FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 15/2 p. 103-105
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • HATRAIZA NY HIAFARAN’IZAO?
  • ARETIN-DRATSY FAHATELO
  • BE TAONA KOKOA, NEFA TSY HOE TSY MAHIRA-TSAINA NA DIA IZANY AZA
  • Tena Firaisana ve ny Firaisana Amin’ny Vava?
    Manontany ny Tanora
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Andriamanitra sy ny Fitondrana ary Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 15/2 p. 103-105

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

HATRAIZA NY HIAFARAN’IZAO?

●Tamin’ny 1970 ny fikambanan’ny lalàna italiana dia nandany lalàna ara-tantara iray manome alalana hisara-panambadiana. Tamin’ ny 12 may 1974 anefa dia nisy fandaminana fitsapana hevi-bahoaka mba hanapahan-kevitra raha tokony hofoanana ny lalàna na tsia. Nandritra ny roa volana, ny eveka ary ny ankamaroany, — fa tsy izy rehetra, — tamin’ireo pretra sy relijiozy 190 000 tao amin’io tany io dia niady mafy ho fanohanana ny fanafoanana an’ilay lalàna, fiezahana manokana notohanan’ny antoko demokraty kristiana. Nanintona ny saina maneran-tany io fiezahana manokana io noho ny maha-zava-dehibe ny fandatsaham-bato ho an’ny ho avin’ny Eglizy any Italia. Inona no vokany?

Faharesena lehibe, satria ny Italiana, eo amin’ny telo noho roa eo, dia nandatsa-bato ho an’ny fitanana ny lalàna mikasika ny fisaraham-panambadiana. Ny tanànan’i Roma mihitsy dia nandatsa-bato 70 isan-jato ho fanoherana ny fanafoanana azy. Na dia i Brescia, tanàna nahabe ny papa, aza, dia nandatsa-bato nanohitra. Ny filazam-baovaon’ny United Press dia nilaza an’io faharesena io ho “ny tsy fahombiazana ratsy indrindra hitan’ny Eglizy katolika romana teo amin’ny raharaha ara-politikan’Italia, hatramin’ny nanilihan’ny andian-tafika italiana ny papa Pie IX ho ao Vatican, ka namaranany ny fahefan’ny Eglizy araka ny nofo, tamin’ny 1870”.

Nanisy fitenenana ny amin’ny “fandinihana amim-pitandremana ataon’ireo filohan’ny Eglizy italiana” ny gazety katolika “America” (25 may 1874) ka nahita tamin’ny zava-niseho, fitarana mety hisy eo amin’ny “dingana fanafahana amin’ny karazam-pifandraisan’ny Eglizy sy ny fanjakana, efa lany andro”.

Ny hoe maha-lehibe kokoa ny vokany tadiavina noho ny lalàna mikasika ny fisaraham-panambadiana, izany dia miharihary amin’ny filazam-baovao izay mampiseho fa raha vantany vao nambara ny vokatry ny fitsapana hevi-bahoaka “dia nisy antokon’olona mpanohitra ny hevitry ny klerjy nanambara ny handaminana fiezahana manokana manerana ny firenena, mba hanangonana sonia mikasika ny fangatahana an-tsoratra iray mitaky fitsapana hevi-bahoaka amin’ny lalàna rehetra manome toerana manokana ho an’ny Eglizy”. Ny anankiray amin’ireny lalàna ireny dia manizingizina fa “ny fivavahana apostolia, katolika sy romana no hany fivavaham-panjakana’’. Misy lalàna hafa koa manome fanafahana amin’ny hetra sy tombontsoa ma­nokana ho an’ireo fanaovan-draharahan’ny Eglizy.

Tsy hahagaga an’ireo mpamaky “Ny Tilikambo Fiambenana” izany zavatra hiseho iza­ny. Voasoratra eo amin’ny rindrina hatramin’ny elabe ny “soratra’’, voatahiry ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. — Apokalypsy 17:15-18.

ARETIN-DRATSY FAHATELO

●Tsy vaovao akory ny areti-mifindra avy amin’ny otrik’aretin’ny “herpès”. Ankoatry ny zavatra hafa, izy io dia mandrakariva no miteraka fivoahan’ny “fery mangatsiaka” ao anaty vava sy manodidina azy. Nefa nanomboka tamin’ny 1960 ny aretina herpetika dia niseho tamin’ny fomba mampangitakitaka amin’ny maha-aretin-dratsy faran’izay mamindra azy. Amin’io lafiny io ny otrik’aretina herpetika amin’ny faritra maha-lahy na maha-vavy dia manarakaraka avy hatrany ny angatra (izay miely tokony ho in-telopolo avy heny noho ny farasisa).

