Aoka isika ho tonga amin’ny fivoriamben’ny distrika 1990 “ny fiteny madio”
1 Hitondra ny lohateny hoe “Ny fiteny madio” ireo fivoriamben’ny distrika amin’ny 1990, ary asaina ho tonga amin’izany isika. Eto Madagasikara dia fivoriambe telo no omanina. Amin’ny 6 ka hatramin’ny 9 septambra no hanaovana ny eto Antananarivo ary amin’ny 20 ka hatramin’ny 23 septambra ny any Antsiranana sy Fianarantsoa.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 may 1990, pejy faha-30 sy 31.
2 Milaza toy izao ny teny ara-paminanian’i Jehovah ao amin’ny Zefania 3:9: “Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry [homeko fiteny madio, MN] ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” Amin’ity taona ity, dia tsy hanazava fotsiny ny dikan’ny hoe “fiteny madio” ny fivoriambe fa hanampy antsika koa hahatakatra hoe nahoana no zava-dehibe ny hianarana azy sy hahaizana azy tsara. Ho hitantsika koa fa ny fahalalana an’io fiteny io dia manamafy ny firaisan-tsain’ny fianakaviana iraisam-pirenen’ny mpirahalahy misy antsika.
3 AOKA ISIKA HO TONGA ALOHA: Manasa antsika hisakafo eo amin’ny latabatra ara-panahin’ny Andriamanitsika ny fandaminan’i Jehovah. Mariky ny fanajana sy ny fankasitrahana ny fahatongavana ara-potoana. Tokony ho tonga aloha àry isika isan’andro ka hipetraka alohan’ny hanombohan’ny fandaharana. Ilaintsika amin’izany ny manomana fotoana ampy mba hikarakarantsika ireo zavatra ilaina: mametraka ny fiarantsika sy mitady toerana ho an’ny fianakaviantsika.—1 Kor. 14:40.
4 Gaga ireo solontena nanatrika ny fivoriambe tany Polonina tamin’ny herintaona noho ny fitiavam-pivavahana sy ny fitiavana ary ny firaisan-kinan’ireo rahalahiny. Niharihary fa feno fankasitrahana lalina izy ireo noho ny soa ara-panahy hatolotry ny fivoriambe azy. Isa-maraina dia tonga aloha teny an-toerana izy ireo, nipetraka, ary vonona ho amin’ny hira sy ny vavaka fanombohana. Nijanona teo amin’ny toerany izy ireo hanao ny hira sy ny vavaka famaranana, ary tratra farany taorian’ny fandaharana mba handray soa amin’ny fiarahana amin’ireo rahalahiny.
5 Faka tahaka ny filaminana nanjaka. Tonga mba hihaino sy hianatra ireo rahalahintsika. Na dia ny orana nilatsaka teo ambonin’ny kianja tsy mitafon’i Poznan sy Chorzow aza dia tsy nampiala ny sainy tamin’ny fihainoana lahateny. Ny tanora tonga teo, anisan’izany ny ankizy kely, dia hendry, nangina, ary nanaraka tamim-pitandremana izay nolazaina. Niara-nipetraka ny mpikambana rehetra teo amin’ny fianakaviana tsirairay. Naneho fanajana lalina sady faka tahaka ny latabatr’i Jehovah izy ireo. Amin’ny ahoana ny ohatra nomeny no mety hanampy antsika?
6 Mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fanarahana ny ohatra tsara omen’ny hafa (2 Tes. 3:7). Na dia hafa aza angamba ny toerana misy antsika dia tiantsika koa ny handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny fivoriambentsika. Mba hisakanana ny fikorontanan-tsaina vokatry ny fiaingana tratra aoriana ho any amin’ny toeram-pivoriambe, dia nihevitra ny fianakaviana sasany fa ilaina ny mametra fotoana mety mba hatoriana. Tamin’ny fanajana fandaharana iray no nahafahany nanana torimasom-pialan-tsasatra tsara kokoa sy fahavononana hiainga aloha ny ampitso maraina. Izany no nisakana azy ireo tsy ho tonga aorian’ny fanombohan’ny fandaharana, ka hampiriorio saina sy hanelingelina ireo izay efa mipetraka. Amin’ny fiahiana izany no ampisehoantsika ny fankamasinantsika sy ny fanajantsika an’i Jehovah, ary koa ny fitiavana sy ny fiheverantsika ireo rahalahintsika.
