia nampirisika ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany i Paoly, raha mbola velona eto an-tany koa izy ireo, mba hampiasa ny tanjany, ny fahasalamany ary izay talenta na fahaizana nananany, ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fanahy rehetra. (Kolosiana 3:23). Tsy maintsy nanome an’i Jehovah izay tsara indrindra azony natolotra ara-batana sy ara-tsaina izy ireo. Ho finaritra indrindra amin’ny fanatitra toy izany Andriamanitra.
Kanefa, ho nanao ahoana ny fihetsik’Andriamanitra raha toa izy ireny ka ninia nanaraka fanao izay hampihena ny herim-batany na ny fahafahany ara-tsaina ary hanafohy ny androm-piainany mihitsy aza? Ho naniry handika lalàna ve ireo kristiana ka hampihena vidy ny toetrany sarobidy tao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? Afaka nahatonga azy hamoy ny tombontsoam-panompoany ny fanao maloto ary niafara tamin’ny fandroahana azy ireny tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana mihitsy aza. — Galatiana 5:19-21.
Amin’izao andro izao, dia fanao mahazatra maneran-tany ny fampiasana zava-mahadomelina. Afaka mampiasa azy ireny mba hahazoana fahafinaretana ve ny olona iray no sady mbola hanolotra ny vatany ho “fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra”? Tsy ny fikarohana ara-pitsaboana na ireo fanandraman-javatra tsy tambo isaina ny amin’ireo vokany manimba ihany fa ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly koa dia manome valinteny mazava hoe — tsia!
[Sary, pejy 28]
“Ilay mpifoka ôpiôma” — nataon’i N.C. Wyeth, 1913