Fiheverana Ireo Tombontsoam-panompoana Masina ho Sarobidy
TSY tokony hohamaivanina ny fanompoana masina anendrena ny tena. Rehefa tsy niraharaha ireo tombontsoany nifandray tamin’ny tempolin’i Jehovah ireo mpisorona tao Joda fahiny, dia nananatra mafy azy ireo i Jehovah. (Malakia 1:6-14). Rehefa nampirisika an’ireo Nazirita mba hanamaivana ny andraikitra efa nekeny, nifandray tamin’ny fanompoany masina, ny olona sasany teo amin’ny Isiraely, dia niteny mafy ireo Isiraelita mpanota ireo i Jehovah. (Amosa 2:11-16). Mandray anjara amin’ny fanompoana masina koa ny Kristianina marina, ary mihevitra azy io ho zava-dehibe. (Romana 12:1). Misy lafiny maro, izay samy zava-dehibe avokoa, amin’io fanompoana masina io.
Fony mbola teto an-tany, niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy, i Jesosy, dia nampiofana azy ireo ho mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny hafatra entin’izy ireo, amin’ny farany. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8). Vao mainka ilaina maika io fitoriana io, mandritra izao andro faran’ny fandehan-javatra ankehitriny izao.
Mandray anjara amin’io asa io ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Misy ana hetsiny maro faly fa afaka manao izany amin’ny maha mpisava lalana. Be dia be ireo zavatra ilaina eo amin’ny asa maneran-tany, ka, ho fiatrehana izany, dia an’arivony maro no manao izay hahafahany hirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro manokana any amin’ny Betela; na eo amin’ny asa fitetezam-paritany, toy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika; na eo amin’ny fanompoan’ny misionera. Inona avy no mety ho tafiditra amin’izany ho an’ireo maniry hanohy hatrany an’izany fanompoana manokana izany?
Rehefa misy zava-dehibe ilain’ny mpianakavy
Mazàna no tsy maintsy manisy fanamboarana ny tarehin-javatra misy azy ny olona iray, alohan’ny hanombohany ny fanompoana manontolo andro manokana. Tsy ny rehetra akory no afaka manao azy io. Mety tsy hahafahana hanao izany ireo adidy araka ny Soratra Masina efa ananan’ny olona iray. Ahoana anefa ny amin’ireo izay efa ao amin’ny fanompoana manokana, raha manan-javatra ilaina maika ny mpianakaviny, angamba mahakasika ray aman-dreny be taona? Manome ny tari-dalana ilaina ireo foto-pitsipika sy torohevitra ara-baiboly toy izao manaraka izao.
Tokony hifantoka amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fiainantsika manontolo. (Mpitoriteny 12:13; Marka 12:28-30). Tokony hoheverina ho sarobidy ireo zavatra masina nankinina tamintsika. (Lioka 1:74, 75; Hebreo 12:16). Ny lehilahy iray izay nila nanova ireo zavatra nomeny ny laharam-pahamehana, dia nilazan’i Jesosy, indray mandeha, fa ny fanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra no tokony haharevo azy tanteraka. Miharihary fa nikasa hanemotra an’io asa io ho aorian’ny hahafatesan’ny rainy ilay lehilahy. (Lioka 9:59, 60). Tetsy an-danin’izany, dia nabaribarin’i Jesosy ny fiheveran-dison’ireo rehetra nihambo ho efa nanokana ny zava-drehetra ho an’Andriamanitra, ka ‘tsy nanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny’. (Marka 7:9-13). Nasehon’ny apostoly Paoly koa fa andraikitra lehibe ny famelomana ‘ny an’ny tena’, anisan’izany ny ray aman-dreny sy ny raibe sy ny renibe. — 1 Timoty 5:3-8.