7 FIVORIAMBE EFATRA ANDRO: Haharitra efatra andro ny fivoriambe “Ny fiteny madio”. Hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany izy io ny alakamisy. Hifarana amin’ny 5 ora sy 10 mn ny fandaharana ny alakamisy, zoma, sy asabotsy, ary amin’ny 4 ora ny alahady. Hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany ny fandaharana ny zoma ka hatramin’ny alahady. Isan’andro isika dia handray fampianarana sarobidy ny amin’ny fomba hitenenana ny fiteny madio. Hisy lahateny, fampisehoana, fanadinadinana, fitohitohizan-dahateny, ary tantara ara-baiboly roa amin’ny fandaharana.
8 Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanatrika ny fandaharana rehetra. Angamba izany hitaky fahafoizan-tena avy amintsika sy fanovana ny fandaharam-potoanantsika. Ny sasany voatery hanao fandaharana manokana miaraka amin’ny mpampiasa azy. Maro no handa na dia tombontsoa ara-bola aza mba hanatrehana ny fandaharana rehetra. Nefa, aoka isika hihevitra ny sorona tsy maintsy nataon’ireo rahalahintsika sy ny fahasahiranana tsy maintsy noreseny mba hanatrehana ny fivoriambe tany Polonina tamin’ny taon-dasa. Moa ve izany tsy vao mainka manosika antsika ho tonga isaky ny andro tsirairay avy amin’ny fivoriambentsika? Azo antoka fa Jehovah dia hitahy ireo izay manao izany raharaha izany ho antom-bavaka mafana sy miezaka amim-pahatsorana ho tonga amin’ny fivoriambe.—Heb. 10:24, 25.
9 Tamin’izao teny izao no nanehoan’ny fianakaviana iray ny hafaliany rehefa avy nanatrika ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny herintaona: “Izany dia fandaharam-pampianarana mahatalanjona izay nankasitrahanay rehetra. Ny anankiray amin’ireo zavatra tena nanohina ny fonay dia ny fomba nanononana ny fivoahan’ireo zavatra vita an-tsoratra vaovao. Izahay mivady dia voatosika ‘tena hivelatra’ ka hanome mihoatra noho ny tamin’izay fivoriambe hafa rehetra natrehinay teo aloha, hatramin’ny taona maro nandehananay tamin’izany. Tsy izahay irery no toy izany. Nanosika anay hanao mihoatra noho ny mahazatra ny fandaharana vaovao natao. Tsy hisy tokoa na dia iray amintsika aza ho afaka hanome ny ampy ho an’i Jehovah noho izay rehetra nataony sy mbola ataony ho antsika.”
10 AOKA ISIKA HO MPIHAINO MITANDRINA TSARA: Milaza toy izao i Jehovah ao amin’ny Salamo 50:7: “Mihainoa, ry oloko, fa hiteny Aho.” Noho izany, aoka isika tsy hampiala ny saintsika amin’izay lazaina eny amin’ny lampihazo noho izay mitranga manodidina antsika, mandritra ny fivoriambe. Ny faniriantsika hahay hiteny ny fiteny madio dia tokony hanosika antsika hanaraka izao fananarana omen’i Jehovah antsika ao amin’ny Isaia 55:2 izao: “Mihainoa ahy amim-pitandremana, MN.”
11 Ny zavatra rehetra haseho ao amin’io fivoriambe io dia natao hahazoantsika fahasambarana ara-panahy sy hanamafy ny fahatapahan-kevitsika hitoetra ho matanjaka ao amin’ny asan’i Jehovah ka ho tafaray amin’ireo rahalahintsika. Handray torohevitra mifanaraka amin’izay ilaintsika ankehitriny isika, sy fanampiana mba hiarahana mandeha amin’ny fandaminan’i Jehovah. Raha tsy mihaino tsara isika dia ho tratra aoriana. Ilaintsika àry ny mampifantoka ny saintsika mba handraisan-tsoa feno avy amin’ireo lahateny, avy eo dia hampihatra izay ho nianarantsika.—Jak. 1:25.
12 Moa ve isika afaka manao zavatra mba hihainoana tsara kokoa sy hitadidiana ireo hevitra novelabelarina? Mpanatrika maro no nanao fahazarana tsara ny mandray an-tsoratra amin’ireo fivoriambe. Ankoatra ny Baiboly sy ny fihirana dia aoka àry isika hitondra zavatra hanoratana hatrany rehefa mandeha any amina fivoriambe. Ny sasany angamba hieritreritra fa tsy dia ilaina ny mandray an-tsoratra. Raha toy izany ny aminao, nahoana no tsy miezaka manao izany mandritra ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiteny madio”? Ho tsikaritrao angamba fa izany no fomba tsara iray hampifantohana ny sainao amin’izay lazaina sy tsy hamelana ny sainao hiriorio.
