Fampidiran-dresaka izay misarika ireo tompon-trano hihaino
1 Inona no tapany lehibe indrindra amin’ny fampisehoanao isan-trano? Hanaiky ny ankamaroantsika fa izany dia ny fampidiran-dresaka. Raha tsy mahavita manaitra ny fahalianan’ilay tompon-trano ao anatin’ireo 30 segondra voalohany eo ho eo ianao, dia azo inoana fa hamarana ilay fifampiresahana izy.
2 Lafin-javatra inona avy no tokony hoheverinao rehefa manomana fampidiran-dresaka mandaitra ianao? Fakafakao ireo fomba amam-panao sy ireo zavatra ilain’ireo olona azo inoana fa ho hitanao. Moa ve fomban’ny olona ny mifanao resaka mampihomehy aloha, sa antenainy ny hilazanao avy hatrany ny anton-dianao? Moa ve misy mpivady tanora maro eo amin’ilay faritra misy anao? Inona avy no zavatra ahin’izy ireo? Moa ve ireo olona eo amin’ny manodidina anao mahatsapa ireo zava-manahirana mianjady amin’ny olombelona amin’ny ankapobeny?
Mety hahasarika azy hihaino ianao amin’ny filazana zavatra toy izao:
◼ “Manao ahoana, Tompoko ô. Ra______ no anarako. Nampieritreritra ahy ny namaky fa misy olona maty mosary sy voavono amin’ny ady. Mampieritreritra anao koa ve izany?” Ireto misy fanontaniana hafa mety hanampy anao hanomboka fifampiresahana: “Inona no vahaolana amin’ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao?” “Mihevitra ve ianao fa misy olona afaka manala amin’ny tany ireo zava-manahirana amin’izao andro izao?” “Aoka hatao hoe misy mpanapaka manana ireo toetra takina toy ireo voatonona ao amin’ny Isaia 9:5, 6 [6, 7, MN]? [Vakio ary hazavao ilay andinin-teny.]”
3 Amin’ny faritany sasany, ny olona dia mety hampiseho fiahiana ny tranony sy ny fianakaviany bebe kokoa noho ireo raharaha maneran-tany toy ny fiadanana eran’izao tontolo izao.
Mety hanaitra fahalianana ianao amin’ny fanontaniana hoe:
◼ “Karazam-piainana manao ahoana no hitanao ho an’ny tenanao sy ny fianakavianao rehefa afaka folo taona any? Mampahery indrindra ny fomba fihevitry ny Baiboly momba ny hoavy satria milaza mialoha ny amin’ny fahatongavan’ny mpanapaka iray izay hampihatra fitondrana mifanaraka amin’ny fari-pitsipika lavorary, izy io. Mariho ange izay lazain’ny Isaia 9:5, 6 [6, 7, MN] momba azy e.”
4 Mipetraka ao amin’ny faritra iresahana isan’andro momba ny heloka bevava sy ny fiarovana ve ianao? Mety ho vonona hihaino ny sasany raha mampiasa ny fampidiran-dresaka voalohany eo ambanin’ny hoe “Heloka bevava/Tsy fananana ahiahy” eo amin’ny pejy faha-10 amin’ny boky Fanjohian-kevitra ianao.
Afaka milaza ianao hoe:
◼ “Manao ahoana ô. Miresaka amin’ny olona momba ny tsy fananana ahiahy ho an’ny isam-batan’olona izahay. Be dia be ny heloka bevava manodidina antsika, ary mahakasika ny fiainantsika izany.” Avy eo, ny fanontaniana toy ny hoe “Inona no vahaolona amin’izany?”, na hoe “Mihevitra ve ianao fa misy olona afaka manala amin’ny tany ireo zava-manahirana ireo?”, na hoe “Ahoana raha misy mpanapaka iray manana ireo toetra takina toy ireto?”, dia mety hanampy anao hanomboka fifampiresahana. Azonao atao amin’izay ny mamaky ny Isaia 9:5, 6 [6, 7, MN].
5 Isika rehetra, anisan’izany ireo tanora mbola mandeha mianatra, dia afaka mampiasa ireny fomba fampisehoana tsotra misy andinin-teny tokana ireny avokoa. Raha ny tena izy, dia mety ho tianao ny hanandrana iray amin’izany rehefa manolotra gazety. Tadidio fa ny zava-kendrentsika dia ny hanombana ny halalin’ny fahalianan’ilay tompon-trano alohan’ny hanolorana zavatra vita an-tsoratra aminy. Tsy ekenao ve fa ny fampisehoana misy andinin-teny toy izany dia ho fomba tsara dia tsara hahitana raha toa maneho fahalianana amim-pahatsorana ny mpihaino antsika na tsia? Mino izahay fa maro be no ho faly hampiasa ireny fomba fampisehoana ireny mandritra ny volana Janoary, rehefa manolotra gazety sy rehefa mampiseho ny zavatra atolotra amin’ny volana.
6 Raha mampiasa amin’ny fomba mandaitra ireo 30 segondra voalohany amin’ny fitsidihanao ianao, amin’ny fihetsikao sy ny fampidiran-dresaka ampiasainao, dia azo inoana fa hahatratra ilay zava-kendrena lehibe ianao, dia ny fisarihana ireo tompon-trano hihaino.