Avy Amin’ny Mpamaky
Fampianarana ny Ankizy ho Tia ny Zavatra Noforonina Anisan’ny fampiofanana omenay ny zanakay ny fambolena ao amin’izy ireo fankasitrahana ny hakanton’ny zavaboary nomen’i Jehovah antsika amim-pitiavana. Tianay ny mampiasa ireo lahatsoratra miseho tsy tapaka ao amin’ny Mifohaza!, toy ilay hoe “Troglodyte — Vorona Bitika Avo Feo”. (8 Septambra 1998). Feno hafanam-po ireo zanakay ho setrin’izany! Nahafaly ny nampahafantatra io fanazavana io taminy.
K. A., Etazonia
Nofy Ratsy Tena nankasitrahako ireo fanoloran-kevitra tao amin’ilay fizarana hoe “Les cauchemars: fréquents chez les enfants”, ao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao”. (8 Septambra 1998, frantsay). Manonofy ratsy ny zanako, nefa nilazako foana izy ireo mba tsy hiresaka momba izany fa hiverina hatory fotsiny. Izao izaho nahazo fanoloran-kevitra izao, dia afaka miatrika tsara kokoa an’io olana io. Mba manohiza re mamoaka fanazavana mahasoa toy ireny e!
R. N., Zimbabwe