13 Tsy dia ilaina ny handraisana naoty tsy misy farany sy amin’ny antsipiriany. Fehezanteny iray na roa amin’ny ankapobeny dia ampy hamintinana hevi-dehibe anankiray. Hitan’ireo loholona fa mahasoa ny mandray an-tsoratra mazava mba hanaovana famerenana mahaliana momba ny fandaharan’ny fivoriambe amin’ny fivoriana momba ny asa. Izany koa amin’ny manaraka dia hamela azy ireo hampiasa hevitra maro naseho tao amin’ny fivoriambe, amin’ny asa fampianarana sy fiandrasana.
14 VAVAKA SY HIRA: Manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’ny fiderana azy amin’ny hirantsika. Endriny iray amin’ny fanompoam-pivavahana ataontsika izany. Ankasitrahan’i Jehovah koa raha manatona azy amin’ny fivavahana aminy amim-pahatsorana ireo mpanompony (Ohab. 15:8b). Ny fivoriamben’ny distrika no manome antsika ny hany fahafahana ho tafaray amin’ireo rahalahy sy anabavintsika an’arivony maro mba hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ny hira sy vavaka. Ny sasany anefa tsy ampy fanajana an’ireo endriny lehibe amin’ny fanompoam-pivavahantsika ireo. Ahoana izany? Amin’ny fahatongavana tsy amin’ny antony mandritra na aorian’ny hira na ny vavaka fanombohana. Na koa, mandao ny toerany izy mandritra ny hira sy alohan’ny vavaka, amin’ny fifaranan’ny fandaharana. Noho ny antony inona? Mahalana no mety hananana antony tsara hanaovana izany. Nefa, moa ve ny latabatr’i Jehovah hajaina sy ankasitrahana araka ny tokony ho izy rehefa mandao ny tombontsoa hihira sy hihaino ny vavaka ny sasany mba hahatongavana haingana any amin’ny fiarany na eny amin’ny fizarana sakafo?—Matio 6:33.
15 Ilaintsika ny miahy mba tsy hikatsaka ny fahafinaretantsika manokana ka hamela ny “izaho aloha” na ireo toe-tsaina hafan’izao tontolo izao ratsy toy ny fitiavan-tena sy ny fieremana, hanakantsakana ny fandrosoantsika ara-panahy. Aoka isika hiezaka haneho fankasitrahana ny zavatra masina toy ny nataon’ireo rahalahintsika tany amin’ny fivoriambe tany Polonina tamin’ny herintaona, ka handeha amim-piraisan-kina miaraka aminy amin’ny fanehoana fanajana mety amin’ireo endriny lehibe indrindra amin’ny fanompoam-pivavahantsika ireo: ny vavaka sy ny fiderana hiraina ho an’i Jehovah.—Sal. 69:30.
16 NY FAHALALAM-POMBA KRISTIANA: Ny fahalalam-pomba kristiana asehontsika sy ny fisehoantsika ivelany any amin’ny fivoriambe no nahazoantsika laza tsara amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah. Manao tsara tokoa isika amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ka tsy heverintsika ho fotoana iarahana amin’ny namana fotsiny ny fivoriambe. Rehefa mivory amin’ireny fotoana manokana ireny isika dia tokony hitana ny fahamendrehana kristiana ananantsika sy hampiseho toe-tsaina tsara amin’ny fitondrana tena amin’ny maha-minisitr’Andriamanitra hatrany.—1 Kor. 10:31-33.
17 Mampalahelo fa mampanahy ny mahita ny sasany amin’ireo izay manatrika ny fivoriambe tsy mitandrina ny fihetsiny, ny fisehoany ivelany, ny fiteniny, ary ny fitondrantenany. Inona no hatao rehefa manjary miharihary fa manao toy izany ny olona anankiray na eo anivon’ny kongregasiona izany na mandritra ny fivoriambe? Ireo izay manana ny toetra ara-panahy takina dia tokony hanome torohevitra azy amim-pitiavana amin’ny fikendrena ny hanarina azy (Gal. 6:1, MN; Efes. 4:11, 12). Koa satria isika miteny ny fiteny madio, dia tokony hiaro ny laza tsara sy ireo fitsipi-pitondrantena ambony ananantsika.
