Aza Avela Hanjary ho Fahalemenao ny Tanjakao
Noheverina ho tsy nety rendrika ilay sambo Titanic fatratra dia fatratra, nisy efitra 16 tsy tantera-drano. Tamin’ny diany voalohany tamin’ny 1912, dia tokony ho ny antsasaky ny isan’ny lakan’aina nilaina monja no nentin’izy io. Nidona tamin’ny vongan-dranomandry lehibe iray ilay sambo, ka rendrika, ary ain’olona maherin’ny 1 500 no nafoy.
KOMANDÀN’NY miaramila faran’izay nahay i Ozia, mpanjakan’ny Isiraely fahiny, izay natahotra an’Andriamanitra. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia nandresy ny fahavalony rehetra izy. “Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.” Avy eo anefa “dia niavonavona ny fony, ka (...) nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny”, izy. Noho ny fiavonavonan’i Ozia, dia voan’ny habokana izy. — 2 Tantara 26:15-21; Ohabolana 16:18.
Ireo fitantarana roa ireo dia mampianatra antsika fa raha tsy ampifandanjaina amin’ny fahendrena sy ny fiheveran-tena araka ny antonony ary ny fanetren-tena ny tanjaka, dia hanjary ho fahalemena na hiteraka fahavoazana mora foana. Mampieritreritra tokoa lahy izany, satria samy manana tanjaka na fahaizana sasany avy, ny tsirairay amintsika, ary irintsika izany mba ho harena mahasoa sy ho loharanom-pifaliana ho an’ny tenantsika sy ny hafa, indrindra fa ho an’ny Mpamorona antsika. Eny tokoa, tokony hampiasa amin’ny fomba feno izay fanomezan’Andriamanitra rehetra mety hananantsika isika, no sady hitantana azy tsara, mba hitoerany ho harena mahasoa hatrany.
Ohatra, ny olona iray izay tia aoka izany ny asany dia mety hanova mora foana io lafin-toetra tsara io ho fahalemena, raha tonga adalan’asa. Ny olona iray mahay mitandrina dia mety tsy ho voafitaka na voambaka mora foana, nefa mety hitandrina loatra izy, ka tonga hatramin’ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra mihitsy. Toetra tsara dia tsara koa ny fahaiza-miasa mahomby, nefa raha tafahoatra izy io, ka hanadinoana fa olombelona ihany no ifampiraharahana, dia mety hiteraka rivo-piainana tsy misy fihetseham-po na fileferana, izay tsy hahitana fifaliana. Koa makà àry fotoana mba hisaintsainana ireo lafin-toetra mampahatanjaka ny tenanao manokana. Mampiasa azy ireo tsara ve ianao? Fitahiana ho an’ny hafa ve izy ireo? Ambonin’izany rehetra izany, mampiasa azy ireo mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny “fanomezan-tsoa rehetra”, ve ianao? (Jakoba 1:17). Mba hanaovana izany, dia aoka isika handinika akaiky kokoa ohatra vitsivitsy hafa momba ny tanjaka, izay mety ho lasa fahalemena, eny hiteraka fahavoazana mihitsy aza, raha tsy voafehy.
Ampiasao amim-pahendrena ny fahaizana ara-tsaina
Azo antoka fa harena tsara dia tsara ny fahakingan-tsaina. Na dia izany aza, dia mety hanjary ho fahalemena izy io, raha mitarika ho amin’ny fatokisan-tena tafahoatra, na mahatonga antsika hihevi-tena ho zavatra, indrindra fa raha midera antsika be loatra na mandoka antsika ny hafa. Na, mety hanjary ho ny saina fotsiny no miasa, rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky fianarana miorina amin’ny Baiboly, isika.
Mety hiseho amin’ny fomba maro samihafa ny fatokisan-tena tafahoatra. Ohatra, rehefa mahazo anjara lahateny iray ao amin’ny kôngregasiôna kristianina ny olona iray kinga saina, angamba lahateny ampahibemaso, na lahateny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika izany, dia mety ho antomotra be ny fotoana hanaovana azy vao hanao fanomanana izy, angamba tsy hivavaka akory aza izy mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah. Mitoky amin’ny tahirim-pahalalana ananany sy ny fahaizany mieritreritra eo no ho eo kosa izy. Mandritra ny fotoana kelikely, dia mety hanarona ny fanaovany tsirambina ny fahaizany voajanahary, nefa hihamiadana, na angamba hitsahatra mihitsy aza, ny fandrosoany ara-panahy, raha tsy eo ny fitahiana feno avy amin’i Jehovah. Fahaizana tsara dia tsara verivery fotsiny izany! — Ohabolana 3:5, 6; Jakoba 3:1.
