‘Nanao Izay Tokony ho Nataonay Izahay’
NOTANTARAIN’I GEORGE COUCH
Rehefa avy nandany ny maraina teo amin’ny fanompoana isan-trano izahay, dia namoaka mofo roa ilay namako. Rehefa avy nihinana izahay, dia namoaka sigara hofohina aho. “Hatramin’ny oviana ianao no tao amin’ny fahamarinana?”, hoy izy nanontany. “Omaly alina no fivoriana voalohany sambany vao natrehiko”, hoy aho taminy.
TERAKA tamin’ny 3 Martsa 1917 aho, tany amin’ny toeram-piompiana tokony ho 50 kilaometatra any atsinanan’i Pittsburgh, Pennsylvanie, eto Etazonia, any akaikin’ny tanàna kelin’i Avonmore. Tany no nitaizan’ny ray aman-dreniko ahy sy ny rahalahiko efatra ary ny anabaviko iray.
Tsy nahazo fiofanana ara-pivavahana firy izahay. Nisy fotoana niangonan’ny ray aman-dreniko, saingy niala tsy niangona intsony izy ireo raha mbola kely izahay ankizy. Nino ny Mpamorona anefa izahay, ary nanaraka ireo foto-pitsipika fototra hita ao amin’ny Baiboly ny fiainam-pianakavianay.
Ny fiofanana tsara indrindra azoko tamin’ny ray aman-dreniko, dia mahakasika ny andraikitra — ny fomba fandraisana andraikitra sy ny fanatanterahana izany. Andraikitra avokoa ny fiainana tany amin’ny toeram-piompiana. Kanefa, tsy dia lany tamin’ny asa avokoa akory ny fiainanay. Nankafy fanarian-dia nahasoa izahay, toy ny filalaovana baskety sy bazy baolina, ny fitaingenan-tsoavaly sy ny lomano. Zara raha nisy vola tamin’izany andro izany, kanefa dia nahafinaritra ny fiainana tany amin’ny toeram-piompiana. Nandeha nianatra tany amin’ny sekoly tsy nisy afa-tsy efitrano tokana izahay fony tao amin’ny fanabeazana fototra, ary nankany amin’ny sekoly tany an-tanàn-dehibe nandritra ireo taona nianaranay tany amin’ny lise.
Indray alina dia nitsangantsangana tany an-tanàn-dehibe niaraka tamin’ny namako iray aho. Nisy zazavavy tsara tarehy nivoaka avy tao an-tranony mba hiarahaba ilay namako. Nampifankahalalain’ilay namako tamin’i Fern Prugh, aho. Nety tsara ny nipetrahany tao amin’ny fitambaran-trano niray arabe tamin’ny lise. Matetika, rehefa nandalo ny tranony aho, dia nahita an’i Fern teo ivelany, nanao raharaha. Niharihary fa tia niasa mafy izy, ary nanaitra ny saiko izany. Nihananjary mpinamana akaiky izahay, dia nifankatia ary nivady tamin’ny Aprily 1936.
Fifandraisana tamin’ny fahamarinana ara-baiboly
Talohan’ny nahaterahako, dia nisy vavy antitra izay, nataon’ny olona tany an-tanàna ratsy fitondra noho ny fivavahany. Nitsidika azy ny reniko ny asabotsy, rehefa nankany an-tanàna mba hiantsena. Nanadio ny tranony i Neny, ary nanampy azy tamin’ireo irakiraka madinika, mandra-pahafatin’ilay ramatoa. Mino aho fa nitahy an’i Neny i Jehovah noho izy tsara fanahy aoka izany tamin’io ramatoa io, izay Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.
Fotoana kelikely taorian’izay, dia maty tampoka ny zanakavavy kelin’ny nenitoako. Tsy nampionona firy ny nenitoako ny fiangonana fa ny mpiara-monina iray izay Mpianatra ny Baiboly kosa no nampionona azy. Nohazavain’ilay Mpianatra ny Baiboly taminy izay mitranga rehefa maty ny olona iray. (Joba 14:13-15; Mpitoriteny 9:5, 10; Mpitoriteny 9:5, 10). Loharanom-pampaherezana lehibe izany. Ny nenitoako indray kosa, niresaka tamin’i Neny momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Nanaitra ny fahalianan’i Neny izany satria hatramin’ny nahafatesan’ny ray aman-dreniny fony izy mbola kely, dia niriny mafy ny hahafantatra izay mitranga amin’ny olona rehefa maty izy. Io fisehoan-javatra io dia nandentika tao an-tsaiko ny maha zava-dehibe ny hanararaotana foana ireo fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana.