18 Tamin’ny fivoriambe iray, dia nisy mpanatrika anankiray namela soratra toy izao tao anaty vatakely fanomezana an-tsitrapo: “Tena nankasitrahako tokoa ity fivoriambe ity, ary nanapa-kevitra ny hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelona iray aho. Vao voalohany aho no nanatrika ny fivorianareo. Efa niomana ny tsy ho tonga afa-tsy ny asabotsy aho, satria mandeha miangona ny alahady. Tena talanjona anefa aho, ka niverina niaraka tamin’ny fianakaviako rehetra androany. Nandiso fanantenana ahy anefa ireo olon-dehibe izay niresaka tamin’ny feo avo nandritra ireo lahateny.”
19 Voamarika koa tamin’ny fivoriambe sasany fa misy zatovo mipetraka any amin’ny farany ambony indrindra amin’ny tohatohatra na amin’ny farany aoriana amin’ny efitrano, ka mifampita teny kely mitakoritsika ary tsy mihaino ny lahateny akory amin’ny ankapobeny. Asehon’ny fitondrantenan’izy ireny fa mbola mila ny harahin’ireo ray aman-dreniny maso izy, ka tokony hiara-mipetraka amin’ny fianakaviany. Hiahy ny amin’izany lafiny izany ireo ray aman-dreny tsy manao tsirambina ka hanome fitarihana ilaina an’ireo zanany (Efes. 6:4). Tokony ho takatr’ireo rahalahy sy ireo anabavy ary ireo tanora fa fotoana fihainoana fa tsy firesahana ny fivoriana.—Deot. 31:12.
20 Tokony haneho fiheverana sy fahalalam-pomba koa isika any amin’izay ilasiantsika. Noho isika manana efitrano mahafinaritra amin’ny sarany tena mirary, dia tokony haneho fankasitrahana sy fiheverana ireo mpiasa ao amin’ny hôtely isika, ka hahalala fomba sy tsy hitaky be loatra. (Gal. 6:10). Nisy torohevitra tsara nomena mahakasika ny fitondrantena mety raha hananana any amin’ireo hôtely rehefa fivoriambe. Maro no mihevitra izany ary miezaka amim-pahatsorana hiara-miasa amin’ireo mpiasa ao amin’ny hôtely. Na izany aza anefa dia voamarika fa ny fihetsika tsy manorina eo amin’ireo Vavolombelona dia mbola fahita ihany any amin’ny toerana sasany. Inona no mahatonga izany?
21 Ny ankamaroan’ireo rahalahy dia nanaraka ireo fanoloran-kevitra nomena tao amin’ny lahatsoratra hoe “Azo atao ve ny mamela falimpo [pourboire]?” sy ny hoe “Ny falimpo eo amin’izao tontolo izao”, navoaka tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 jona 1986, pejy faha-24 ka hatramin’ny faha-27. Noresahina tao amin’ny fanampim-panazavana momba ny fivoriamben’ny distrika ireo lahatsoratra ireo tamin’ny herintaona. Mendrika ny fitandremantsika hatrany izany. Aoka ianao hamaky izany indray, satria lazaina mazava hoe iza no manantena handray falimpo, ary ohatrinona, arakaraka ny fomban-tany arahina amin’ny tany samy hafa.
22 Ankoatra izany, ireo lahatsoratry ny Réveillez-vous! ireo dia nanoritra fa “raha manao dia lavitra ianao na manatrika fivoriambe miaraka maromaro, dia mahakasika izay rehetra miaraka aminao ny ataonao manokana. Arakaraka ny fitondrantenanao no hitsaran’ny olona anareo rehetra.” Noho izany, na inona na inona fiheveranao ny falimpo, rehefa tonga ao amin’ny tanàna iray ianao mba hanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia manehoa fahaiza-mitsara sy fahaiza-manavaka, ary aoka ianao ho vonona ny ‘hanao ny zavatra rehetra noho ny vaovao tsara’.—1 Kor. 9:19-23, MN.
23 Tamin’ny herintaona, dia nisy vehivavy kristiana iray nahazo taratasy avy any amin’ilay vehivavy mpikarakara nanadio ny efitranony tao amin’ny hôtely, taorian’ny nanatrehany ny fivoriamben’ny distrika. Indro misy tapany amin’izany: “Tiako fotsiny ny hisaotra anao noho ilay bokikely sy ny falimpo navelanao ho ahy. (...) Noho ianao izao dia mianatra Baiboly aho ary mianatra mankasitraka an’i Jehovah Raintsika sy Jesosy Kristy Zanany lahitokana. (...) Faly aho fa nanao fivahiniana nahafinaritra ianao tato amin’ny hôtelinay. Manantena ny hahita anao aho amin’ny fivoriambe manaraka.” Notsipihin’ilay vehivavy mpikarakara efitrano teo ambanin’ny teny hoe “bokikely” sy “falimpo” tao anatin’ny taratasiny.