Midika ve izany fa rehefa misy zavatra ilaina maika, dia tokony handao ny asa nanendrena azy, ireo ao amin’ny fanompoana manokana, mba hahafahany hikarakara izany? Anton-javatra maro no misy akony eo amin’izay ho valin’izany. Ny isam-batan’olona no tompon’ny fanapahan-kevitra. (Galatiana 6:5). Tsy vitsy no nihevitra fa, na dia tiany aza ny asa nanendrena azy, dia ho fahendrena ny hiarahany amin’ny ray aman-dreniny mba hanomezana azy ireo ny fanampiana ilainy. Nahoana? Mety ho tena lehibe ny zavatra nilain’ireo ray aman-dreniny, ary tsy nisy mpianakavy hafa afaka nitondra fanampiana, na mety ho tsy afaka nanao izay nilaina ny kôngregasiôna teo an-toerana. Ny sasany kosa dia sady afaka nanao ny asan’ny mpisava lalana no nitondra fanampiana karazan’izany. Nisy hafa koa afaka nanomboka indray ny fanompoana manontolo andro manokana, rehefa voakarakara ilay toe-javatra nisy teo anivon’ny fianakaviana. Tamin’ny tarehin-javatra maro anefa, dia azo natrehina tamin’ny fomba hafa ilay toe-javatra.
Fiantsorohana ny andraikiny
Rehefa nisy zavatra nilaina maika, ny sasany ao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana dia afaka nikarakara azy ireny, kanefa tsy nandao ny asa nanendrena azy. Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy amin’ireo maro be efa nisy.
Tamin’ny 1978, dia nisantatra ny fanompoana tao amin’ny Betela ny mpivady iray manompo ao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa avy nandray anjara tamin’ny asan’ny fizaran-tany sy ny distrika. Mahafaoka andraikitra mavesatra ao anatin’ny fandaminana teokratika ny asa nanendrena ilay rahalahy. Nila fanampiana koa anefa ny ray aman-dreniny. Intelo na inefatra isan-taona io mpivady betelita io no nanao fitsidihana — 3 500 kilaometatra eo ho eo, mandroso sy miverina — mba hikarakarana ireo ray aman-dreniny. Izy ireo mihitsy no nanorina trano mba hanomezana izay nilain’ny ray aman-dreniny. Nisy dia nataon’izy mivady mba hikarakarana ireo zavatra nilaina maika teo amin’ny lafiny ara-pitsaboana. Saika nampiasainy mba hisahanana an’io andraikitra io avokoa ny fotoam-pialan-tsasatra rehetra nananany, tao anatin’ny 20 taona teo ho eo. Tia sy manome voninahitra ireo ray aman-dreniny izy ireo, kanefa sarobidy aminy koa ilay tombontsoam-panompoana masina ananany.
Efa tao amin’ny asa fitetezam-paritany nandritra ny 36 taona ny rahalahy hafa iray, no tojo izay nolazainy ho iray tamin’ireo zava-tsarotra indrindra nodiaviny teo amin’ny fiainany. Ny rafozambaviny, 85 taona, izay mpanompo mahatokin’i Jehovah, dia nila olona hiara-mipetraka taminy mba hanampy azy. Tamin’izay fotoana izay, ny ankamaroan’ireo zanany dia nihevitra fa tsy hety ny hakana azy hiara-mipetraka amin’izy ireo. Nilaza tamin’ilay mpiandraikitra mpitety faritany ny iray tamin’ireo havany fa tokony hiala amin’io fanompoany io izy mivady, ka hikarakara an-dreniny, ho tombontsoan’ny fianakaviana. Tsy niala tamin’ilay fanompoany sarobidy anefa izy mivady, kanefa koa tsy nanamaivana ireo zavatra nilain’ilay reniny. Saika teo amin’izy mivady foana izy io nandritra ireo sivy taona nanaraka. Nipetraka tamin’ny trano azo afindra izy ireo tamin’ny voalohany, ary tao amin’ny trano samihafa nomen’ireo fizaran-tany kosa nony avy eo. Nandritra ny fotoana lava dia lava, dia nandeha hatrany nanao ny asa nanendrena azy ilay rahalahy, izay efa mpiandraikitra ny distrika tamin’izay, fa niara-nijanona tamin’ilay reniny kosa ny vadiny mba hikarakara azy io amim-pitiavana sy manontolo andro. Isan-kerinandro, aorian’ireo fivoriana alahady, dia nanao dia lavitra niverina ilay rahalahy mba hanampiana azy mianaka. Maro no nahatakatra ilay toe-javatra, ka naneho fankasitrahana lalina ny amin’izay nataon’io mpivady io. Tatỳ aoriana, dia nisy mpianakavy hafa koa nahatsiaro ho voatosika hitondra fanampiana. Vahoakan’i Jehovah an’arivony maro no manohy mandray soa amin’ny fanompoan’io mpivady be fandavan-tena io, noho izy ireo nifikitra hatrany tamin’ilay tombontsoany, dia ny fanompoana manontolo andro manokana.