Tamin’ireo taona 1930, no nanombohan’i Neny nihaino ny fandaharana tao amin’ny radio, isaky ny alahady maraina, nataon’i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society, tamin’izany fotoana izany. Nandritra izany taona izany, dia nanomboka nitory isan-trano tany amin’ny toerana nipetrahanay koa ny Vavolombelona. Natsangan’izy ireo teo an-tokotaninay ny grafôfônina fitondra mandeha, teo ambanin’ny alokaloky ny hazo iray, dia nalefany ireo toritenin’ny Rahalahy Rutherford nalaina feo. Nitana ny fahalianan’i Neny tsy ho faty ireny feo noraisina ireny sy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy L’Âge d’Or (Mifohaza! ankehitriny).
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1938, dia nisy carte postale nalefa tany amin’ireo mpanao famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana, nanasa azy ireo ho amin’ny fivoriana manokana iray tany amin’ny tranon’olona manokana, tokony ho 25 kilaometatra avy eo aminay. Naniry hanatrika izany i Neny, koa niaraka taminy izaho sy i Fern ary ny zokiko roa lahy. I John Booth sy i Charles Hessler, mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao lahateny ho anay niisa 12 teo ho eo. Taorian’izay, dia nandamina antokon’olona handray anjara amin’ny fanompoana ny ampitso marainan’iny, izy ireo. Tsy nisy nanolo-tena handeha hiaraka tamin’izy ireo, koa nifidy ahy ny Rahalahy Hessler, ary nanontany hoe: “Maninona ianao raha mba miaraka aminay?” Tsy fantatro mazava tsara izay hataon’izy ireo, kanefa tsy hitako izay antony tsy tokony hanampiako azy ireo.
Nandeha isan-trano izahay ambara-pahatongan’ny mitataovovonana teo ho eo, ary tamin’izay no namoahan’ny Rahalahy Hessler ireo mofo roa. Nipetraka teo amin’ireo zanatohatry ny fiangonana izahay, dia nanomboka nihinana. Taorian’ny namoahako ilay sigara vao fantatry ny Rahalahy Hessler fa vao fivoriana iray monja no natrehiko. Iny hariva iny ihany izy dia nanasa tena nankany aminay mba hisakafo, ary nangataka anay mba hanasa ireo mpiara-monina aminay hanao dinidinika ara-baiboly. Taorian’ny sakafo hariva, dia nitarika fampianarana Baiboly taminay izy ary nanao lahateny iray tamin’ilay antokon’olona tokotokony ho folo, izay tonga teo. Nilaza taminay izy fa tokony hanao fianarana ny Baiboly isan-kerinandro izahay. Na dia tsy nanaiky izany aza ireo mpiara-monina taminay, dia nanao fandaharana kosa izaho sy i Fern mba hanao fianarana Baiboly isan-kerinandro tao an-trano.
Fandrosoana tao amin’ny fahamarinana
Tsy ela taorian’izay, dia nivoaka teny amin’ny saha fanompoana izaho sy i Fern. Teo amin’ny seza aoriana tamin’ny fiara izahay, ary vao avy nandrehitra sigara mihitsy raha nitodika tany aminay ny zokiko lahy ka nanao hoe: “Vao haingana no nahafantarako fa tsy mifoka sigara ny Vavolombelona.” Avy hatrany dia natsipin’i Fern tany am-baravarankely ny sigarany — ny ahy nolaniko. Na dia nankafy ny nifoka aza izahay, dia tsy nanendry sigara intsony.
Taorian’ny batisanay tamin’ny 1940, raha tany amin’ny fivoriana iray izaho sy i Fern, dia nianatra lahatsoratra izay nampirisika hanao ny asan’ny mpisava lalana, araka ny iantsoana ny asa fitoriana manontolo andro. Teny an-dalana hody, dia nanontany toy izao ny rahalahy iray: “Maninona ianareo sy i Fern raha manao ny asan’ny mpisava lalana? Tsy misy na inona na inona mitana anareo.” Tsy afaka nanohitra ny heviny izahay, koa nanao izay hahavonona anay izahay. Nametraka ny taratasy fialako tany amin’ny toeram-piasako 30 andro mialoha aho, dia nanao fandaharana mba ho mpisava lalana.
