Aoka isika hampitombo ny fahombiazan’ny fanompoantsika
1 Koa satria isika manome ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana ny toerana voalohany, dia tokony haniry hahay eo amin’ny fanompoana ka hihevitra izany ho toy ny anton’asantsika. (Marka 13:10). Na firy na firy ny taom-pitoriana niasantsika dia tiantsika ny hanohy hampitombo ny fahombiazan’ny fanompoantsika. Ahoana no ahafahantsika manao izany?
2 Maro ny olona izay miezaka tsy tapaka ny hanavao ny fahalalany sy ny fomba fiasany mba hahombiazana eo amin’ny asa ataony. Tafiditra amin’izany indraindray ny fomba hahafahany mivelona. Amin’ny maha-minisitra tia manao ny tsara antsika dia tokony hampiseho hafanam-po mitovy amin’izany isika amin’ny fanatsarana ny fahaizantsika manao mpianatra sy mampianatra ny hafa momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ilaintsika ny manavao ny fomba fiasantsika mba hanairana ny fahalianan’ny karazan’olona rehetra.—Matio 28:19, 20.
Aoka isika hisetra ny zava-tsarotra
3 Noho Jehovah manafaingana ny fanangonana ny “ondry”, dia maro be amintsika no tonga matetika kokoa any am-baravaran’ny olona ao amin’ny faritany. Noho ireo mpitory tsotra sy mpitory maharitra maro be nanampy isa dia mitombo ny asa fanambarana, ka misy vokany eo amin’ny fomba fandraisan’ny olona izany hatrany hatrany. Noho izany, ny fomba fitory mandaitra tamin’ny fotoana sasany dia mety tsy ho toy izany intsony amin’izao andro izao. Angamba isika mila manatsara ny toetry ny fanompoantsika.
4 Raha tiantsika marina tokoa ny hahomby amin’ny asantsika, dia ilaina ny manana fihetsika manorina hatrany rehefa mifanakalo hevitra amin’ny olona. Amin’izay lafiny izay, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1988 dia nanome fanoloran-kevitra azo ampiharina tsara tsara arahina. Ny fehintsoratra faha-6 ao amin’ny pejy faha-16, ohatra, dia mampiseho karazana fampidiran-dresaka amim-pitiavana sy mafana mety any amin’ireo faritany iasana isan-kerinandro izay ahalalan’ny olona tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny fehintsoratra faha-5 ao amin’io pejy io ihany dia manazava koa ny fomba hanatonana ny olona iray izay nilaza toy izao tamin’ny herinandro lasa: “Tena mpivavaka aho ary manome izay ilaiko rehetra ara-panahy ny Fiangonako.”
5 Moa ve ianao efa nitety ny faritaninao tamin’ny fampanantenana mivantana ny hanao fampianarana Baiboly maimaimpoana any an-tokantrano? Moa ve ianao mandeha any amin’ireo faritanàna be trano fivarotana anisan’ny faritanin’ny kongregasiona misy anao? Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra dia jereo indray ireo torohevitra tsara dia tsara omena ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1988. Mety hanampy antsika hampitombo ny fahombiazan’ny fanompoantsika ny fampiharana izany fanoloran-kevitra izany.
6 Mitaky ny hanaovantsika fanambarana amin’ny fomba feno koa ny fahombiazana (Efes. 6:13). Aoka ianao ho mailaka handinika raha toa ny trano iray ka misy fianakaviana mihoatra ny iray. Ny olona sasany dia mipetraka any amin’ny efitrano ambanin’ny tany, any ambonin’ny fitoeram-piarakodia na any amin’ny toeran-kafa izay tsy eo amin’ny varavarana anoloana mivantana no miditra mankao aminy. Ataovy izay hihaonana amin’ny mpikambana samy hafa ao amin’ny fianakaviana iray, toy ny olona be taona iray izay tsy zatra ny tonga mamoha varavarana na ny olona iray izay miasa amin’ny ora fandalovantsika. Angamba amin’ny fitsidihana ireo tokantrano amin’ny ora samy hafa no hihaonanao amin’ny mpikambana hafa ao amin’ilay fianakaviana. Ny fitoriana amin’ny takariva matetika no manome fahafahana antsika hanao izany.
Ataovy zava-kendrena izany
7 Ny fampitomboana ny fahombiazan’ny fanompoantsika dia zava-kendrena iray mendri-piderana izay azon’ny ankamaroany amintsika tratrarina. Ilaintsika ny manao vavaka amim-pahatsorana amin’i Jehovah sy miomana mba hahatratrarana izany. Amin’ny fahatongavana ho mpitory mahomby kokoa hatrany dia mety ho afaka hanampy ireo namantsika koa isika mba hanao fandrosoana toy izany.—Gal. 6:6.
8 Tsarovy fa tsy hifarana miaraka amin’ny “fahoriana lehibe” akory ny asantsika fanaovana mpianatra. (Matio 24:21.) Mandritra ny taona maro no tsy maintsy hanampiantsika ireo izay hatsangana amin’ny maty mba hahafantatra ny lalan’i Jehovah. Mandritra ny Fanjakana arivo taona dia tena hahatsapa fifaliana lehibe isika hahita ireo izay ho nampianarintsika manaiky amim-pahatokiana ny Fanjakan’i Kristy. Raha mampitombo ny fahombiazantsika eo amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra isika dia hahavita fanompoana mamokatra tokoa, ho voninahitra sy ho fiderana an’i Jehovah.