Fiaraha-miasan’ny mpianakavy
Rehefa mahatakatra ny hasarobidin’ny fanompoana manontolo andro manokana ny mpianakavy samihafa, dia azon’izy ireo atao ny miara-miasa, ka, fara fahakeliny, dia afaka mandray anjara amin’izy io ny sasany aminy.
Nanampy mpivady kanadianina iray, misionera atsy Afrika Andrefana, izany toe-tsaina mandala ny fiaraha-miasan’ny mpianakavy izany. Tsy niandry mandra-pahatongan’ny fotoana hisian’ny zavatra ilaina maika izy ireo, ka hanantena fotsiny hoe tsy hisy na inona na inona hitranga. Talohan’ny nandehanan’izy ireo tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, ho fiomanana ho amin’ny fanompoana any ivelan’ny taniny, dia niara-nidinika tamin’ny zandriny lahy ilay rahalahy. Nodinihin’izy ireo tamin’izany ny fikarakarana ilay reniny, raha sanatria ka manjary marary na malemy izy io. Hoy ilay zandriny, noho ny fitiavany an-dreniny sy noho ny fahatakarana ny hasarobidin’ny asa misionera: “Manam-bady aman-janaka aho izao. Sady tsy afaka mandeha lavitra be aho no tsy afaka manao ny zavatra azonareo atao. Koa raha misy zava-mitranga amin’i Mama, dia izaho no hikarakara azy.”
Ny mpivady iray manompo any Amerika Atsimo, dia nahazo fanohanana betsaka avy tamin’ny havan’ilay anabavy, teo amin’ny fikarakarana an-dreniny izay efa nihantitra. Ny iray tamin’ireo rahavaviny sy ny vadin’izy io no nikarakara ilay reniny, mandra-pahafatin’ilay rahavaviny, izay namoy ny ainy tamin’ny aretina iray. Dia ahoana avy eo? Mba tsy hahabe ny fanahiana, dia nanoratra toy izao ilay zaodahiny: “Raha mbola velona koa aho sy ireo zanako, dia tsy ho voatery hiala amin’ny fanompoan’ny misionera mihitsy ianareo.” Nisy fanampiana hafa koa avy tamin’ny mpianakavy hafa, rehefa nandao ny fonenany ny rahavaviny hafa iray sy ny vadin’izy io, ka nifindra tao amin’izay nisy ilay reniny, mba hikarakara azy io, ary izany no nataon’izy ireo mandra-pahafatin’ilay reniny. Izany ka toe-tsaina tsara dia tsara mampiseho fiaraha-miasa! Samy nitondra fanampiana ho fanohanana ny fanompoan’ny misionera izy rehetra.
Ray aman-dreny izay manome an-tsitrapo ho an’i Jehovah
Mazàna ny ray aman-dreny no mampiseho fankasitrahana miavaka ny fanompoana masina. Ny zanany naterany no fananany sarobidy indrindra azony anomezam-boninahitra an’i Jehovah. (Ohabolana 3:9). Ray aman-dreny kristianina maro no mampirisika ny zanany hirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro. Ny sasany amin’izy ireny dia mitovy fihetseham-po amin’i Hana, izay nanome an’i Samoela zanany ho an’i Jehovah, ho amin’ny fanompoana Azy “mandrakizay”, izany hoe, “amin’ny andro rehetra hiainany”. — 1 Samoela 1:22, 28.
Nanoratra toy izao ho an’ny zanany vavy atsy Afrika ny reny iray toy izany: “Misaotra an’i Jehovah izahay noho ny tombontsoa mahatalanjona anananao. Inona indray moa no tadiavinay mihoatra noho izany!” Hoy izy, indray mandeha: “Marina fa sorona ho anay ny fisarahana aminao, kanefa, akory ny hafalianay mahita ny fomba ikarakaran’i Jehovah anao!”