Naka hevitra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower ny amin’ny toerana tokony hanompoanay izahay, ary avy eo dia nifindra nankany Baltimore, any Maryland. Nisy trano nokarakaraina ho an’ny mpisava lalana tany, ary 10 dôlara isam-bolana no naloa tamin’ny sakafo sy ny fonenana. Nanana tahirim-bola izay noheverinay fa haharitra anay mora foana hatramin’ny Haramagedona, izahay. (Apokalypsy 16:14, 16). Nihevitra foana mantsy izahay fa efa akaiky dia akaiky ny Haramagedona. Koa rehefa nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izahay, dia nafoinay ny tranonay ary navelanay ny zavatra hafa rehetra.
Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Baltimore izahay, nanomboka tamin’ny 1942 ka hatramin’ny 1947. Nafana dia nafana ny fanoherana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra izany taona izany. Tsy nitondra ny fiaranay tany amin’ny tranon’ireo olona nampianarinay Baiboly izahay fa nasainay naterin’olona kosa indraindray. Tamin’izany fomba izany, dia tsy voatataky ny olona ny pnen’ny fiaranay. Tsy misy tia fanoherana toy izany, kanefa afaka milaza aho fa nankafizinay foana ny fanompoana teny amin’ny saha. Raha ny marina, dia tsy andrinay ny mba hisian’ny fahataitairana kely teo am-panaovana ny asan’ny Tompo.
Tsy ela dia lany avokoa ny vola tahirinay. Sola ireo pnen’ny fiaranay, ary tonta toy izany koa ny kiraronay sy ny fitafianay. Indroa na intelo izahay no narary nandritra ny fe-potoana ela. Tsy mora ny nanohy, kanefa tsy nieritreritra ny hiala mihitsy izahay. Tsy niresaka ny amin’izany mihitsy aza izahay. Nahenanay ny fandaniana teo amin’ny zavatra hafa teo amin’ny fiainana mba hahafahanay hijanona tao amin’ny asan’ny mpisava lalana.
Fiovana asa nanendrena
Nankany amin’ny fivoriambe tany Los Angeles, any Kalifornia, izahay tamin’ny 1947. Raha mbola tany izahay, dia samy nahazo taratasy fanendrena ho amin’ny asa fitetezam-paritany mba hitsidika sy hanampy kongregasiona izaho sy i William zokiko lahy. Tsy nahazo fiofanana manokana na inona na inona ho amin’io asa io izahay tamin’izay. Nandeha fotsiny tamin’izao izahay. Nandritra ireo fito taona nanaraka, dia nanompo tany Ohio, Michigan, Indiana, Illinois, sy New York, izaho sy i Fern. Tamin’ny 1954 izahay dia nasaina hanatrika ny kilasy faha-24 amin’i Gileada, sekoly fampiofanana misionera. Raha mbola tany izahay, dia voan’ny lefakozatra i Fern. Soa ihany fa sitrana soa aman-tsara izy, ary notendrena ho amin’ny asa fitetezam-paritany tao New York sy Connecticut, izahay.
Raha mbola nanompo tany Stamford, any Connecticut, izahay, dia nangataka anay mba handany ny faran’ny herinandro niaraka taminy sy i Audrey, vadiny, i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay. Norosoany sakafo hariva matsiro izahay, dia nofon-kenan’omby nendasina sy ny fangarony hafa rehetra. Efa nifankahalala tamin’izy ireo izahay talohan’izay, ary fantatro tsara ny Rahalahy Knorr ka takatro fa nisy zavatra tao an-tsainy, ankoatra an’ilay fiarahanay nisakafo. Taoriana kokoa, tamin’io takariva io, dia nanontany ahy izy hoe: “Ho tianao ve ny hankatỳ amin’ny Betela?”
“Tsy dia tena azoko antoka loatra; tsy mahafantatra firy ny fiainana ato amin’ny Betela aho”, hoy aho namaly.
