FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/92 p. 7
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihevitra Ireo Bokintsika ho Sarobidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpiandraikitra ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Ampiasao Amim-pahendrena Ireo Boky sy Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara — Amin’ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsorat
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 7/92 p. 7

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Amin’ny fomba ahoana no mety hanarahan’ny mpiandraikitra ny asa maso ny asan’ireo mpikarakara momba ny asa mikarakara ny boky sy ny gazety?

Ny raharaha sahanin’ny mpiandraikitra ny asa dia tsy voafetra ho amin’ny fitsidihana ao anatin’ny volana ireo antokon’olona miara-manao fianarana ny boky sy amin’ny fandaminana ireo fivoriana ho amin’ny asa fanompoana tsy tapaka fotsiny. Io loholona be zotom-po io dia tena liana mafy amin’izay rehetra mahakasika ny fandrosoan’ny asa fitoriana eo amin’ny faritany notendrena ho an’ny kongregasiona.

Hataony azo antoka fa isam-bolana dia misy tahiry ampy tsara amin’ireo zavatra vita an-tsoratra sy gazety, azo raisina mba hampiasaina eo amin’ny asa fanompoana, ary koa fa tena tsara dia tsara ny fisehoan’izy ireo. Ho amin’izany zava-kendrena izany no anarahany maso ny maro amin’ny andraikitr’ireo mpikarakara momba ny asa notendrena mba hikarakara ny boky sy ny gazety.

Mampifantoka manokana ny sainy amin’ireo fampandrenesana momba ireo zavatra hatolotra amin’ny ho avy avoaka ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ny mpiandraikitra ny asa. Izy sy ilay rahalahy mikarakara ny boky dia miara-miasa akaiky mba hahazoana antoka fa ampy tsara mba hampiasaina ireo zavatra vita an-tsoratra, kanefa tsy maintsy mitandrina izy ireo mba tsy hanafatra be loatra. Raha misy zavatra vita an-tsoratra hampiasaina voalohany eo amin’ny asa fanompoana na hianarana tsy ho ela ao amin’ny kongregasiona, izany lafin-javatra izany dia tokony hodinihina rehefa misy fanafarana alefa any amin’ny Fikambanana. Raha efa natolotra taloha ilay zavatra vita an-tsoratra, ny filazana asan’ny kongregasiona tamin’ny fotoana nanolorana azy io farany dia hampiseho raha ho ampy ny tahiry eo an-toerana. Mazava ho azy fa tokony hanehoana fiheverana koa ny lafin-javatra toy ny isan’ny mpitory izay ho mpitory maharitra mpanampy mandritra ny volana, ary koa ny fitomboan’ny isan’ny mpitory tsotra sy ny mpitory maharitra mandavantaona hatramin’ny fotoana farany nanolorana io zavatra vita an-tsoratra io. Tokony ho azo raisina aloha sy aorian’ireo fivorian’ny kongregasiona ireo zavatra vita an-tsoratra. Tokony hotahirizina tsara amin’ny toerana madio sy maina ireo baoritra misy zavatra vita an-tsoratra ary ho voampirina mba tsy hiharan’ny fahasimbana.

Ny mpiandraikitra ny asa koa dia hiara-miasa amin’ilay rahalahy mikarakara ny gazety. Indraindray, ny mpiandraikitra ny asa sy ilay rahalahy mikarakara ny gazety dia tokony hampitaha ny isan’ny gazety hafarana isam-bolana amin’ny isan’ny gazety tena voapetraka tokoa eo amin’ny fanompoana. Angamba misy mpitory sasany tokony hampihena ny isan’ny gazety hafarany raha miangona tsy tapaka ao an-tranony izy ireo. Tsy tokony holanilanina foana ireo gazety.

Amin’ny fitadidiana ao an-tsaina izany fotopoto-pitsipika izany ihany, ny tenan’ny mpiandraikitra ny asa dia tokony hijery manokana ny isan’ny zavatra vita an-tsoratra ampiasaina eo amin’ny asa fanompoana hafaran’ny kongregasiona amin’ny Taratasy fanafarana zavatra vita an-tsoratra (S-AB-14). Avy eo izy dia hamerina ilay taratasy amin’ny mpitantsoratry ny kongregasiona, izay hijery ny faritra hafa amin’ilay taratasy amim-pitandremana, ary hampifantoka manokana ny sainy amin’ny isan’ireo zavatra hafarana manokana voalaza ao.

Mazava ho azy fa hisy asa an-taratasy ilaina hatao mba hikarakarana araka ny tokony ho izy ny boky sy ny gazety. Raha manana fanontaniana mifandray amin’ny fampiasana taratasy hofenoina sy firaketana an-tsoratra ireo rahalahy notendrena ho amin’izany, dia ny mpitantsoratra no ho faly hanampy azy ireo amin’io lafiny amin’ny asany io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara