Vaovao Teokratika
Bolivia: Ny sampana dia nanao tatitra ny amin’ny tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 9 588 tamin’ny Oktobra. Nahatratra tampon’isa vaovao koa ry zareo teo amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano, ny fiverenana mitsidika, ny mpitorin’ny kongregasiona, sy ny mpisava lalana maharitra. Nanana antsalany 14 ora ireo mpitorin’ny kongregasiona teo amin’ny asa fanompoana.
India: Tamin’ny Oktobra dia tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 13 217 no tratra. Io no tampon’isa fahatelo nisesy azon-dry zareo.
Lituanie: Ny rapaoro tamin’ny Oktobra dia mampiseho tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 871, izany hoe fitomboana 39 isan-jato mihoatra noho ny tamin’ny Oktobra 1992.