24 Na dia manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra aza ny ankamaroan’ny Vavolombelona, dia tokony ho fantatra fa nanao zavatra tamin’ny fomba mampalahelo ny fianakaviana sasany nanatrika ny fivoriambe. Ohatra, raha efitrano iray ho an’olona efatra na dimy fara fahabetsany no nohofany, tafiditra amin’izany ireo ankizy, ny sasany dia folo no milasy ao, ka tsy fanaovana ny marina izany. Nesoriny ny kidorom-parafara ka nataony teo amin’ny tany mba hatorian’ny sasany taminy, ary ny hafa natory teo amin’ny kidoro miraikitra amin’ny farafara mihitsy. Nangataka lamba fanampiny tamin’ny hôtely izy. Ankoatra izany, dia nisy ankizy natory tamin’ny kitapo fatoriana.
25 Tsy ta hampanofa efitrano amin’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony ny hôtely sasany satria tsy nanaja ny fitsipika anatiny mandrara ny fahandroana sakafo ny sasany. Ny zavatra hafa iray nahatonga fitarainana koa dia ny endrika mampahonena nandaozana ny efitrano. Tokony hiahy ny amin’ny fahadiovana isika ary haneho fiheverana, tsy ny fisehoantsika ivelany sy ny fitondrantenantsika ihany fa ny fomba fampiasantsika ny fananan’ny hafa koa. Moa ve misy antony tsy hamelana ny efitrano iray nohofana hilamina sy hadio? Manimba ny laza tsarantsika ny fitondrantena tsy misy fanajana. Mandritra ireo fivoriamben’ny distrika manaraka àry, dia aoka isika rehetra hiezaka hitondra tena amin’ny fomba “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra”.—Titosy 2:10.
26 HO AN’NY RAY AMAN-DRENY: Anisan’ireo asaina ho amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiteny madio” ny ankizy sy ny zatovo. Tokony hahay hiteny tsara ny fiteny madio koa izy ireny. Mahafaly ery ny mahita zatovo izay nianatra nihaino tsara tamin’ireo fivoriana kristiana rehetra, manaraka amim-pahalianana fatratra izay lazaina ao amin’ny fivoriambe (Sal. 148:12, 13)! Miankina be dia be amin’ny ohatra sy ny fanaraha-mason’ireo ray aman-dreny anefa ny fihetsiky ny ankizy. Ankizy maro be no zatra nandray an-tsoratra. Ry ray aman-dreny, raha toa ianareo tsy mbola nampianatra ny zanakareo handray an-tsoratra, nahoana no tsy manararaotra ny fotoana sisa mialoha ny fivoriambe mba hanaovana izany? Na dia ireo zanakareo kely indrindra aza dia azonareo ampirisihana handray an-tsoratra ireo andinin-tenin’ny Baiboly tononina sy ireo teny fototra reny rehefa manazava ny mpandahateny. Misy ray aman-dreny manomana ny hiarahan’ny mpianakavy mandinika indray ireo hevi-dehibe isaky ny andro, rehefa tafaverina eny amin’ny toeram-pilasiana na mandritra ny dia rehefa mody any an-tokantrano.
27 Ray aman-dreny maro tokoa no mahalala fa manana fironana hitabataba, tsy ho ampy fanandraman-javatra sy fahamatorana ny ankizy. Ilaina àry ny mampianatra azy hoe amin’ny fotoana toy inona no tokony hihaino tsara, ary ahoana no hitondrana tena any amin’ireo fivoriana. Tokony hanara-maso azy tsara amin’izany ireo ray aman-dreny. Manao tsirambina ny fanaovana izany ny sasany. Nandritra ny vavaka indraindray, dia maneho fanajana mety ho an’i Jehovah ny tenany, fa ny zanany kosa milalao sy manelingelina ny mpanatrika hafa. Tokony ho fantatry ny ray aman-dreny izay ataon’ny zanany na dia mandritra ny vavaka aza. Ary inona no ataon’izy ireo rehefa mandao ny toerany izy mandritra ny lahateny? Moa ve izy ireny tsy misy mpanara-maso mandritra na aorian’ny fandaharana?—Ohab. 29:15.