Nanoratra toy izao ny misionera iray any Ekoatera, rehefa avy nandinika indray ireo toe-javatra maro samihafa niseho teo am-pikarakarana ny zavatra nilain’ny ray aman-dreniny zokiolona: “Heveriko fa ny vavaka nataon’ny raiko no fanampiana lehibe indrindra nety ho azonay mivady. Nilaza toy izao taminay ny reniko, taorian’ny nahafatesan’ny raiko: ‘Tsy nisy andro tsy nivavahan-drainareo tamin’i Jehovah mba hamelany anareo mivady hitoetra amin’ny asa nanendrena anareo.’ ”
Faly ny mpivady zokiolona iray any Kalifornia, any Etazonia, satria ao amin’ny fanompoana manontolo andro ny iray amin’ireo zanany lahy. Tany Espaina io zanany lahy io sy ny vadiny fony maty ny reniny. Nihevitra ny mpianakavy hafa fa nilaina ny nanao fandaharana mba hikarakarana ilay ray. Sahirana tamin’ny asany sy ny fanabeazana ny zanany anefa izy ireo, ka nihevitra izy ireo fa tsy ho afaka hiantsoroka izany andraikitra izany. Ilay mpivady ao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana kosa no nampirisihin’izy ireo mafy, mba hiverina hody sy hikarakara ilay ray. Na dia efa 79 taona aza anefa ilay ray, dia mbola salama tsara, ary natsilo koa ny fahitany ara-panahy. Rehefa avy naneho ny heviny ny olona maro samihafa, tao amin’ny fivoriam-pianakaviana iray, dia nitsangana ilay ray ka nilaza toy izao tamin’ny fomba hentitra: “Tiako hiverina any Espaina sy hanohy ny asany ry zareo.” Niverina tokoa izy ireo, kanefa koa dia nanampy azy tamin’ny fomba azo notsapain-tanana. Ao amin’ny asan’ny fizaran-tany any Espaina ny asa anendrena azy ireo amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’iny fivoriam-pianakaviana iny, dia nampiseho fankasitrahana an’izay ataon’izy mivady manompo any an-tany hafa, ireo mpianakaviny hafa. Rehefa taona maromaro no lasa, dia nandray ilay ray hipetraka tao aminy ny iray tamin’ireo zanany hafa, mba hikarakara ilay ray hatramin’ny fotoana nahafatesany.
Tany Pennsylvanie, any Etazonia, ny rahalahy voahosotra iray izay nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 40 taona teo ho eo, dia efa maherin’ny 90 taona fony narary mafy ny vadiny ka maty. Nanana zanakalahy iray sy zanakavavy telo izy, ankoatra ireo zanaka ara-panahy maro be. Tao amin’ny fanompoana manontolo andro efa hatramin’ny 40 taona mahery ny iray tamin’ireo zanany vavy, ka niara-nanompo tamin’ny vadiny tamin’ny naha misionera, sy tao amin’ny asa fitetezam-paritany, ary tao amin’ny Betela. Nanampy teo amin’ny fanaovana fandaharana mba hikarakarana an-drainy araka ny tokony ho izy, ilay anabavy. Nanampy teo amin’ny fitondrana an-drainy nankany amin’ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, koa ireo rahalahy teo an-toerana. Tatỳ aoriana, taorian’ny nahafatesam-badiny, dia nanontany an-drainy izy raha tiany ny hialany ao amin’ny Betela mba hikarakarana azy. Nihevitra ho sarobidy ny zavatra masina ilay rainy, ary nihevitra izy fa azo nokarakaraina tamin’ny fomba hafa ny zavatra nilainy. Hoy no navaliny: “Izany no zavatra ratsy indrindra azonao atao, ary vao mainka ho ratsy lavitra aza raha izaho no mamela anao hanao izany.”
Kôngregasiôna tia manohana
Ny kôngregasiôna sasany dia nanampy be dia be teo amin’ny fikarakarana ireo ray aman-dreny mihantitra, izay manan-janaka ao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana. Ankasitrahan’izy ireny indrindra ireo izay nanokana taona maro ho amin’izany fanompoana izany. Na dia tsy afaka manafaka azy ireo amin’ny andraikiny araka ny Soratra Masina aza ireny kôngregasiôna ireny, dia manao zavatra betsaka izy ireny mba hahamaivana ilay andraikitra mavesatra. Mety tsy hilaina mantsy amin’izay ny hialan’ireo zanaka amin’ny asa manokana nanendrena azy.
