Ny fanombohana ny fifampiresahana rehefa miverina mitsidika ianao
1 Mba hahitana vokatra tsara amin’ny fanombohana fifampiresahana amin’ny olona iray nampiseho fahalianana tamin’ny fitsidihana voalohany, dia miezaha hanao zavatra miorina amin’izay naorina tamin’iny toe-javatra voalohany iny. Ny zava-kendrena dia ny hanampy ilay olona hankasitraka ny hasarobidin’ireo hevitra sy zavatra vita an-tsoratra navela taminy teo aloha.
2 Makà fotoana hanaovana fiomanana ho amin’ilay fiverenana mitsidika. Mifidiana fanazavana manaitra fahalianana hitanao ao amin’ilay zavatra vita an-tsoratra asongadinao. Manehoa fahaiza-manavaka mba hahafantarana ny habetsahan’ny fanazavana hasehonao sy ny faharetan’ny fitsidihanao. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny tsara indrindra dia ny firesahana vetivety hevitra iray na roa, raha tsy hoe maneho fahalianana tsy araka ny fahita angaha ilay olona. Diniho ireto loha hevitra manaraka ireto:
3 Toe-piainana manao ahoana no azontsika antenaina fa ho tonga eto ambonin’ny tany mba hahafahan’izy io ho fonenan’ny olombelona maharitra? Io resaka io dia miorina amin’ny Isaia 11:6-9 sy 65:25, araka ny hazavaina eo amin’ny pejy faha-379 amin’ny boky Tsy mahay mandainga.
Azo ampidirina amin’izao teny izao ny fifampiresahana:
◼ “Fony aho nitsidika anao tamin’ny farany iny, dia niresaka ny amin’ny fikasan’Andriamanitra ny amin’ny haharetan’ny tany mandrakizay isika. Kanefa, rehefa nandao anao aho, dia namela fanontaniana iray mba hoeritreretinao hoe: Toe-piainana hanao ahoana avy no hanjaka amin’izay? Faly aho izao afaka niverina sy hampiseho aminao ny valinteny avy amin’ny Baiboly.”
4 Izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fiainana eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra: Ity loha hevitra ity dia azo velabelarina amin’ny fampiasana ny Jaona 17:3 sy ny Jeremia 31:34, araka ny hazavaina ao amin’ny boky Fahamarinana, pejy faha-10.
Ho fanombohana, dia azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Nahafaly ahy ilay niara-niresaka taminao momba ny fampanantenan’Andriamanitra hamarana ny faharatsiana. [Asao haka ny bokiny Fahamarinana ilay olona.] Ny fanontaniana iray izay tokony hitana ny sain’ny tsirairay avy amintsika dia ny hoe: Inona no azontsika atao mba ho eo an-toerana amin’izay ka handray soa avy amin’io fiovana io? Mariho izay nolazain’i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:3, araka ny voatonona eo amin’ny pejy faha-10 amin’ny bokinao.
5 Zavatra ilaina inona avy no homena ao amin’ny tany paradisa? Azonao ampiasaina, na ny Salamo 65:9-13 sy 72:16, na ny Isaia 11:6-9 sy 65:25. Misy fanazavana mifanentana tsara ao amin’ny boky Fiadanana sy filaminana, pejy faha-100 sy faha-101.
Mety ho toy izao ny teny fanokafana hataonao:
◼ “Fony aho tatỳ tamin’ny [lazao ny andro] farany teo, dia nomarihintsika ny fampanantenan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Zanany, hanangana amin’ny maty ireo olon-tiana nody mandry ho ao amin’ny tany paradisa. Inona avy ny sasany amin’ireo fitahiana hankafizina amin’izay? Ny bokinao dia mampiseho araka ny Soratra masina hoe inona avy ny sasany amin’izany.” Miorina amin’ny fakàn-teny nomena tetsy ambony, dia mamakia andinin-teny iray na roa avy ao amin’ny Baiboly sy fanazavana avy ao amin’ilay boky, angamba ny fehintsoratra faha-9 ka hatramin’ny faha-11.
6 Olona maro no nampiseho fahalianana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana torintsika. Amin’ny toe-javatra maro, dia mahita eo amin’izy ireny fahalianana ampy mba hametrahana aminy ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika, isika. Amin’ny tarehin-javatra hafa kosa, dia nahamarika fankasitrahana ny fifampiresahana araka ny Soratra masina nataontsika tamin’ny voalohany, isika. Noho izany, dia manaova fiverenana mitsidika amin’izay rehetra naneho fahalianana ary miezaha hampianatra azy ireny ny fahamarinana. — Matio 10:11; 28:19, 20; Jaona 21:17; Apokalypsy 22:17.