Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 7 MAY
Hira 38 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana.
20 min: “Aoka hozaraintsika amin’ny hafa ireo harentsika ara-panahy”—Amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho amin-kafanam-po ny fahalalahan-tanana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia mampanaova fitantarana zava-nitranga nofidina vitsivitsy mampiseho ny fomba nahazoan’ny sasany famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ny Réveillez-vous!.
15 min: Diniho ny foto-dresaka ary manaova fampisehoana iray na roa amin’ny fampiasana ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Hira 34 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 14 MAY
Hira 49.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny Toe-bola.
20 min: “Aoka isika hanambara ny fahamarinana”—Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manaova fanadinadinana mpitory tsotra izay nanova ny fandaharam-potoanany mba ho tonga mpitory maharitra mpanampy.
15 min: “Vonona hihaino an’Andriamanitra ve ianao?”—Haseho toy ny lahateny. (wMG 1/11/89 pp. 4-7)
Hira 36 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 21 MAY
Hira 68 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny aprily 1990?
20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara: Amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Derao ireo mpitory izay mitarika fampianarana ary ampirisiho amim-pahaiza-mandanjalanja ireo izay tsy manana mba hahazoany manomboka ihany koa. Manaova fampisehoana fohy avy amin’ireo fanoloran-kevitra hita ao amin’ny fehintsoratra faha-4 sy faha-5.
15 min: “Nahoana no betsaka toy izao ny heloka bevava?”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/11/89 pp. 3-4)
Hira 50 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 28 MAY
Hira 51.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary “Vaovao teokratika”. Fandinihana ny rapaoron’asa eran’ny Nosy.
20 min: “Ry tanora, manaova zavatra amim-pahaiza-manavaka any an-tsekoly”—Fiaraha midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny tarihin’ny loholona iray. Vakio aloha ireo fehintsoratra.
15 min: “Antomotra ny faran’ny heloka bevava!”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/11/89 pp. 4-7)
Hira 66 (vaovao) sy vavaka famaranana.