Ny olona iray matsilo saina koa dia ny saina fotsiny no miasa, rehefa mianatra ny Baiboly sy ireo boky fianarana ny Baiboly. Kanefa, ny fahalalana toy izany dia “mampieboebo” fotsiny, na mampibontsina ilay olona ho tahaka ny baolina fingotra; tsy “mampandroso” ny fifandraisana kristianina anjakan’ny fitiavana izany. (1 Korintiana 8:1; Galatiana 5:26). Etsy an-danin’izany kosa, ny lehilahy araka ny fanahy, dia mivavaka sy mitoky amin’ny fanahin’Andriamanitra foana, na manao ahoana na manao ahoana fahaizany ara-tsaina. Vao mainka aza ho harena ny tanjany, rehefa mitombo fitiavana, fanetren-tena, fahalalana, ary fahendrena izy — ka mifandanja amin’ny fomba mahafinaritra ireo rehetra ireo. — Kolosiana 1:9, 10.
Hanjary ho fahalemena koa ny fahaizana, raha mahatonga antsika hihevi-tena ho zavatra, ka hampiharihary tsy fisian’ny fiheveran-tena araka ny antonony. Ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1974 (frantsay), dia miresaka momba ny rahalahy iray tao amin’ny toby fitanana alemà iray, izay nanana fitadidiana niavaka. “Tamin’ny voalohany, ny fahaizany nitadidy sy nizara tamin’ny hafa ny zavatra nianarany, dia loharanom-pampaherezana ho an’ireo rahalahy. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanjary toy ny sampy izy, ka noheverina ho ‘ilay zava-mahatalanjon’i Buchenwald’, ary ny teniny, eny, fa na dia ny heviny manokana aza, dia noheverina ho tsy azo notoherina.” Tamin’izay fotoana izay, dia noheverina ho fahavalo ireo izay tsy niombon-kevitra taminy, na dia tao am-pigadrana noho ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah aza izy ireo!
Mazava fa io olona nanam-pahaizana manokana io — sy ireo izay nanindrahindra fatratra azy — dia nanadino fa “tsy mety mijery izay manao azy ho hendry” i Jehovah, na dia mety ho manam-pahaizana aza izy ireo. (Joba 37:24). “Ao amin’ny manetry tena no misy fahendrena”, hoy ny Tenin’Andriamanitra. (Ohabolana 11:2). Nilaza toy izao tamin’ireo Korintianina ny apostoly Paoly, na dia nahira-tsaina be sy nahita fianarana aza izy: “Izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka, (...) izaho, raha tany aminareo, dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; ary ny teniko sy ny tori-teniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.” — 1 Korintiana 2:1-5.
Ny olona tena hendry dia tsy voafitaky ny fomba fijerin’ity tontolo ity momba ny fahaizana ara-tsaina, na voafitaky ny famaritany ny atao hoe fahombiazana. Koa tsy mampiasa ny fahaizany mba hahazoana dera avy amin’ny olona na mba hanangonana harena eo amin’izao tontolo izao àry ny olona tena hendry, fa manome ny tsara indrindra avy aminy ho an’Ilay nanome azy ny fiainany sy ny fahaizany kosa. (1 Jaona 2:15-17). Mba hanaovana izany, dia mihazona ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany izy, ka manjary tahaka ny ‘hazo mamoa, izay ambolena eo amoron’ny rano velona’. Noho ny fitahian’i Jehovah, fa tsy noho ny fahaizany voajanahary, dia ‘lavorary avokoa ny asany rehetra’. — Salamo 1:1-3; Matio 6:33.
Aoka hanampy ny tanjakao ny fanarahana ny fivavahana kristianina
Efa be dia be aoka izany ny toetra tsara mampiavaka ny Kristianisma, hany ka toa vasoka ny an’ny filôzôfia araka an’izao tontolo izao, raha oharina amin’ny azy. Ny fomba fiaina kristianina, ohatra, dia mahatonga ny olona ho vady tsara indrindra, sy ho mpiara-monina tsara indrindra, ary ho mpiasa tsara indrindra — olona izay milaza sy manao ny marina, mahay manaja, tia fihavanana, ary mazoto. (Kolosiana 3:18-23). Fanampin’izany, ny fampiofanana kristianina mba handaha-teny sy hampianatra dia manatsara ny fahaizana miresaka tsara. (1 Timoty 4:13-15). Tsy mahagaga àry raha mazàna no irin’ireo mpampiasa azy hahazo andraikitra sy fisondrotana fanampiny ny Kristianina. Mety hampiasaina amin’ny fomba ratsy koa anefa ny tanjaka toy izany, raha tsy tandremana tsara. Ny fisondrotana na ny fanolorana asa manintona dia mety hidika ho toy ny fanoloran-tena ho an’ilay kompania, ka tsy ahafahana mamonjy tsy tapaka ireo fivoriana kristianina, na anaovana sorona fotoana sarobidy tokony hiarahana amin’ny fianakavian’ny tena.
