Ny anjaranao mba hahatonga ireo fivoriana handraisan-tsoa
1 Ireo fivoriantsika dia manampy antsika hahazo fahalalana tsara kokoa an’i Jehovah. Manampy antsika hahatakatra ny lalàny sy ny fotopoto-pitsipiny izy ireny ary mampirisika antsika hiaina mifanaraka amin’izany. Ireo fivoriana dia manomana antsika handray anjara amin’ny fomba mandaitra kokoa amin’ny asa fitoriana famonjena aina ataontsika. Manampy antsika koa izy ireo hanatratra ny zava-kendrentsika, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovaon’Andriamanitra. Ireo ora lanintsika miaraka ao amin’ny fivoriana dia hitondra soa lehibe indrindra raha toa ny tsirairay avy amintsika manao ny anjarantsika mba hahatonga ny fivoriana hitondra soa.
2 Ireto telo ireto ny fanalahidy mba hahatonga ny fivoriana hitondra soa: ny fanomanana, ny fandraisana anjara ary ny fampiharana. Mifameno ireo zavatra ireo. Ny fanaovana fanomanana tsara dia manamora ny fandraisana anjara ary mahatonga izany ho fahafinaretana. Ny teny fanehoana finoana atao amin-kafaliana sy risi-po dia mampahery ireo izay mihaino ary manosika azy hanao zavatra. (Efes. 4:29) Azo ampoizina kokoa fa hampihatra izay atolotra ny mpanatrika rehetra raha azon’izy ireo izany ka ampiana izy hahatakatra ny fomba azo ampiharana ilay fanazavana eo amin’ny fiainany manokana sy mba hanampiana ny hafa ho tonga mpianatra.
Ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Bokin’ny kongregasiona
3 Ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona dia fivoriana tena lehibe satria amin’ny alalany no anomezan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” hanina ho an’ny mpianakavin’ny finoana. (Matio 24:45-47, MN.) Moa ve ianao manokana fotoana hianarana ny fanazavana hodinihina amin’izany? Manao fanomanana mba hanome valinteny any amin’ny fivoriana ve ianao? Miharihary fa mandray anjara fototra amin’io lafiny io ianao.
4 Raha nianatra tamim-pitandremana ny fanazavana ho amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona ianao, dia handray soa tokoa avy amin’ny fahasambarana azo avy amin’ny fanomezana. (Asa. 20:35) Maro no mahita fa manampy azy ny fanipihana eo ambanin’ny teny fototra. Amin’ny fijerena ireo andinin-teny tsy voatonona sy amin’ny fandinihana ny fomba ampiharana azy, dia ho azonao ny fototra ara-baiboly ho an’ireo valinteny homena. Afaka mamaly amin’ny fomba fiteninao ve ianao izao, sa kosa tsy maintsy mamaky ireo valiny ianao? Ny zava-kendrena lehibe indrindra ho an’ny fianarana teokratika ataonao dia ny mba handraisanao ilay fanazavana ho an’ny tenanao manokana sy ny mba hanarahanao izany amin’ny fo mankasitraka sy amin’ny fahatakaran-javatra.—Ohab. 2:5; 4:7, 8.
Sekolin’ny fanompoana teokratika sy fivoriana momba ny asa
5 Moa ve ianao mihevitra ny anjaranao ao amin’ny sekoly ho fanendrena avy amin’i Jehovah ka maneho izany amin’ny fomba hanomanana izany? Ataovy azo antoka fa azonao ilay fanazavana ary afaka mampiseho izany amin’ny fomba manintona ianao. Nefa na dia tsy manana anjara manokana aza ianao dia manaova fianarana amin’ny famakiana isan-kerinandro ireo toko ao amin’ny Baiboly sy ireo fanazavana hafa natao hovakina. Toy izany koa no tokony hatao ho an’ny fivoriana momba ny asa. Raha vita alohan’ny fotoana izany, mandritra ny fivoriana ianao dia ho afaka hieritreritra amim-paharisihana ny zavatra aseho, fa tsy eo vao hiezaka mafy hamantatra ilay fanazavana.
6 Ireo fampisehoana amin’ny fivoriana momba ny asa sy ny faritry ny famelabelaran’ireo mpianatra amin’ny sekoly dia tokony ho araka ny tena izy, ka hanome taratry ny tarehin-javatra eo an-toerana izay azon’ny rehetra ifandraisana. Averimbereno tsara ny anjaranao. Fanampin’izany, dia manaova akanjo mifanentana amin’ny fivoriana mba ho ohatra tsara ho an’ny hafa ny fomba fitafinao.
7 Ataovy ho zava-kendrena ny fanaovana anjara voaomana tsara sy atolotra amin-kafanampo. Ry ray aman-dreny, ampio ny zanakareo mba hanao fanomanana sy hamaly amin’ny fomba fiteniny rehefa misy fahafahany hanao izany. Marina tokoa, fa raha isika rehetra no miahy manokana ny ho tonga ara-potoana sy ny ho vonona ny handray anjara, ny fivoriantsika dia hamirapiratra noho ny fanazavana iankinan’ny aina sy manosika hanao zavatra izay haseho amin’ny fomba manintona ny sain’ny mpihaino. Hanao ny anjaranao amin’izany lafiny izany ve ianao ka hahatonga “ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana” ireo miara-mivory aminao hafa?—1 Kor. 14:26.