Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny fanampiana avy amin’ny Indeksa
1 Amin’ny maha-kristiana nanolo-tena antsika dia miezaka amim-pahatsorana manatanteraka ny fanompoantsika isika. Mba hanampiana antsika hanao izany, i Jehovah dia nanome fitarihana sy fampaherezana sesehena ao amin’ny tahirin-javatra vita an-tsoratra sarobidy feno. Afaka mampiasa azy ireo tsaratsara kokoa ve isika? Ny fanampiana fototra mba hanaovana izany dia ny Index des publications de la Société Watch Tower, natonta tsy tapaka tamin’ny fiteny samihafa nanomboka tamin’ny taona 1961.
2 Ahoana no hahafahan’ny Index manampy anao hanatanteraka ny fanompoanao? Manao izany izy amin’ny fanondroana ny lalana ho amin’ireo torohevitra sy fanazavana tsara dia tsara efa nomena. Nomanina tamin’ny fitadidiana ao an-tsaina ireo rahalahy rehetra maneran-tany ny Index. Manomboka amin’ny ankizy ka hatramin’ny raibe sy renibe, amin’ny mpianatra Baiboly vaovao ka hatramin’ny loholona, ny rehetra dia afaka mahita fanondroana ho amin’izay mety hahitany izay zava-kendrena mahasoa rehetra ilainy.
AHOANA NO HAHITANA IZAY ILAINAO
3 Raha ny hevitry ny andinin-teny manokana iray na ny fitohitohizan’andinin-teny no mahaliana anao, dia ho hitanao fa tsara indrindra ny manokatra voalohany indrindra any amin’ny indeksa araka ny andinin-teny any amin’ny farany. Nanonona ny Jaona 10:30 ve ny olona iray tamin’ny fanandramana nanaporofo ny fampianarana ny amin’ny Trinite? Ny indeksa araka ny andinin-teny dia hitarika anao any amin’ny fanazavana izay hahatonga anao hahatakatra ny antony nanononan’i Jesosy ireo teny ireo. Hampitombo ny fahalalantsika amin’ny famakiantsika Baiboly manokana ny indeksa araka ny andinin-teny raha mitady fanazavana ireo andinin-teny izay hitantsika fa mahasanganehana na tsy mazava isika.
4 Manolotra lalana hafa noho izany mitarika ho amin’ny fanazavana mahasoa mitovy ihany ny indeksa araka ny foto-kevitra. Ohatra: mety hila fanazavana ianao ny amin’izay hatao rehefa manohitra ny hitondranao ny zanakao any amin’ny fivoriana ny vadinao tsy mpino. Mba hahitana ny valiny, dia azonao atao ny manokatra any amin’ny lohateny hoe: “Lehilahy vady”, “Vehivavy vady”, “Zanaka”, “Fanoherana”, na “Fivoriana”. Mikasika ny foto-kevitra rehetra, raha tsy hita eo ambanin’ny lohateny voalohany nosokafanao izay tadiavinao, dia manandrama mitady any amin’ny lohateny hafa. Manontania tena hoe: “Iza no tafiditra? Zava-dehibe ve ny toerana voafaritra iray? Ny toetra sa fahaizan-javatra manokana iray? Ny fihetseham-po lehibe indrindra ve? Sa ny zava-kendrena iray?” Raha mahita lohateny lehibe izay toa mifanentana ianao, dia topazo maso haingana aloha ireo fanondroana izay eo ambaniny avy hatrany. Mitsitsy fotoana izany matetika satria hanome anao lohateny hafa iray izay akaikin’ilay hevitra kokoa.
5 Ny fahakingana amin’ny fampiasana ireo Index dia afaka mandray anjara lehibe eo amin’ny fahombiazantsika amin’ny fanatanterahana ny andraikitsika masina. Handray soa ny fianakaviantsika, ny olona ampianarintsika ny Baiboly ary ny kongregasionantsika, arakaraka ny hahatongavantsika ho kinga kokoa amin’ny fampiasana io fitaovana io. Ny fanontana amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana ho avy dia hamaofivaofy lafiny hentitra sasantsasany izay hahatonga ny Index des publications de la Société Watch Tower ho fanampiana tsy hay tombanana amin’ny fanatanterahana ny fanompoantsika ilay Fanjakana.