28 Nisy ray aman-dreny nandefa ny zanany handeha irery tany amin’ny filomanosan’ny hôtely, nefa ny tenany tao amin’ny efitranony na tany amin’ny hôtely fisakafoana, na nanao zavatra hafa. Tsy mety izany. Nisy aza ankizy tsy azo fehezina tsy nanaja ireo vavolombelona efa be taona nanandrana nanitsy azy tamin-katsarampo. Matetika izany toetra mitrifantrifana sy tsy mendrika ny maha-kristiana izany no vokatry ny tsy fisian’ny lalàm-pifehezana ao an-tokantrano. Ilaina mihitsy ny hanitsiana izany. Ny ray aman-dreny kristiana rehetra dia tokony hanara-maso amim-pitandremana ny zanany amin’ny fotoana rehetra, mba hitaizana azy “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsain’i Jehovah”.—Efes. 6:4, MN.
29 ANKASITRAHANA NY FIARAHA-MIASA FENO ATAONTSIKA: Natao ny asa fiomanana lehibe mba hahampy ny toerana, ny zavatra vita an-tsoratra, ny sakafo, ary ny zavatra hafa ilain’ny mpanatrika rehetra. Mifanaraka amin’izany fandaharana izany, ny kongregasiona tsirairay dia nasaina ho amin’ny fivoriambe iray voafaritra tsara. Tena ilaina ny fiaraha-miasa feno avy amintsika mba hisakanana ny fihoaran’ny isa. Marina fa mety hisy fisehoan-javatra manokana mahavoatery ny sasany hanatrika fivoriambe nalamina any amin’ny faritra hafa ivelan’ny azy. Ny ankamaroany amintsika anefa dia tokony ho afaka hanatrika ny fivoriambe natao ho an’ny kongregasiona misy antsika—1 Kor. 13:5; Fil. 2:4.
30 Ilaina koa ny fiaraha-miasa feno avy amintsika raha ny amin’ny famandrihan-toerana. Aoka hotadidiantsika fa TSY TOKONY HAMANDRIKA TOERANA AFA-TSY HO AN’NY HAVANA AKAIKY SY IZAY MIRAY FIARA AMINTSIKA IHANY ISIKA. Aoka isika tsy hamandrika toerana ho an’olon-kafa. Ny sasany mamandrika toerana anefa tsy dia misy andrasany akory. Fampisehoana tsy fahampiam-pitiavana izany ary manakana ny mpampandroso olona sy ny mpanatrika hafa tsy hahita toerana malalaka. Mifanaraka amin’ireo torohevitry ny Baiboly, dia tokony haneho fitiavan-drahalahy isika ary hiara-miasa tanteraka amin’ny fanarahana ireo toromarika momba ny famandrihan-toerana.—2 Pet. 1:5-8.
31 Ampirisihana isika haneho fahaiza-mitsara zavatra raha ny amin’ny zavatra entintsika eny amin’ny toeram-pivoriambe. Tamin’ny lasa, ny sasany dia nitondra fitoeran-dranomandry lehibe sy zavatra hafa nibahan-toerana loatra ka tsy azo atao ambany seza; nataony teny amin’ny lalantsara àry izany na teny ambony seza, ka tsy nahafahan’ny mpanatrika hafa hanana toerana, ary mandika ny fitsipiky ny filaminana indraindray. Tokony haneho fiheverana amin’izany lafiny izany isika.
32 Azo atao ny mampiasa “caméras vidéo” sy vata fandraisam-peo eny amin’ny toeram-pivoriambe. Ny mpampiasa ireny fitaovana ireny anefa dia hitandrina mba tsy hanelingelina na hampiriorio ny sain’ny mpanatrika hafa. Tsy tokony hapetraka eny amin’ny lalana sy ny fivoahana ireny karazana fitaovana ireny. Tsy tokony hampifandraisina amin’ny olik’aratry ny fanamafisam-peo na asampana amin’ny fampitana aratra koa izany. Tsy anomezan-dalana ny fampiasana “flash”. Ireo izay nanelingelina ny mpanatrika hafa na tsy nanaja ny anankiray tamin’ireo toromarika nomena teo ambony dia tokony handamina haingana ny toe-javatra rehefa ampahafantarina azy izany. Ireo mpampandroso olona sy ireo tompon’andraikitra hafa dia hiahy ny amin’ny hanajana ireo toromarika ireo. Tokony hahazo fiaraha-miasa feno avy amin’ny mpampiasa ireo fitaovana ireo izy.
33 Azo antoka fa ankasitrahan’ny vahoakan’i Jehovah ny fahafahana mivory isan-taona ao amina toerana mahafinaritra mba handray soa avy amin’ny fandaharana ara-panahy kanto nomanina ho azy ireo. Ankasitrahantsika koa ireo asa maro be sy fanatsorana nomanina ho amin’izany fivoriambe izany. Nanao fiezahana lehibe sy fandaniana betsaka ny Fikambanana mba hananan’ny mpanatrika rehetra toerana tsara sy mba hametrahana ireo rafi-panamafisam-peo lafo vidy, ary sampandraharaha maro hafa izay mahatonga ny fivoriambe hahafinaritra sy hamelombelona ara-panahy.
34 Voaonitra ireny fandaniana ireny noho ireo fanomezana an-tsitrapo ataontsika mba hanohanana ny asa maneran-tany ataon’ny Fikambanana. Izany dia azontsika arotsaka ao anaty vatakely fasiana fanomezana an-tsitrapo misy soratra mazava, izay mipetraka amin’ny toerana isan-karazany ao amin’ny toeram-pivoriambe. Tena ankasitrahana avokoa ny fanomezana rehetra ary misaotra antsika mialoha ny Fikambanana noho ny fanohanana amim-pahalalahan-tanana hoentintsika amim-piraisan-kina ho tombontsoan’ilay Fanjakana. Azo antoka fa hiara-miasa amin’ny fomba feno isika araka izay fahafahantsika.—Lioka 6:38.
35 AOKA ISIKA HO TONGA AMIN’NY FIVORIAMBEN’NY DISTRIKA “NY FITENY MADIO”: Amin’ny fanatrehana ny fivoriamben’ny distrika “Ny fiteny madio” sy amin’ny fihainoana amim-pitandremana ireo lahateny, no hahatakarantsika kokoa hatrany ny antony nanomezan’i Jehovah antsika ny fiteny madio, sy ny antony tokony hitandremantsika tena amin’ireo fironana ara-nofo izay mety handrava ny firaisan-tsaintsika. Aoka isika hanao fandaharana dieny izao mba ho tonga raha vao eo amin’ny hira fanombohana sy hanatrika ny fandaharana rehetra, hatramin’ny vavaka farany, izay hotononina ny alahady tolakandro.
[Efajoro, pejy 6]
Fivoriamben’ny distrika – fanampiana ny fitadidiana
FILASIANA: Ankasitrahanay tokoa ny fiaraha-miasanareo amin’ny fampiasana ny lisitr’ireo toeram-pilasiana voatondro, izay nomen’ny Komitin’ny fivoriambe anareo. Raha toa ianao ka niomana hilasy ao amin’ny tanàna hisy ny fivoriambe ary tsy mbola nanamafy ny famandrihan-toerana, dia iangaviana hanao izany dieny izao. Raha sendra voatery ianao hanafoana ny famandrihan-toeranao dia manorata na mandefasa antso an-tariby mivantana any amin’ny hôtely aloha be araka izay azo atao, mba hahafahana manome ny efitrano ho an’ny olona hafa.
Tokony hataon’ny mpitantsoratry ny kongregasiona izay handefasana haingana ireo fangatahana efitrano ho an’ny toe-javatra manokana any amin’ny Komitin’ny fivoriambe voakasik’izany. Raha ilainao ny manafoana ny famandrihan-toerana noho ny toe-javatra manokana, dia ampahafantaro haingana ny mpampiantrano na ny hôtely sy ny sampandraharahan’ny filasian’ny fivoriambe izany, mba hahafahana manome ny efitrano ho an’ny hafa.
POSIPOSIN-JAZA: Any amin’ny toerana maro dia voarara ny fampiasana posiposin-jaza any amin’ny fivoriana ampahibemaso. Tsy eken’ny fitsipika mifehy ny filaminana ny hamelana azy ireny eny an-dalantsara, any amin’ny lalana, na eny anelanelan’ny laharan-tseza. Amin’ny fifamoivoizan’ny olona be loatra dia mampidi-doza ny posiposin-jaza, na ho an’ireo zaza na ho an’ny mpanatrika, izay mety hianjera eo ambaniny. Aoka àry mba tsy hitondra izany any amin’ny toeram-pivoriambe. Azo atao anefa ny mitondra sezan-jaza, izay azo atao anaty fiara, ohatra, satria afaka mametraka izany eo amin’ny seza eo akaikiny ny ray aman-dreny. Tena ankasitrahana ny fiaraha-miasanareo amin’izany lafiny izany.