Tany Aostralia, ny loholona kristianina sady raim-pianakaviana iray, izay mpandraharaha nahita fahombiazana be koa, dia nety ho “afaka nilomano tamin’ny harena”, araka ny fitenenana. Kanefa, nanda ilay fakam-panahy ny hahomby eto amin’ity fandehan-javatra ity izy. “Naniry handany fotoana bebe kokoa miaraka amin’ny fianakaviako sy eny amin’ny fanompoana kristianina aho”, hoy izy. “Koa nifanaraka izahay mivady fa hahenako amim-pahamalinana ny habetsaham-potoana laniko amin’ny asako. Nahoana aho no hiasa dimy andro isan-kerinandro, raha tsy mila izany akory?”, hoy ny nanampiny. Tamin’ny fanaovana fanitsiana voahevitra tsara sasantsasany teo amin’ny fiainany, io loholona io dia nahita fa mbola afaka nikarakara ny fianakaviany ihany izy, tamin’ny fiasana telo na efatra andro isan-kerinandro. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nasaina handray anjara tamin’ny tombontsoam-panompoana hafa izy, toy ny fanompoana tao amin’ny Komitin’ny Efitrano Fivoriambe teo an-toerana sy tao amin’ny fitantanan-draharahan’ny fivoriamben’ny distrika. Rehefa nampiasaina tamim-pahendrena ny tanjaka nananany, dia nitondra fifaliana sy fahafaham-po ho an’ny tenany sy ny fianakaviany.
Fihetsika voalanjalanja manoloana ny tombontsoa
Ampirisihina mba hiezaka handroso ho amin’ny tombontsoam-panompoana ao amin’ny kôngregasiôna ny lehilahy kristianina. “Raha misy olona [miezaka handroso ho amin’ny, NW ] asan’ny [mpiandraikitra, NW ] [na mpanampy amin’ny fanompoana], dia maniry asa tsara izy.” (1 Timoty 3:1). Toy ireo toetra tsara izay efa noresahina teo ihany, dia mila ny hampifandanjaina amin’ny fahaiza-mitsara zavatra koa ny fahavononana handray andraikitra. Tsy tokony hisy olona hiantsoroka andraikitra maro be aoka izany, ka hamoy ny fifaliany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Eny, mendri-piderana ny fananana toe-tsaina vonona hanampy, ary tena ilaina tokoa, satria tsy mankasitraka ny fihetsika mampiseho fitsitsian-tena i Jehovah; saingy tsy maintsy ahitana taratry ny fiheveran-tena araka ny antonony sy ny “saina mahay mitsara zavatra” ny fahavononana hanampy. — Titosy 2:12, NW; Apokalypsy 3:15, 16.
Ny fahalemem-panahy sy ny fahaiza-mahataka-javatra ary ny fahamailahana hahita izay ilain’ny hafa, nananan’i Jesosy, dia nahatonga, na dia ireo olona ambany indrindra aza, tsy ho sanganehana teo anatrehany. Toy izany koa ankehitriny fa tsy sanganehana ny olona miaraka amin’ireo izay mahay miombom-pihetseham-po amin’ny hafa sy be fiahiana. Ao amin’ny kôngregasiôna kristianina, ny loholona mahay mandray olona sy mora hatonina toy izany dia tena ‘lehilahy natolotra ho fanomezana’ sarobidy tokoa. Izy ireo dia “ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana”. — Efesiana 4:8, NW; Isaia 32:2.
Ireo loholona anefa dia tsy maintsy mampifandanja ny fotoana laniny hanampiana ny hafa, amin’ny fotoana ilainy hianarana manokana, hisaintsainana, hivavahana, ary hanaovana fanompoana ampahibemaso. Mazava ho azy fa mila manokana fotoana ho an’ny fianakaviany koa ireo loholona manambady, ka ireo indrindra no tokony hahatsapa fa mora hatonina izy.
