Avy Amin’ny Mpamaky
Fanatanjahan-tena any An-tsekoly Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Fanatanjahan-tena ao Amin’ny Ekipa — Tsara ho Ahy ve Izy Ireny?” (8 Martsa 1996). Toy ny hoe nosoratana ho ahy mihitsy izy io. Nahatonga ahy hahatakatra izy io fa angamba aho nidera atleta tamin’ny fomba tafahoatra hatramin’izao. Nanampy ahy koa ilay lahatsoratra mba hahatakatra fa “mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena”. — 1 Timoty 4:8.
Y. T., Japon
Lalitra Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra mahaliana indrindra hoe “Ireny Lalitra Maharikoriko Ireny — Mahasoa Kokoa Tsy Araka ny Ieritreretanao Azy Ve?” (8 Aprily 1996). Tamin’ny fahavaratra lasa teo, dia nandany fotoana nanaovana fikarohana momba ny lalitra aho, kanefa tsy nahita fanazavana nahafa-po. Nihevitra aho fa manorisory sy maloto izy ireo, tsy misy hafa amin’izay lazain’ilay lahatsoratra. Ankehitriny anefa, dia fantatro fa manao zavatra mahasoa izy ireo — raha tsy izany dia tsy ho nanao azy ny Mpamorona antsika. Mankasitraka indrindra ireo lahatsoratra avoakanareo ny tenako.
T. G., Italia
Vao avy namaky ilay lahatsoratra momba ny lalitra aho, ary tsy maintsy nanoratra. Imbetsaka aho no nilaza tamin’ny olona tamin’ny alalan’ny kivazivazy fa ho tiako ho fantatra ny tao an-tsain’i Jehovah fony izy namorona io zavaboary manorisory io. Ankehitriny dia fantatro fa tsy napetraka teto an-tany mba hanorisory antsika fotsiny ny lalitra!
P. P., Etazonia