Ampiasao ny boky Fanjohian-kevitra any amin’ireo fiverenana mitsidika
1 “Izaho namboly, Apolosy nanondraka.” (1 Kor. 3:6, NW). Ireo teny efatra ireo dia manoritra amin’ny fomba tsotra ireo dingana roa voalohany eo amin’ny fanaovana mpianatra. Noharina matetika tamin’ny asa “fanondrahana” ny asa fanaovana fiverenana mitsidika. Dingana iray tena ilaina mampitohy ny fifampikasohana voalohany amin’ny fahatongavan’ilay olona ho mpianatra vita batisa, izy io. Ny asa fanaovana fiverenana mitsidika dia mahatonga antsika ho afaka ‘hampiely fahalalana’ mba hanolokoloana ilay voam-pahalianana naseho, mandra-pamakany ka hanombohana fampianarana Baiboly iray. — Ohab. 15:7, NW.
2 Mety tsy ho vonona ny hiverina indray any amin’izay nanehoana fahalianana ny sasany, noho ny tsy fahazoana antoka ny amin’izay holazaina. Hita ho nanampy tokoa mba hanaovana io fanondrahana io ny bokintsika hoe Ny fomba fanjohian-kevitra avy amin’ny Soratra Masina. Mazàna, alohan’ny haneken’ny tompon-trano fampianarana Baiboly halamina tsy tapaka, dia misy fitsidihana fohy mitohitohy aloha tsy maintsy hatao. Manoritra loha hevitra araka ny Soratra Masina izay azo dinihina miaraka amin’ilay tompon-trano ny boky Fanjohian-kevitra. Miomàna tsara ho amin’ilay fiverenana mitsidika, angamba amin’ny fampiasana ny iray na mihoatra amin’ireto fanoloran-kevitra manaraka ireto.
3 Amin’ny fiverenana mitsidika iray, rehefa avy nanontany an’ilay tompon-trano ny amin’ny fahazoany ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra, resahina ao amin’ny Vavaka nampianarin’ny Tompo, ianao, dia sokafy eo amin’ny pejy faha-193 ka hatramin’ny faha-199 ilay boky. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia velabelaro ireo andinin-teny eo ambanin’ny hoe “Tena fitondram-panjakana ve ny Fanjakan’Andriamanitra?” sy ny hoe “Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?” Hazavao ny maha-diso ilay fiheverana fahita fa ao am-pon’ny olona ilay Fanjakana. Tena fitondram-panjakana marina izy io! Aza resahina indray mandeha avokoa ny fanazavana rehetra, fa manaova fanontaniana sasantsasany mba hodinihina any aoriana.
4 Amin’ny toe-javatra iray hafa ianao dia afaka manontany hoe:
◼ “Misy porofo ve fa natao mba hiaina mandrakizay eto an-tany ny vatan’olombelona?” Na koa hoe: “Heverinao ve fa mahafantatra izay ataon’ny velona ny maty?” Mety hanaitra fahalianana ao amin’ilay tompon-trano ireo fanontaniana ireo satria mahakasika azy manokana. Manaova fandaharana mba hiverenana miaraka amin’ny valiny hita ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-212, ary koa faha-106 ka hatramin’ny faha-107.
5 Raha momba ny hoavin’ny tany ilay resaka tamin’ny voalohany, dia afaka manontany ianao hoe:
◼ “Moa ve ny olombelona havelan’Andriamanitra hanimba ny tany na amin’ny fomba ahoana izany na amin’ny fomba ahoana?” Avy eo, dia sokafy eo amin’ny pejy faha-280 ka hatramin’ny faha-281 ny boky Fanjohian-kevitra ary resaho ny amin’ny valiny araka ny Soratra Masina. Na mety hanontany koa ilay tompon-trano hoe: “Raha misy an’arivo tapitrisany maro ireo hatsangana amin’ny maty, aiza no hiainan’izy rehetra ireo?” Hita ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, eo amin’ny pejy faha-172, ny valin’izany.
6 Miezaha mba tsy hanototra ilay tompon-trano amin’ny fahamarinana rehetra indray mandeha. Avelao hovaliana amin’ireo fitsidihana manaraka ny fanontaniana sasany. Amin’ny maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra antsika, dia tiantsika ny hanatontosa amim-pahakingana ny asa fambolena sy fanondrahana amin’ny fampiasana amin’ny fomba mandaitra ny boky Fanjohian-kevitra. Afaka mahazo antoka isika fa hampitombo izany Andriamanitra.