Fiangonana Misaratsaraka — Manao Ahoana ny Haratsiny?
“TOY ny fianakaviana iray maro anaka, taitra tampoka, mipetraka ao anaty trano tranainy tsizarizary izay nirodana tampoka ny rindrina eo anoloana, ka toa misy tabataba mivoaka saika avy ao amin’ny efitra rehetra — amin’ny fivelezana ampongatapaka, ireo zanak’i Jesosy dia mikiakiaka amin’ny lehilahy mpandry amin’ny lehilahy katolika anglikanina mianjaika izay manao palitao sy pataloa vita amin’ny lasoa mainty.” — The Sunday Times, Londres, 11 Aprily 1993.
Io fianakaviana io dia ny Eglizy Anglikanina. Ilay tabataba dia mikasika ny fanekena ny vehivavy hanao ny asan’ny pretra. Ilay filazalazana amin’ny teny azo alaina sary an-tsaina mazava eo ambony ny amin’ny tsy firaisan-tsaina lalina, dia mihatra tsara tokoa amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana rehetra. Amin’ny fanamelohan’ireo patriarky ny Eglizy Ortodoksa sy ny papa ilay fanapahan-kevitra hamela ny vehivavy ho pretra, ny vokany amin’ny ankapobeny, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny tatitra iray, dia “mihalasa lavitra mbola tsy nisy toy izany ny nofinofin’ny fampiraisana indray amin’ny sisa amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana”.
Misaratsaraka manao ahoana moa ny fiangonana?
Rehefa mamaky ny Matio 7:24 isika, dia nilaza i Jesosy Kristy fa maro no hihambo ho manam-pinoana azy ho Tompo kanefa mbola tsy ‘hanao ny sitrapon’ny Rainy’ ihany. Manao izao fanamarihana izao ny gazetiboky Maclean’s: “Ireo mpamaky ny Matio mitady famonjena dia ho azo alan-tsiny amin’ny fisafotofotoana momba izay atao hoe sitrapon’Andriamanitra marina tokoa, rehefa heverina fa ireo Kristiana sy ireo fiangonany dia tsy mifanaraka lalina aoka izany ny amin’ilay raharaha iadian-kevitra.” Taorian’ny fitsapana hevi-bahoaka natao teo amin’ireo Kanadianina, dia nanatsoaka hevitra izy io fa misy “fahasamihafana goavana eo amin’ny zavatra inoana sy ny fanaon’ireo Kristiana kanadianina — fahasamihafana bebe kokoa eo amin’ny samy mpikambana amin’izay mety ho fandaminana ara-pivavahana, raha ny tena izy, noho ny eo amin’ny samy fandaminana ara-pivavahana mihitsy”.
Araka ny fanadihadiana nataon’io gazetiboky io, dia 91 isan-jato amin’ny Katolika no miombon-kevitra amin’ny fampiasana fisakanana ny fananahana voatr’olombelona na dia manameloka izany aza ny egliziny; 78 isan-jato no mihevitra fa tokony havela ho tonga pretra ny vehivavy; ary 41 isan-jato no manaiky ny fanalana zaza “amin’ny toe-javatra sasantsasany”. Ny tsy fifanarahana ny amin’ny “raharaha iadian-kevitra ara-teolojia” ao anatin’ireo fandaminana ara-pivavahana samy hafa, hoy ny Maclean’s, “dia manasongadina izay mampisaratsaraka ireo fiangonana lehibe indrindra”.
Fari-pitsipika roa sosona
Fari-pitsipika roa sosona sy fari-pitsipika mifanohitra no misy raha ny amin’ny fari-pitondran-tena. Mihambo ho manandratra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ny olona sasany, fa manivaiva azy ireny kosa ny hafa. Moa ve ny fombafomba amin’ny “fampakaram-bady” natao ho an’ny vehivavy mpandry amin’ny vehivavy roa tao amin’ny Metropolitan Church any Toronto, ohatra, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra? Nihevitra izany, mazava ho azy, ireo nandray anjara. “Tianay ny hankalaza ny fifankatiavanay ampahibemaso sy eo anatrehan’Andriamanitra”, hoy izy ireo.
Nanontany ny mpanoratra an-gazety iray ny amin’ny fomba nahatonga “ny arseveka katolika iray, izay nandefasana fitarainana nisesy, hamindra ireo pretra mpametaveta ankizy ho any amin’ny fiangonana hafa iray izay hahitany mpiserivy lamesa maromaro kokoa”. Ilay pretra atao hoe Andrew Greeley dia nampahatsiahy fa pretra 2 000 ka hatramin’ny 4 000 no nety ho nanimba tanora tsy ampy taona 100 000, ka matetika dia tsy nisy zavatra natao firy tamin’izany.
Mamokatra olona tsy miray saina ny fiangonana tsy miray saina. Any amin’ireo tany balkanika, dia samy mihevitra ireo “Kristiana” serba sy kroaty fa momba azy ireo i Kristy amin’ny adiny “ara-drariny”. Maro no miambozona lakroa eny an’ady; ny iray dia voatantara fa, “nihazona mandrakariva ny lakroany tao am-bavany rehefa mafy indrindra ny ady”.
“Tsy tokony hisy fisarahana eo aminareo”
Marina fa ny Baiboly dia mamela ny raharaha sasany ho amin’ny feon’ny fieritreretana, kanefa izany dia tsy tokony hanome toerana ho an’ny fisaratsarahana toy izany. Nilaza mazava toy izao ny apostoly Paoly: “[Tokony, NW ] hiray teny [sy asa] hianareo rehetra, (...) tsy [tokony, NW ] hisy fisarahana eo aminareo”. — 1 Korintiana 1:10; Efesiana 4:15, 16.
Ny fijerena amim-pahatsorana ny “Kristianisma”, roa arivo taona eo ho eo taorian’ny nanoratan’ny apostoly Paoly ireo teny ireo dia mampipoitra fanontaniana tena lehibe sasany. Nahoana ireo “Kristiana” no misaratsaraka aoka izany? Afaka ny haharitra ve ny fiangonana misaratsaraka toy izany? Hisy ve indray andro any ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana hiray saina? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 3]
Fihetsiketsehana nataon’ny pretra anoherana ny fanalana zaza
[Sary nahazoan-dalana]
Eo amin’ny fonony sy eo ambony: Eleftherios/Sipa Press