Omano ny fomba fampiseho hampiasainao amin’ny Febroary
1 Mandritra ny volana Febroary isika dia hanasongadina ireo boky Tsy mahay mandainga, Fiadanana sy filaminana ary Fahamarinana. Ireo zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara ireo dia azo ampiasaina mba hampisehoana ny vaovao tsara amin’ny fomba maro isan-karazany. Tsy isalasalana fa ho hitanao fa hanampy anao ny fianarana sy ny fampiasana ny iray na ny rehetra amin’ireto fomba fampiseho anolorana hevitra manaraka ireto.
2 Ny tany — Fonenan’ny olombelona maharitra: Raha tianao ny hanombo-dresaka amin’ny olona manahy ny amin’ny tany sy ny tontolo, dia andramo ny loha hevitra hoe “Natao haharitra mandrakizay ho fonenan’ny taranak’olombelona ny tany”. Azo ampifanarahina tsara amin’ny toe-javatra mipoitra io foto-dresaka io mba hisarihana ny sain’ireo olona miahy ny amin’ny fianakaviana, ireo tia ny zavaboary ary ireo mpiaro ny tontolo iainana. Ny andinin-teny hampiasaina amin’izany dia ny Mpitoriteny 1:4. Hazavaina ao amin’ny boky Tsy mahay mandainga, pejy faha-383, fehintsoratra faha-21, io loha hevitra sy andinin-teny io.
3 Rehefa avy nampahafantatra ny tenanao ianao dia afaka milaza hoe:
◼ “Mitsidika anao vetivety aho mba hiresaka momba ny raharaha iray izay mampanahy mafy ny maro amintsika. Fonenantsika ny tany ary tsy isalasalana fa ianao koa dia manahy ny amin’ny fanimban’ny olona azy io. Tsy mitsahatra mampitandrina ireo mpahay siansa sy mpiaro ny tontolo iainana fa, raha mitohy ny fandotoana, dia hanjary tsy ho azo ipetrahana ny tany. Mahita vahaolana amin’io zava-manahirana io ve ianao? [Miatoa mba hitenanan’ilay tompon-trano raha maniry hanao izany izy.] Tiako haseho aminao vetivety izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavin’ny tany ao amin’ny Mpitoriteny 1:4.” Vakio ilay andinin-teny ary asehoy ny fanazavana ao amin’ny fehintsoratra faha-21 eo amin’ny pejy faha-383 amin’ny boky Tsy mahay mandainga.
4 Hesorina ny faharatsiana: Mba hahaliana ireo olona manahy ny amin’ny heloka bevava, ny herisetra ary ny ady, dia mety ho tianao ny hiresaka amin’izy ireny momba ny loha hevitra hoe “Hesorina ny faharatsiana mba hahafahan’ireo tia an’Andriamanitra hifaly amin’ny fiainana sy ny fiadanana”. Manoritra izany hevitra izany ny Salamo 37:9-11, ary hazavaina ao amin’ny boky Fahamarinana, pejy faha-105, fehintsoratra faha-10, io andinin-teny io.
5 Aorian’ny teny fampidirana mahazatra, dia azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Heverinao ve fa hisy fotoana any aoriana any tsy hahavoatery antsika hiady amin’ny heloka bevava sy ny herisetra? [Mamelà fotoana hamalian’ilay tompon-trano.] Mampiseho ny vahaolana maharitra ho amin’izany ny Baiboly eto amin’ny Salamo 37:9-11.” Vakio ilay andinin-teny ary sokafy eo amin’ny pejy faha-105 ny boky Fahamarinana mba hamakiana ny fehintsoratra faha-10.
6 Ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty: Koa satria nisy fotoana namoizan’ny tsirairay amintsika olon-tiana tamin’ny fahafatesana, dia hitondra fampiononana ny hanombohana resaka momba ny foto-dresaka hoe “Hanome indray ny fiainana ao anatin’ny toe-piainana paradisa ho an’ireo olon-tiana nody mandry ny fanapahan’ilay Fanjakana”. Azonao atao ny mampiasa, na ny Jaona 5:28, 29 na ny Lioka 23:43 (MN), sy ny mampiseho ny fanazavana momba io foto-dresaka sy andinin-teny io hita ao amin’ny boky Fiadanana sy filaminana, pejy faha-105 ka hatramin’ny faha-106, fehintsoratra faha-20.
7 Azonao atao ny manomboka ny resakao amin’ny alalan’ny fampidiran-dresaka fahefatra eo amin’ny pejy faha-11 amin’ny boky “Fanjohian-kevitra” ary avy eo dia milaza hoe:
◼ “Indraindray, ny ankamaroantsika dia mieritreritra momba ireo olon-tiantsika nafointsika tamin’ny fahafatesana. Mihevitra ve anefa ianao fa mety ho hitantsika indray izy ireny? [Omeo fahafahana hilaza ny heviny ilay tompon-trano.] Olona maro iresahanay no gaga rehefa mahare izay ampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra ary koa fa ho tanteraka eto an-tany mihitsy io fahatsinjovan-javatra io. Mariho ny fampanantenan’ny Baiboly ao amin’ny (...).” Ampiasao, na ny Jaona 5:28, 29 na ny Lioka 23:43 (MN), ary ampifandraiso amin’izany ny fanazavana ao amin’ny fehintsoratra faha-20 eo amin’ny pejy faha-105 ka hatramin’ny faha-106 amin’ny boky Fiadanana sy filaminana.
8 Omano ary ampiasao ny iray na ny rehetra amin’ireo fomba fampiseho ireo amin’ity volana ity. Tsy tokony ho sarotra ny hahita teny sy sary mifanentana tsara ao amin’izay zavatra vita an-tsoratra ampiasainao. Raha tsy dia mampiseho fahalianana firy ilay olona, dia manolora taratasy mivalona iray miresaka momba ny foto-kevitra mifandray amin’izay noresahinao.