Nahazo fanendrena tany an-tany hafa, nandritra ny 17 taona teo ho eo, ny mpivady iray avy any Alemaina, ka ny ankamaroan’izany fotoana izany dia tao amin’ny asa fitetezam-paritany. Tamin’izay indrindra anefa no nitombo ny zavatra nilain’ny renin’ilay rahalahy. Isan-taona dia nampiasain’izy mivady hanampiana azy io ny fotoam-pialan-tsasany. Nitondra fanampiana feno fitiavana koa ireo mpiara-monina Vavolombelona. Avy eo, fony tany amin’ilay reniny izy mivady mpanompo manontolo andro, tao anatin’ny fotoana iray tena nilana ny hanapahan-kevitra, dia nanao fandaharana ny hihaona tamin’izy mivady ireo loholon’ilay kôngregasiôna teo an-toerana. Fantatr’izy ireo tsara ny zavatra nataon’izy mivady tsy tapaka ho an’ilay reniny. Takatr’izy ireo koa anefa ny hasarobidin’ny fanompoana manokana ataon’io mpivady io. Koa nanolotra fandaharam-pikarakarana an’ilay reny ireo loholona, ary nilaza toy izao avy eo: “Tsy afaka mikarakara azy mihoatra noho izao ataonareo izao ianareo; hanampy anareo izahay mba hahafahanareo hitoetra amin’ny asa nanendrena anareo any Espaina.” Tao anatin’ny fito taona lasa, dia nanohy nanao toy izany ireo loholona ireo.
Toy izany koa, ny rahalahy iray manompo any Sénégal efa hatramin’ny 1967, dia nahazo fanohanana be dia be sy feno fitiavana, avy tamin’ny kôngregasiôna tao amin’ilay toerana nipetrahan’ny rainy. Rehefa nisy zava-tsarotra, dia nandeha irery nankany Etazonia mba hanampy ny ray aman-dreniny ilay rahalahy, ary nanaiky izany an-tsitrapo ny vadiny mba ho fiaraha-miasa aminy. Hitan’ilay rahalahy fa nilaina ny nijanona tany nandritra ny volana maromaro. Sarotra ilay tarehin-javatra. Rehefa nanao izay azony natao anefa izy, dia niditra an-tsehatra ny kôngregasiôna ka nanampy mba hahafahany hanohy hanompo amin’ny maha misionera. Tao anatin’ny fe-potoana naharitra 18 taona teo ho eo, dia nanome fanampiana feno fitiavana tamin’ny fomba tsy hita isa, ilay kôngregasiôna. Ilay ray aloha no nanaovany izany (na dia efa tsy nahafantatra intsony ny maro tamin’izy ireo aza izy io), ary ilay reny indray avy eo. Nanafaka andraikitra an’ilay zanaka ve izany? Tsia; mazàna izy no nanao dia avy tany Sénégal ary nampiasa ny fotoam-pialan-tsasany mba hanomezana ny fanampiana rehetra azony natao. Maro ao amin’io kôngregasiôna io anefa no finaritra satria fantany fa matoa tafatoetra ao amin’ny fanompoana manontolo andro manokana any Sénégal ny mpivady miasa mafy iray, dia satria anisan’ny nitondra ny anjara birikiny nahatonga izany izy ireo.
Nilaza i Jesosy fa ireo izay nahafoy ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara dia hanjary hanana rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka, avo zato heny. (Marka 10:29, 30). Marina tokoa izany eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah. Niaina izany tamin’ny fomba manokana ny mpivady iray manompo ankehitriny any Bénin, atsy Afrika Andrefana, rehefa nilaza tamin’izy ireo mba tsy hanahy momba ny ray aman-dreniny ny Vavolombelona roa tao amin’ny kôngregasiônan’ny ray aman-dreniny. Hoy ny teny nanampin’izy ireo: “Ray aman-dreninay koa ny ray aman-dreninareo.”
Eny, misy fomba maro azontsika ampisehoana fa mihevitra ho sarobidy ny tombontsoam-panompoana masina isika. Misy fomba mety ho azonao anaovana izany amin’ny fomba feno kokoa ve?
[Sary, pejy 26]
Nanao izay hahafahany hirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro manokana izy ireo