Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 2 JOLAY
Hira 17 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana.
25 min: “Ampiasao amim-pahendrena ny fotoam-pialan-tsasatra”. Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampidiro ao ny fampisehoana maharitra folo minitra momba ny foto-dresaka vaovao sy ny fanolorana ny bokikely “Indro, havaoziko!”, ka mampiseho ny fomba fanolorana azy araka ny voalaza eo amin’ny fehintsoratra faha-7. Ampidiro ao anatin’izany fampisehoana izany ny fanaovana fotoana hentitra ho amin’ny fiverenana mitsidika.
10 min: Hevitra azo resahina avy ao amin’ireo bokikely. Asao ny mpanatrika mba hanambara ny hevi-dehibe sasantsasany avy ao amin’ireo bokikely samihafa ananan’ny kongregasiona ka azo ampiasaina eny am-pitoriana. Mety ho tianareo ny hanendry mialoha mpitory mahay sasany mba hanao izany.
Hira 26 sy vavaka famaranana
HERINANDRO MANOMBOKA NY 9 JOLAY
Hira 46 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny Toe-bola.
20 min: “Ampirisiho ny mpianatra Baiboly mba handroso”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-4, dia asio fampisehoana voaomana tsara mampiseho ny fomba ampirisihan’ny mpitory mahay ny mpianatra iray handroso mandritra ny fandinihany ny fehintsoratra faha-3 eo amin’ny pejy faha-14 ao amin’ny bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra.
15 min: “Ny klerjy eo amin’ny fitondrana—Moa ve izany no fanafodiny?”—Haseho toy ny lahateny (wMG 1/12/89 pp. 3, 4)
Hira 1 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 16 JOLAY
Hira 40.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny volana Jona? Ampirisiho ireo mpitory mba handray anjara amin’ny asa fitoriana amin’ny faran’ny herinandro.
20 min: “Ny anjaranao mba hahatonga ireo fivoriana handraisan-tsoa”. Hotarihin’ny loholona iray amin’ny alalan’ny fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Antitrantero izay ilain’ny kongregastiona eo an-toerana. Manaova teny fiderana rehefa mety izany.
15 min: “Ny fanapahan’Andriamanitra—Ny fanafodiny tsara indrindra”.—Haseho toy ny lahateny (wMG 1/12/89 pp. 5, 6).
Hira 44 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 23 JOLAY
Hira 51
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Vaovao teokratika.
20 min: Lanjalanjao ireo fahatsinjovanao ho tonga mpitory maharitra. Lahateny mampahery miaraka amin’ny fanadinadinana. Any Etazonia dia misy ankehitriny mpitory maharitra mandavantaona maherin’ny 60.000 avy amin’ny sokajim-piainana sy ny toe-piainana samihafa rehetra, eto Madagasikara dia maherin’ny 260 no isan’ny mpitory maharitra mandavantaona. Inona no nanosika azy ireo mba ho mpitory maharitra? Ny fitiavana an’i Jehovah sy ny namana (Matio 22:37-39); ny fiahiana lalina ny olona sy ny faniriana hanampy maro kokoa mba ho voavonjy (1 Tim. 2:4); ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena hampandroso ireo tombontsoan’ilay Fanjakana (1 Kor. 9:23). Tsy maintsy ambolena ny faniriana. Eo am-panaovana izany ve ianao? Ireo dingana hatao raha maniry ho tonga mpitory maharitra ianao: 1) Mitondra ilay raharaha amim-bavaka amin’i Jehovah (Matio 7:7, 8; Fil. 4:6); 2) miara-midinika amin’ireo mpitory maharitra sy loholona (Ohab. 15:22); 3) mametraka an-tsoratra fandaharam-potoana fanandramana, mandanjalanja hoe ahoana izany no mahakasika ireo andraikitra kristiana hafa (Lioka 14:28); 4) mametra daty fanombohana, tsy miandry hoe hety tanteraka ireo tarehin-javatra (Mpit. 11:4). Fotoana tsara hanombohana ny septambra; mety hahafeno fepetra mba hanatrika ny Sekoly ho an’ny mpitory maharitra ny taona manaraka. Manaova fanadinadinana mpitory maharitra iray na roa ny amin’ny fomba nandreseny ny zava-manakana amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Aoka ianao hanorina.
15 min: “Ny tokony hataontsika mba hahavoavonjy”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/12/89 pp. 4-7)
Hira 5 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 30 JOLAY
Hira 51 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary fandinihana ny rapaoron’asa natao eran’ny Nosy.
20 min: Rahoviana ny Mpianatra Baiboly iray no mahazo mandray anjara amin’ny Fanompoana ampahibemaso? Lahateny ataon’ny loholona iray mifototra amin’ny “Fanontanian’ny mpamaky”, pejy faha-31 ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1990. Antitrantero fa ireo vaovao, tsy anisan’izany ireo zanatsika, dia tsy tokony hasaina hiaraka amintsika eo amin’ny saha fitoriana raha tsy efa avy niresahan’ny loholona roa ka nofantarin’ireo fa mahafeno fepetra izy.
15 min: “Iza no afaka ny ho sakaizan’Andriamanitra?”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/12/89 pp. 26-30)
Hira 15 sy vavaka famaranana.