BATISA: Ireo mpilatsaka hatao batisa dia hiezaka mba hipetraka eo amin’ny faritra natokana ho azy ireo alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny asabotsy maraina. Samy hitondra fitafiana maotina fitondra miroboka sy lamba famaohana izy ireo. Rehefa avy manao ny lahatenin’ny batisa sy ny vavaka ny mpandahateny dia hanome toromarika vitsivitsy ho an’ny mpilatsaka hatao batisa ny prezidan’ny fivoriana, ary avy eo dia hanasa ny mpanatrika rehetra hitsangana hanao hira. Eo am-panombohana ny andininy farany amin’ny hira dia hitarika ny mpilatsaka hatao batisa ireo mpampandroso olona ho any amin’ny toeram-pandrobohana, na any amin’ny fiara izay hitondra azy ireo, raha mbola mamita ny hira ny sisa amin’ny mpanatrika. Koa satria ny batisa ho mariky ny fanoloran-tena dia raharaha manokana mahakasika an’ilay olona sy Jehovah, dia tsy ekena ny fanaovana “batisa mitambatra” an’ireo mpilatsaka, izay mifampisakambina na mifampitantana mandritra ny fandrobohana.
MPITORY MAHARITRA: Ny mpitory maharitra mandavantaona sy manokana rehetra, toy izany koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany, dia tokony hitondra ny Karatra maha-mpitory maharitra azy ireo (S-202) any amin’ny fivoriambe. Ireo izay nanao asa manontolo andro hatramin’ny enimbolana fara fahakeliny amin’ny fotoanan’ny fivoriamben’ny distrikany, dia afaka mandray karatra ho an’ny sakafo amin’ny fampisehoana fotsiny ny karany, ary izany dia amin’ny fivoriambe misy azy ihany. Tandremo toy ny fikajiana vola ny karatrao. Tsy hisy fanoloana izany any amin’ny fivoriambe. Ny mpiasa manontolo andro rehetra dia ho afaka hahazo maimaimpoana, eny amin’ny sampandraharaha miandraikitra ny boky ihany, ireo zavatra vita an-tsoratra vaovao, raha toa ka tsy misy izany, toy izany koa ireo zavatra vita an-tsoratra hafa amin’ny sarany natao ho an’ny mpitory maharitra, amin’ny fampisehoana fotsiny ny karatr’izy ireo. Ho afaka hahazo izany tombontsoa izany koa ny mpianakavin’ny Betela amin’ny fampisehoana ny karany.
ASA AN-TSITRAPO: Ilaina ny fanampian’ireo mpiasa an-tsitrapo mba hampandeha tsara ny fivoriamben’ny distrika. Na dia tsy afaka miasa afa-tsy mandritra ny tapany amin’ny fivoriambe aza ianao dia hankasitrahana ny asanao. Raha afaka mitondra fanampiana ianao dia aza fady mba manatona ny sampandraharaha momba ny asa an-tsitrapo rehefa tonga eny amin’ny toeram-pivoriambe ianao. Azon’ireo ankizy latsaka ny 16 taona atao koa ny mandray anjara amin’ny fahombiazan’ny fivoriambe, nefa tsy maintsy miaraka amin’ny iray amin’ireo ray aman-dreniny izy na eo ambany fiandraiketan’ny olon-dehibe iray.
“INSIGNES”: Iangaviana ianao hanao “insigne” eny amin’ny toeram-pivoriambe, toy izany koa mandritra ny dianao mandroso sy miverina manelanelana ny toeram-pivoriambe sy ny filasianao. Matetika tokoa izany no mamela hanao fanambarana tsara dia tsara.
TOROHEVITRA VITSIVITSY: Na aiza na aiza anajanonanao ny fiaranao, dia hidio hatrany amin’ny fanalahidy ny varavarana ary aza mamela zavatra ho hitan’ny mpandalo mihitsy. Raha azo atao dia hidio anaty “coffre” ny fitaovanao. Mitandrema koa amin’ny mpangalatra sy ny mpangarom-paosy, izay voasinton’ireo fihaonambe. Aza mamela zavatra sarobidy eo amin’ny fitoeranao. Aoka ianao haneho fahamalinana.
Ampahafantarina antsika fa any amin’ny hôtely sasany dia azon’ny mpanofa atao ny miditra an-kahalalahana any amin’ny efitrano fijerena televiziona, izay andefasana horonantsary maloto, ary vetaveta mihitsy aza. Izany dia manoritra ny maha-zava-dehibe ny tsy hamelana ny ankizy handeha irery hijery televiziona any amin’ireny toeram-pilasiana ireny.