Vehivavy mahay — Fitahiana mahatalanjona
Tahaka ireo loholona mahay, dia harena tsara dia tsara ho an’ny fandaminan’i Jehovah koa ny vehivavy mirona ho amin’ny zavatra ara-panahy. Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy dia manana fahaizana voajanahary haneho fiheverana ny hafa — toetra izay heverin’i Jehovah ho sarobidy sy ampirisihany hananana. ‘Manehoa fiheverana, tsy ny raharahan’ny tenanao manokana ihany, fa ny an’ny hafa koa’, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly. (Filipiana 2:4, NW ). Kanefa, misy fetrany io ‘fanehoana fiheverana’ io, satria tsy hisy Kristianina haniry ho ‘mpiraharaha ny an’ny olona’, na ho mpiresaka olona. — 1 Petera 4:15; 1 Timoty 5:13.
Manana fahaizana voajanahary maro hafa ny vehivavy. Ny vehivavy kristianina, ohatra, dia mety hahira-tsaina kokoa noho ny vadiny. Na dia izany aza, noho izy “vehivavy mahay”, izay matahotra an’i Jehovah, dia hanaja ny vadiny izy, ka hampiasa ny fahaizany voajanahary mba hamenoana ny an’ny vadiny, fa tsy hifaninanana aminy. Ary tsy hialona na ho tezitra amin’ny vadiny kosa ny lehilahy hendry sy manetry tena, fa hankamamy ny tanjaky ny vadiny sy hifaly noho izany. Hampirisika ny vadiny hampiasa ny fahaizany amin’ny fomba feno ny lehilahy, mba hampiorenana ny ankohonany sy hanampiana ny zanany ‘hatahotra an’i Jehovah’, tahaka ny ataon’ny tenany. (Ohabolana 31:10, 28-30, fanamarihana ambany pejy; Genesisy 2:18). Ny mpivady mihevi-tena araka ny antonony sy manetry tena toy izany dia ho sambatra ao amin’ny fanambadiana izay tena manome voninahitra an’i Jehovah.
Fifehezan’ireo izay fatra-pampihatra fahefana ny toetrany
Ny olona iray fatra-pampihatra fahefana dia manana harena tsara dia tsara, raha toa izany toetrany izany ka ampiarahiny amin’ny fahitsiana sy ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah amin’ny fanahy rehetra, ary koa halefahin’ny fanetren-tena sy ny fiheveran-tena araka ny antonony. Kanefa, afaka ny hanjary ho fahalemena izy io, raha mahatonga ny olona iray hanjakazaka na hampitahotra ny hafa. Marina indrindra izany eo anivon’ny kôngregasiôna kristianina. Tsy tokony hahatsiaro ho matahotahotra ny Kristianina, rehefa miaraka amin’izy samy izy, toy izany koa rehefa miaraka amin’ireo loholon’ny kôngregasiôna. — Matio 20:25-27.
Ireo loholona indray kosa dia tsy tokony hahatsiaro hatahotahotra eo amin’ny fiarahan’izy samy izy. Ary rehefa miara-mivory izy ireo, dia ny fanahy masina, fa tsy ny fampiharany ny fahefany, no tokony hanan-kery eo amin’ny fanapahan-keviny. Eny tokoa, ny fanahy masina dia afaka manan-kery eo amin’ny loholona na iza na iza ao amin’ilay fitambaran-doholona, na ilay zandriny indrindra izany, na ilay tsy be teny indrindra. Koa ireo fatra-pampihatra fahefana àry, na dia rehefa mihevitra aza izy ireo fa marina ny azy, dia tokony hifehy ny tanjany, amin’ny fianarana ny fahaizana manaja ny hevitry ny hafa, ka ‘hanome voninahitra’ ny loholona namany. (Romana 12:10). Mampitandrina amin-katsaram-panahy toy izao ny Mpitoriteny 7:16: “Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao?”
I Jehovah, ilay Loharanon’ny “fanomezan-tsoa rehetra”, dia hifehy ireo tanjaka mahatahotra ananany, amin’ny fomba lavorary. (Jakoba 1:17; Deoteronomia 32:4). Ary izy no Mpampianatra antsika! Koa aoka àry isika hianatra avy aminy sy hiezaka mafy, mba hampitomboana ny fahaizantsika voajanahary, na ny tanjaka ananantsika, sy mba hampiasana azy ireny amim-pahendrena sy amim-piheveran-tena araka ny antonony ary amim-pitiavana. Ho fitahiana ho an’ny hafa mihitsy isika amin’izay!
[Sary, pejy 27]
Miankina amin’ny fianarana sy ny fianteherana amin’i Jehovah amim-bavaka ny fandrosoana ara-panahy
[Sary, pejy 29]
Fitahiana ny fiahiana manokana omban’ny fiheveran-tena araka ny antonony
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Courtesy of The Mariners’ Museum, Newport News, VA