Miteraka fery manaintaina ho an’ny faritra maha-lahy na maha-vavy voany io otrik’aretina io. Na dia tsy maharitra aza izany dia mety hisy vokany ratsy tokoa. Mety ho voakasika ny zaza vao latsaka eo am-piterahana azy, ka mety hiafara amin’ny fahafatesana ny iray amin’ny efatra. Mandrakariva ny zazakely no voa ao amin’ny atidohany. Ankoatr’izany, ny zavatra rehetra dia manaporofo fa misy fifamatorana amin’ny “herpès” amin’ny faritra maha-lahy na maha-vavy sy ny “can­cer” amin’ny tranon-jaza eo amin’ny vehivavy ary angamba ny “prostate” eo amin’ny lehilahy. Afa-tsy izany, ireny fandinihana natao ireny dia mampiharihary fa betsaka kokoa ny mety ho fahafahan-jaza.

Milaza ny gazety “Time” fa ny ‘’herpès” amin’ny faritra maha-lahy na maha-vavy dia mety hahakasika “indrindra an’ireo manaram-po amin’ny fahalotoam-pitondrantena”, indrindra fa ny tanora. Raha nanoratra tao amin’ny “Medical World News” (26 aprily 1974) ny Dr Elma G. Lutz, dia mitantara fa hatramin’ny taona maro izy no manintona ny sain’ireo marary mangataka fanazavana ny amin’ny fanao mikasika ny lahy sy ny vavy (vava-faritra maha-lahy na maha-vavy), ny amin’ny hoe io otrik’aretina io dia mety “hifindra avy ao amin’ny vava mankao amin’ny faritra maha-lahy na maha-vavy ary mifamadika amin’izany koa”. Nampitandrina izy fa amin’ny fialana amin’ny fihetsika mikasika ny lahy sy ny vavy henjana kokoa dia “tsy hoe tsy maintsy hiafara amin’ny fahafahana ny tena, ary na dia misy aza izany, dia afoy ny fahafahana hafa”. Araka ny filazany, ny fanao mikasika ny lahy sy ny vavy tsy araka ny natiora (fikambanana amin’ny vava, ohatra) dia mety hampidi-doza, fa “ny fomba tsara kosa dia antoky ny fahasalamana”.

Izany voalaza eo aloha izany dia manipika indray mandeha koa ny fahamarinana voambara ao amin’ny Romana 1:26, 27. Ireo izay manaram-po amin’ny fanao mikasika ny lahy sy ny vavy “tsy araka ny natiora”, amin’ny farany dia ‘handray ao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany’.

BE TAONA KOKOA, NEFA TSY HOE TSY MAHIRA-TSAINA NA DIA IZANY AZA

● Mifanohitra amin’ny fiheverana lehibe ny hatanorana amin’izao androntsika izao, dia matetika ny Baiboly no mampiaraka ny fahendrena amin’ny fahanterana (Joba 12:12, 20; 32:6, 7). Nefa moa ve ny fahanterana tsy mitarika fihenan’ny fahaizana ara-tsaina? Ahitana vokatry ny fahanterana ny olona be taona sasany. Nefa vao haingana foana izay, ny lahatsoratra iray tao amin’ny “Sun­day News” any Detroit dia nilaza fa mpitsabo aretin-tsaina, mpitaiza sy mpandinika ny fa­hanterana maro no mihevitra izao fa “angano’’ ny hevitra hoe tsy maintsy mihena ny fahiratan-tsaina arakaraka ny fandrosoana ho amin’ny fahalehibeazana. Nilaza ny profesora Howard Y. MacClusky, tany amin’ny oniversiten’i Michigan, fa “porofo maro no manamarina fa raha misy zavatra be dia be eo amin’ny fiainan’ny olona iray ka mampiasa hatrany ny talentany izy, dia tsy hitsahatra ny hitombo amin’ny ara-tsaina izy, na firy taona na firy taona”. Ampitahao amin’ny filazalazana mahafinaritra voarakitra ao amin’ny Salamo 92:12-15, io fanamarihana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara