Tsia, tsy antitra loatra ianao ka tsy ho afaka hianatra!
METY ho efa lehibe loatra ka tsy afaka hianatra ve ny olona iray? Diniho àry ny zavatra sasany vitan’ny olona be taona. Ilay mpamoron-kira atao hoe Irving Berlin dai namorona feon-kira foana teo amin’ny faharo amby sivifolo taonany ary, na dia efatra amby sivifolo taona aza ilay mpitendry piano atao hoe Arthur Rubinstein dia mbola nanao fampisehoana ihany. Ilay mpitsara atao hoe Olivier Wendell Holmes dia nanomboka fianarana teny grika rehefa roa amby sivifolo taona. Teo amin’ny fahavalopolo taonany i Mosesy dia nanomboka asa vaovao tamin’ny naha-mpitarika firenena iray sy mpandahateny ampahibemaso azy (Eksodosy 7:7). Ary ny apostoly Jaona dia maherin’ny sivifolo taona raha nanoratra ny Filazantsarany sy ny bokin’ny Apokalypsy.
Tsy tokony hoheverina àry fa voafetran’ny taona ny fiasan’ny saina. Ny aretina sasany dia mety hampihena ny fandehan’ny fisainana eo amin’ny olona antitra vitsivitsy. Ny miely indrindra dia ny aretin’i Alzheimer, izay antsoina koa hoe ny fihaosana noho ny fahanterana, ka mahatonga fahavoazana ara-batana eo amin’ny atidoha. Ireo aretina hafa dia mitarika fisehoan’aretina mitovy amin’izany. Nefa ny ankamaroany indrindra amin’ny olona antitra dia tsy voany. Ho azy ireny, araka ny nambaran’ny mpikaroka iray, “ny saina tia mamorona dia tsy misy taonany”.
Ny vokatra azon’ireo be taona tamin’ny fanadinana natao tany amin’ny oniversiten’i Cambridge any Angletera, dia tsara tahaka ny azon’ireo mpianatra tanora. Ny dokotera Weinberg, mpitsabo aretin-tsaina sady manam-pahaizana ekena amin’ny fandinihana ny fisehoan’ny fahanterana dia milaza fa raha tsy hoe azon’aretina angaha ny olona antitra iray dia mitahiry fahaizana ara-tsaina tsara sy fahafahana hianatra ela, indrindra raha mampiasa vatana foana izy ka voahodidina olona mikarakara azy. “Manana ho avy mamirapiratra ny olona be taona, hoy ny dokotera Weinberg izay fitopolo taona koa ny tenany, raha mbola manohy mampiseho fahalianana ary maniry hianatra sy handroso.
Izany tokoa no niseho tamin’ny sasany. Raha ny marina, ny fanambaran’ny dokotera Weinberg dia voaporofo mihitsy mihoatra izay azony noheverina rehetra.
Ny fifidianana lalam-baovao iray
Diniho, ohatra, ny hita tamin’i Alice Okon, any Nigéria. Kristiana miasa ny zanany lahy sady namporisika azy hamaky ny Baiboly mba hahalalana ny fanantenana atolony. Tamin’ny farany, dia nanaiky hianatra an’io boky io izy, ka nanatanjaka ny finoany izany ary teo amin’ny fahavalopolo taonany dia natao batisa izy, ka nasehony tamin’izany fomba izany ny fahavononany hanompo an’Andriamanitra mandritra ny fotoana sisa iainany.
Mino mafy ity fanambarana ity izy: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ary satria izy maneho finoana toy izany dia miandry amim-pitokisana ny fiainana mandrakizay ampanantenain’Andriamanitra. Teo amin’ny fahavalopolo taonany izy dia tsy antitra loatra tokoa ka tsy ho afaka hianatra.
Fanapahan-kevitra tokony horaisina
Misy olona be taona afaka mandray fanapahan-kevitra misy vokany lehibe sady miantsoroka tanteraka ny safidiny. Paul Inyang Atua, sivy amby fitopolo taona, izay mipetraka any Nigéria koa, dia tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra sarotra. Tamin’ny fiainany manontolo izy dia nikaroka izay fivavahana hampianatra ireo fahamarinana ara-baiboly. Farany, nitsidika azy ny vavolombelona kristian’i Jehovah ka fantany tamin’izay fa nahita izay notadiaviny hatrizay izy. Kanefa ny safidy nataony dia tsy nahafaly ny olona rehetra.
Ny mpitondra fivavahana izay nifandray tamin’i Paul tamin’ny lasa dia nitsidika azy. Raha nahita Baiboly iray teo ambony latabatr’i Paul izy dia naka izany sady nilaza fa bokin’ny fivavahan-diso io, no nanapotipotika azy. Tamin’izay i Paul dia voatery niresaka tamin’io lehilahy io mba hampitonena azy sady niezaka niaro ny fahamarinana ara-baiboly sasantsasany izay nianarany.
Tsy faly ilay mpitondra fivavahana. Tezitra izy ka lasa ry nitady hanangana fanenjehana an’i Paul. Ankoatr’izany, ny mpiray tanàna taminy dia nitady hifidy an’i Paul ho lehiben’ny tanàna mba hampialana azy amin’ny finoany vaovao. Fantany ny antony nanaovan’izy ireo izany, ka nolaviny ny fanolorany.
Avy eo dia tsy maintsy nanao dingana hafa sarotra kokoa ihany izy. Mampianatra antsika ny Baiboly fa ny kristiana izay ta-hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tokony “hanambady tokana”. (I Timoty 3:2.) Mba hanajana ny fotopoto-pitsipika kristiana, Paul dia tsy maintsy nanao fandaharana mba hanambady tokana. Izany no nataony. Nandamina ny toerana nisy azy izy ka afaka natao batisa tamin’ny farany.
Tadidio fa sivy amby fitopolo taona i Paul raha nitondra ireo fanamboarana ireo teo amin’ny fiainany. Nanambara izy hoe: “Na dia tsy nahavita ireo fanovana ireo teo amin’ny fiainako aza aho raha tsy teo amin’ny fahanterako, dia misaotra an’i Jehovah aho noho ny nanomezany ahy fahafahana hampiasa ny androko sisa amin’ny fanompoana azy.” Aoka hampiantsika fa ny ho avy antenainy izao dia mamiratra lavitra noho izay nety ho nantenainy ho hita. Antitra loatra ve ka tsy afaka hianatra!” “Tsia!”, hoy ny famalin’i Paul Inyang Atua, eo amin’ny fahasivy amby fitopolo taonany.
Na dia eo aza ny aretina
Ny olona be taona dia mahita fahasahiranana ara-pahasalamana indraindray, nefa izany tsy tokony hanakana azy ireny ho vonona ny haniry hahafantatra ny zavatra rehetra. Nahatsapa i Michiyo Fujimi, mpitory mandavantaona iray, fa azo atao izany. Nitsidika ny mponin’ny avaratry ny nosy Honshu, any Japana, izy, raha tafahaona tamin’ny lehilahy iray antitra, M. Kato.
Nanaitra azy ny fanambaran’i M. Kato hoe: “Ny Andriamanitry ny kristianisma dia maniry ny olona ho velona fa tsy ho faty. Tsy izany ve ny hevitrao? Mahavariana tokoa izany fanamarihana izany. Tena sarotra anefa ny resaka amin’ilay lahy antitra satria efa ho marenina tanteraka izy. Na dia izany aza, tia vakiteny izy, ka nametrahan’i Michiyo gazety ara-baiboly izy, nefa toa tsy fantany hoe ahoana izany fandaharana izany. Noho izany, nandritra ny telo taona dia nitondrany gazety ara-baiboly tsy tapaka izy mba hovakiny. Nianatra namaly ireo fanontaniany tamin’ny alalan’ny taratasy sy pensilihazo izy.
Volana vitsivitsy izay, dia nilaza taminy M. Kato, izay sivifolo taona tamin’izay, fa naniry hiresaka taminy. Tamin’ny famakian-teniny, dia nahazo fahalalana tsara ny Baiboly izy. Ny lahatsoratra iray dia nampiseho azy ny maha-zava-dehibe ny hifandraisana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah satria izy ireo afaka hanampy azy hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Nanontany àry izy ireo hoe: “Ahoana no fomba azoko hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Nanontany àry izy ireo hoe: “Ahoana no fomba azoko ifandraisana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?”
Notondroin’i Michiyo ny orony (ho an’ny Japone izany dia midika hoe: “Ny tenako”). Ary izany tokoa no izy satria Vavolombelon’i Jehovah izy. Ravo ilay lahy antitra ary naniry hahafantatra izay misy ny Efitrano Fanjakana. Ankehitriny, na dia marenina aza io lehilahy be taona io dia mianatra ny Baiboly amin’ny fifandraisana an-tsoratra amin’ny alalan’ny pensilihazo sy taratasy. Mahazo fahalalana mazava ireo fahamarinana ara-baiboly izy ary mivory miaraka amin’ny namany kristiana. Raha sivifolo taona M. Kato, dia antitra loatra ve ka tsy afaka hianatra? Tsy izany velively!
Raha ny amin’i Mme Takahashi, dia tsy toy izany koa izy. Raha oharina amin’i M. Kato dia toa mbola tanora izy: vao telo amby fitopolo taona! Nefa nanana zava-manahirana iray izy. Efa jamba hatramin’ny fahatelo amby efapolo taonany izy sady tsy nanana fahafahana mihitsy hianatra ny soratra mivohitra (braille). Na dia izany aza, rehefa nifandray taminy ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nilaza izy fa maniry hahafantatra tsaratsara kokoa ny Baiboly; noho izany, dia nampian’ny mpitory roa hianatra io boky io izy. Noho ny fahajambany, dia tsy maintsy nosoritany tao amin’ny fitadidiany izay nianarany. Ary noho izany no nanombohany nianatra tsianjery ny tapany sasany ao amin’ny Baiboly, teo amin’ny fahatelo amby fitopolo taonany.
Ankehitriny, na dia be taona sy sembana aza izy, dia mamonjy tsy tapaka ny fivoriana kristiana. Ary na dia marary fo aza izy rehefa misy dia atao, dia nandeha 600 kilaometatra mba hanatrehana fivoriambe kristiana iray. Natao batisa tamin’ny taon-dasa izy. Antitra loatra ve i Mme Takahashi ka tsy afaka hianatra? Tsia, tsy izany ny fomba fiheviny!
Tsy mihevi-tena ho antitra loatra izy ireo
Izany dia toy ny filazan’ny dokotera Weinberg azy: “Ny olona be taona dia manana ho avy mamiratra raha mbola manohy mampiseho fahalianana ary maniry hianatra sy handroso.” Ho an’ireo izay, amin’ny fahanterany, dia manitatra ny fahalianany momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, ka maniry hahafantatra azy sy hampitombo ny finoany, ny ho avy dia mamiratra tokoa.
Tsapany fa ny fiainana nananany hatreo — na fitopolo, valopolo, sivifolo taona na mihoatra — dia fanomezan’Andriamanitra. Takany fa na dia be taona sy efa nandia fiainana aza izy, dia mbola manan-javatra nianarana ihany. Raha ny marina, araka ny fihevitr’Andriamanitra, dia tsy tena antitra toy izany izy. Hoy ny Baiboly: “Ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona ary ny arivo taona toy ny indray andro.” (II Petera 3:8). Raha isaina tahaka ny an’Andriamanitra, ny lehilahy iray sivifolo taona dia tsy velona afa-tsy adiny roa! Noho izany, na dia ny olona antitra aza dia afaka manararaotra ny fahendren’ny Mpamorona antsika izay velona “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay”. — Salamo 90:2.
Kanefa na dia izany aza, Andriamanitra dia manolotra ho an’ny rehetra, tanora na antitra, ny fahatsinjovana hiaina ela tahaka Azy. Jesosy Kristy dia nanambara hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Mety ho antitra loatra ve ny tena ka tsy ho afaka hanaiky izany fanolorana ataon’Andriamanitra ho antsika izany? Maneran-tany dia misy lehilahy sy vehivavy be taona mamaly hoe: “Tsia!”.
[Sary, pejy 5]
Ny vokatra azon’olona be taona tamin’ny fitsapana natao tany amin’ny oniversiten’i Cambridge, any Angletera, dia mitovy hatsara amin’ny an’ireo mpianatra tanora.
[Sary, pejy 6]
Teo amin’ny fahasivifolo taonany, ary na dia nila ho marenina tanteraka aza Iwaji Kato dia tsy be taona loatra ka tsy ho afaka hianatra ny fivavahana marina.
[Sary, pejy 7]
Tei Takahashi, telo amby fitopolo taona sady jamba, dia mampianatra ny namany an’ireo zavatra nianarany.