FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/92 p. 6
  • Fitsidihana voalohany mandaitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana voalohany mandaitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiverenana mba Hampitombo ny Fankasitrahana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Ambarao Hatraiza Hatraiza ny Hatsaran-toetran’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Apetraho ny Fototra Amin’ny Fitsidihanao Voalohany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 4/92 p. 6

Fitsidihana voalohany mandaitra

1 Mety ho tena sarotra tokoa ny fanombohana resaka eo amin’ny fanompoana, satria ny olona revo aoka izany amin’ireo raharahan’ny tenany manokana na manana fomba fihevitra voafaritra tsara momba ny fivavahana. Inona no azontsika tadidina ao an-tsaina ka hanampy antsika hanao izay handairan’ny fitsidihana voalohany ataontsika?

2 Koa satria vanintaona misy fety izao, dia azonao atao ny manombo-dresaka amin’ny filazana hoe:

◼ “Amin’izao fotoana amin’ny taona izao, dia azo antoka fa mieritreritra ny soron’i Jesosy isika. Inona no heverinao fa ataon’i Jesosy amin’izao fotoana izao?” Avelao izy hamaly. Avy eo dia azonao atao ny mampiseho amin’ilay tompon-trano ny Apokalypsy 6:2, izay milazalaza an’i Jesosy ho mitaingina soavaly fotsy iray ary mandroso mba hamita ny fandreseny. Hazavao ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-mpanjaka azy sy ireo soa maharitra hoentin’ny fanapahany ho an’ny taranak’olombelona mankatò rehetra.

3 Rehefa manolotra Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Martsa 1992 hoe “Moa ve ankasitrahan’Andriamanitra ny fankamasinana relìka?”, ianao, dia afaka milaza hoe:

◼ “Milaza ho manompo an’Andriamanitra sy manaraka an’i Jesosy Kristy amin’ny fomba mety ny olona maro maneran-tany. Manontany tena amim-pahatsorana ny olona tso-po hoe inona no fihevitr’Andriamanitra momba ireo fomba fivavahana aminy maro samy hafa ireo. Ny fanompoam-pivavahana atolotra an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, araka ny fomba ankasitrahany, dia hazavaina ao amin’ny teniny.” Vakio ny Jaona 4:24, ary asehoy fa io nomerao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana io dia mampiseho fa ilaina ny mampitombo ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra mba hahafantarana raha ankasitrahan’Andriamanitra ny fomba ivavahantsika aminy, araka ny asehon’ny fehintsoratra farany eo amin’ny pejy faha-6.

4 Azonao atao ny mampiditra Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1992, amin’ny fanasongadinana ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandreman-tena amin’ireo mpaminany sandoka, amin’ny filazana hoe:

◼ “Maro be ireo mpitarika ara-pivavahana milaza fa mampianatra ny fahamarinana. Heverinao ve fa mankasitraka azy rehetra ireo Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Diniho ny valinteny omen’ny Baiboly.” Avy eo dia vakio ary hazavao ny Matio 15:14, na ny Jeremia 23:30. Rehefa avy nanao fanazavana fohy ianao, dia mampisehoa zavatra iray ao amin’ilay lahatsoratra izay mety hanaitra ny fahalianan’ilay olona hamaky ilay gazety, toy ny fehintsoratra farany eo amin’ny pejy faha-7, ohatra. Raha mahamarika fahalianana feno fahatsoram-po ianao, dia afaka manolotra famandrihana.

5 Tadidio ao an-tsaina fa ny zava-kendrentsika dia ny hitarika fampianarana Baiboly. Koa satria maro ireo ho mpitory maharitra mpanampy amin’ny Aprily, dia hanana fahafahana bebe kokoa ihany isika hahita olona izay liana ny hianatra ny Baiboly. Kanefa na dia tsy mamela antsika hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy mandritra ny volana Aprily aza ny toe-javatra misy antsika, dia samy afaka mametra ho zava-kendrena ny hanombohana fampianarana Baiboly iray avy isika rehetra.

6 Misy mpitory nampiasa taratasy mivalona mba hanombohana fampianarana Baiboly dieny eo amin’ny fitsidihana voalohany.

Rehefa manolotra ny taratasy mivalona hoe “Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao” ianao, dia afaka milaza hoe:

◼ “Izahay dia mpiasa an-tsitrapo eto amin’ny manodidina anao. Mamelà ahy hanome anao ity taratasy mivalona ity, izay mampahafantatra hoe inona izany asa ataonay izany. Heverinao ve fa hitovy amin’izao ny tany indray andro any?” Rehefa avy nahazo valiny ianao, dia afaka miara-mandinika amin’ilay olona ireo fehintsoratra vitsivitsy voalohany, amin’ny fanasongadinana ny Matio 6:9, 10 sy ny Salamo 37:29.

7 Eritrereto amim-pitandremana ny fomba hanombohanao resaka. Misy fanoloran-kevitra faran’izay tsara atolotra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo amin’ny pejy faha-9 ka hatramin’ny faha-15. Ny fampiasana amim-pahakingana ireo fampidiran-dresaka ireo dia hanampy mba handairan’ireo fitsidihana voalohany hataonao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara