Miomana ho amin’ny fiezahana manokana hampanao famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana
Noho ny fanantenana ny hanao fandaharana miavaka amin’ny fiezahana manokana hampanao famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! Mandritra ny volana Aprily sy May, ny Fikambanana dia eo am-panomanana nomerao misy lahatsoratra mahaliana manokana ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! Hanolotra foto-kevitra samihafa izay mitana ny sain’ny olona indrindra any amin’ny faritra rehetra ireo lahatsoratra lehibe.
Hamelabelatra ireto foto-kevitra manaraka ireto Ny Tilikambo Fiambenana: “Efa tratra aoriana kokoa tsy araka ny nieritreretanao azy ve izao?” (1 Jolay), “Rahoviana no ho tonga marina ny fiadanana?” (15 Jolay), “Ny fahatoherana ny heloka bevava eo amin’izao tontolo izao feno fikorontanana” (1 Aogositra), ary “Apetraho eo amin’ny toerana voalohany Andriamanitra ao amin’ny fiainam-pianakavianao!” (15 Aogositra). Hiresaka momba ireto foto-kevitra ireto ny lahatsoratra amin’ny Réveillez-vous!: “Rehefa hihavana ny olona sy ny biby” (8 Aprily), “Fanampiana ho an’ireo zaza manana ray aman-dreny nisara-panambadiana” (22 Aprily), “Ny fahataitairana amin’ny lôteria—Iza no mahazo? Iza no mamoy?” (8 May), ary “Ny televiziona—Ilay vatakely izay nanova izao tontolo izao” (22 May).
Ny mpitory rehetra, ary indrindra ny mpitory maharitra, dia tokony hihevitra ny zavatra ilainy isam-batan’olona rehefa mampitombo ny asany amin’ny fanolorana famandrihana sy amin’ny fizarana ireo gazety tsirairay. Ataovy azo antoka ny mampitombo isa ireo gazety hafaranao ao anatin’ny fotoana ampy mba hahazoana tahiry ampy raha vao eo amin’ny fanombohan’ny fiezahana manokana hampanao famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.