Rehefa avy nieritreritra ny amin’izany nandritra ny herinandro maromaro izahay, dia nilaza tamin’ny Rahalahy Knorr fa ho avy izahay raha naniry ny hanaovanay izany izy. Ny herinandro nanaraka, dia voarainay ny taratasy nangataka ny hisehoanay tany amin’ny Betela ny 27 Aprily 1957, ny tsingerin-taona faha-21 nahavitan’ny mariazinay.
Tamin’io andro voalohany nahatongavana tao amin’ny Betela io, dia nanome ahy toromarika mazava ny amin’izay nantenaina tamiko, ny Rahalahy Knorr. Hoy izy tamiko: “Tsy mpiandraikitra ny fizaran-tany intsony ianao; tonga eto ianao mba hiasa ato amin’ny Betela. Itỳ no asa lehibe indrindra tsy maintsy ataonao, ary irinay ny hampiasanao ny fotoananao sy ny herinao amin’ny fampiharana ilay fiofanana raisinao eto amin’ny Betela. Tianay ny hijanonanao eto.”
Misy heviny ny fiainana ato amin’ny Betela
Ny asa nanendrena ahy voalohany dia tao amin’ny Sampan-draharaha mikarakara ny Gazety sy ny Taratasy alefa sy voaray. Tatỳ aoriana, rehefa afaka telo taona teo ho eo, dia nangataka ahy mba hiseho tany amin’ny biraony, ny Rahalahy Knorr. Nilaza tamiko izy tamin’izay fa ny tena antony nakana ahy ho ato amin’ny Betela, dia mba hiasa tao amin’ny trano. Tena nivantana ny toromarika nomeny: “Tonga eto ianao mba hitantana ny Trano Betela.”
Nampahatsiaro ahy ny lesona nampianarin’ny ray aman-dreniko ahy fony aho nobeazina tany amin’ny toeram-piompiana, ny fitantanana ny Trano Betela. Be itoviana amin’ny ankohonana mahazatra, ny Trano Betela. Eo ny fitafiana tsy maintsy diovina, ny sakafo tsy maintsy karakaraina, ny lovia tsy maintsy sasana, ny fandriana tsy maintsy alamina sy ny toy izany. Ny lamin’asa momba ny trano dia mahatonga ny Betela ho toeram-ponenana mampiadana, toerana izay azon’ny olona iray antsoina hoe ny tranony.
Mino aho fa misy lesona maro azon’ireo fianakaviana raisina avy amin’ny fomba fiasan’ny Betela. Mifoha vao maraina izahay ary manomboka ny andronay amin’ny hevitra ara-panahy, rehefa mandinika andinin-teny ara-baiboly isan’andro. Antenaina ny hiasanay mafy sy hanananay fiainana voalanjalanja kanefa be atao. Tsy sahala amin’ny mônasitera akory ny Betela, araka ny mety hiheveran’ny sasany azy. Mahavita zavatra betsaka izahay noho ny fomba fiainanay manaraka fandaharam-potoana. Maro no nilaza fa ny fiofanana azon’izy ireo teto, dia nanampy azy ireo tatỳ aoriana mba handray andraikitra ao amin’ny fianakaviany sy ao amin’ny kongregasiona kristianina.
Ireo tovolahy sy tovovavy izay tonga eto amin’ny Betela dia mety hotendrena hanao fanadiovana, hanasa lamba na hiasa any amin’ny fanontam-pirinty. Mety ho tian’izao tontolo izao ny hinoantsika fa manambany sy tsy sahaza ny hajantsika ny asa ara-batana toy izany. Na izany aza, ireo tanora ato amin’ny Betela dia manjary mahatakatra fa tena ilaina mba hampandeha tsara sy hahasambatra ny fianakavianay izany asa anendrena izany.
Mety hampirisihan’izao tontolo izao koa ny hieritreretana hoe mila toerana ambony sy voninahitra ianao mba ho tena sambatra. Diso izany. Rehefa manao izay asa anendrena antsika isika, dia ‘manao izay tokony hataontsika’, ka handray fitahiana avy amin’i Jehovah. (Lioka 17:10). Tsy afaka mahita tena fahafaham-po sy fahasambarana isika raha tsy mitadidy ny zava-kendren’ny asantsika — hanao ny sitrapon’i Jehovah sy hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Raha ataontsika ao an-tsaina izany, dia mety hahafinaritra sy hahafa-po antsika rehefa mety ho asa anendrena antsika.
Tombontsoa nandray anjara tamin’ny fanitarana
Tamin’ny fivoriambe tany Cleveland, any Ohio, tamin’ny 1942, folo taona mahery talohan’ny nahatongavanay tato amin’ny Betela, dia nanao ilay lahateny hoe “Fandriampahalemana — Afaka Haharitra ve Izy Io?” ny Rahalahy Knorr. Nasehony mazava tsara fa ny Ady Lehibe Faharoa izay mbola tsy tapitra tamin’izay, dia hifarana ary hisy fotoam-pilaminana izay hanome fahafahana hanao ezaka manokana miitatra eo amin’ny fitoriana. Naorina tamin’ny 1943 ny Sekolin’i Gileada mba hampiofanana misionera sy ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika mba hanatsarana ny fahaizan’ireo rahalahy miteny ampahibemaso. Nisy koa fivoriambe lehibe nalamina. Nisongadina indrindra ireo natao tao amin’ny Yankee Stadium, ao New York, nandritra ireo taona 1950. Nifandray tamin’ireo fivoriambe natao tao tamin’ny 1950 sy 1953, dia nanana fahafahana hanampy aho tamin’ny fanaovana ny lamin’asa momba ilay Tanànan’ny Tranofiara fitobiana an-kalamanjana midadasika, izay nandray olona an’aliny maro nandritra ireo valo andro nanaovana ny fivoriambe tsirairay.
Taorian’ireny fivoriambe ireny, anisan’izany ilay lehibe indrindra tamin’izy rehetra, tamin’ny 1958, dia nitombo be ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana. Nisy akony mivantana teo amin’ny asanay tato amin’ny Betela izany. Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1960 sy ny fiandohan’ireo taona 1970, dia nila mafy dia mafy toerana malalaka sy efitrano hampiantranoana mpiasa izahay. Mba hanomezana izay nilain’ilay fianakavianay nitombo isa, dia tsy maintsy nanana efitrano fandriana sy lakozia ary toeram-pisakafoana maro kokoa izahay.
Nangatahin’ny Rahalahy Knorr ny tenako sy ny Rahalahy Max Larson, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, mba hitady tany sahaza ny fanitarana. Fony aho tonga teto amin’ny Betela tamin’ny 1957, ny fianakavianay dia nisy olona tokony ho 500, izay nipetraka tao amin’ny trano fonenana iray lehibe. Arakaraka ny fandehan’ireo taona anefa, ny Fikambanana dia nividy sy nanavao hotely lehibe telo teo akaiky teo — dia ny Towers sy ny Standish ary ny Bossert — mbamin’ny fitambaran-trano kely kokoa maro. Tamin’ny 1986, ny Fikambanana dia nividy ilay tany nisy ny Hotel Margaret taloha, ary nataony fonenan’ny olona tokony ho 250 ilay trano vaovao tsara tarehy natsangany teo. Avy eo, tany am-piandohan’ireo taona 1990, dia naorina ny trano fonenana nisy rihana 29 mba hampiantranoana mpiasa 1 000 fanampiny. Amin’izao fotoana izao ny Betelan’i Brooklyn dia afaka manome fonenana sy sakafo ho an’ny mpianakavinay maherin’ny 3 300.
Nisy tany novidina koa tany Wallkill, New York, efa ho 160 kilaometatra avy eo amin’ny Betelan’i Brooklyn. Rehefa nandeha ireo taona, dia nisy trano fonenana sy trano fanontam-pirinty lehibe naorina tao, nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1960. Amin’izao fotoana izao, dia mpikambana tokony ho 1 200 amin’ny fianakavian’ny Betelanay no mipetraka sy miasa any. Tamin’ny 1980, dia natomboka ny fitadiavana tany tokony ho 250 hektara akaiky kokoa an’i New York sady azo nifandraisana tsara tamin’ny lalam-be. Nihomehy ilay mpanera tany ka nanao hoe: “Aiza no hahitanareo izany karazan-tany izany? Izany aloha dia tsy hisy.” Ny ampitso maraina anefa, dia niantso an-telefaonina izy ka nanao hoe: “Nahita ilay tany ho anareo aho.” Amin’izao andro izao izy io dia fantatra amin’ny hoe Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, New York. Any no anaovana ireo sekoly ary misy fianakaviana iray ahitana mpanompo maherin’ny 1 300.
Lesona nianarako
Nianarako fa ny mpiandraikitra mahay iray dia izay afaka maka fanazavana sarobidy avy amin’ny hafa. Avy tamin’ny hafa ny ankamaroan’ireo hevitra nananako tombontsoa nampiharina tamin’ny naha mpiandraikitra ny Betela ahy.
Fony aho tonga tato amin’ny Betela, dia maro no be taona, toa ahy ankehitriny. Efa maty izao ny ankamaroan’izy ireny. Iza no misolo toerana ireo izay mihantitra ka maty? Tsy ireo manam-pahaizana indrindra foana akory, fa ireo izay eto, ireo izay miasa amim-pahatokiana ao amin’ilay asa ka vonona.
Raharaha lehibe hafa iray tokony hotadidina ny hasarobidin’ny vady tsara. Nanampy ahy betsaka ny fanohanan’i Fern vady malalako, teo amin’ny fanatanterahana ireo asa teokratika nanendrena ahy. Ireo lehilahy manambady dia manana andraikitra hanao izay ahazoana antoka fa mahita fifaliana amin’ny asa nanendrena azy ny vadiny. Miezaka aho mba handamina mialoha fanaovan-javatra iray izay tianay roa hatao. Tsy voatery handaniam-bola be ilay izy, fa mba fiovana amin’ny mahazatra fotsiny. Andraikitry ny lehilahy manambady ny manao izay hahasambatra ny vadiny. Sarobidy sy mandalo haingana ny fotoana iarahany aminy ka tokony hohararaotiny.
Faly aho fa miaina ilay andro farany noresahin’i Jesosy. Izao no fotoana mampitolagaga indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona. Afaka mijery isika, ka mahita amin’ny mason’ny finoantsika ny fomba ampitomboan’ny Tompo ny fandaminany ho fiomanana amin’ny fahatongavan’ilay tontolo vaovao nampanantenaina. Raha mitodika ny lasa aho, ka mandinika ny androm-piainako teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia hitako fa i Jehovah no mitantana ny fandaminany, fa tsy olona. Mpanompony fotsiny isika. Noho izany, dia tsy maintsy mitodika any aminy foana isika mba hahazoana fitarihana. Raha vao asehony mazava izay tokony hataontsika, dia tokony hankatò avy hatrany isika, ka hanao izany miaraka.
Aoka ianao hiara-miasa tanteraka amin’ny fandaminana, dia ho azo antoka fa hanana fiainana feno sy sambatra ianao. Na inona na inona ataonao — na mpisava lalana ianao, na ao amin’ny asan’ny fizaran-tany, na manompo ao amin’ny kongregasiona amin’ny maha mpitory anao, na manompo ao amin’ny Betela, na ao amin’ny asa misionera — dia araho ny toromarika voasoritra, ary hevero ho sarobidy ny asa anendrena anao. Miezaha araka ny fara herinao mba hifaly amin’ny asa rehetra anendrena anao sy amin’ny andro tsirairay iasanao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ho reraka ianao, ary mety hiasa mafy loatra na hahatsiaro fahakiviana indraindray. Amin’izay fotoana izay no tokony hitadidianao ny zava-kendren’ny nanoloranao ny fiainanao ho an’i Jehovah. Izany dia mba hanao ny sitrapony, fa tsy ny anao.
Tsy nisy andro nandehanako niasa ka tsy nifaliako tamin’izay nataoko. Nahoana? Satria rehefa manome amin’ny fanahintsika rehetra ny fotoanantsika sy ny herintsika ho an’i Jehovah isika, dia afa-po mahafantatra fa ‘nanao izay tokony ho nataontsika isika’.
[Sary, pejy 19]
Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Baltimore, 1946
[Sary, pejy 19]
Tany amin’ny Tanànan’ny Tranofiara niaraka tamin’i Fern, 1950
[Sary, pejy 19]
Sampan-draharahan’ny Gazety
[Sary, pejy 19]
Tanànan’ny Tranofiara, 1950
[Sary, pejy 22]
Miaraka amin’i Audrey sy i Nathan Knorr
[Sary, pejy 23]
Foibem-pampianaran’ny Watchtower, any Patterson, New York
[Sary, pejy 24]
Miaraka amin’i Fern, amin’izao andro izao