FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/92 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Oktobra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Oktobra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 5 Oktobra
  • Herinandron’ny 12 Oktobra
  • Herinandron’ny 19 Oktobra
  • Herinandron’ny 26 Oktobra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 10/92 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Oktobra

Herinandron’ny 5 Oktobra

Hira 92, Hira 63

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana, sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, ary hevitra misongadina avy amin’ny Vaovao Teokratika. Diniho ireo lahatsoratra miavaka avy amin’ireo gazety farany; manaova fampisehoana fohy iray na roa momba ny fomba ahafahana manolotra azy ireo rehefa avy manao resaka ara-baiboly aloha. Ampirisiho ny rehetra mba hanararaotra ny hafanana antonony amin’ny Oktobra mba hanitarana ny fandraisany anjara amin’ny asa fanompoana.

15 min: “Ampiasao Tsara Ireo Gazety”. Fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia manomeza fanipazan-kevitra ny amin’ny fomba anombohana lalana fizarana gazety: Mampiasà fomba tsotra sy mivantana; mihazòna fandraisana an-tsoratra isan-trano tsara; ampitomboy ny fahalianana amin’ireo nomerao ho avy amin’ny fanononana ireo lahatsoratra hivoaka; milazà fanontaniana izay hovalian’ireo lahatsoratra ho avy; ataovy azo antoka ny hiverina isaky ny tapa-bolana. — kmMG 9-10/84 p. 4, 5.

20 min: Fitarihana ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona amin’ny alalan’ny boky Lehilahy Niavaka. Mifidy mpitory efatra na dimy ny mpitarika Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona iray mba hampisehoana amin’ny kongregasiona ny fomba itarihana ilay fianarana. Io fampisehoana io dia tokony ho voaomana tsara ary hotarihina araka ireo toromarika voasoritra tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Septambra. Ampiasao ny toko faha-11 amin’ny boky Lehilahy Niavaka. Asehoy ny fomba azo anapahana ireo andinin-teny voalaza lava kokoa mba hamelana mpamaky maherin’ny iray hamaky azy ireo na mba hanasongadinana ireo tapany fototra aminy rehefa tsy mamela hamaky ireo andinin-teny manontolo ny fotoana. Azon’ilay mpitarika atao ny manao teny fohy tsindraindray mandritra ilay fampisehoana mba hisarihana ny sain’ireo mpanatrika ho amin’ilay fomba ampiasaina. Tokony hanaraka ilay fampisehoana amin’ny bokiny manokana ny tsirairay avy amin’ny mpanatrika.

Herinandron’ny 12 Oktobra

Hira 164, Hira 221

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Hazavao fohy ny fomba famenoana ireo taratasy famandrihana, ary ampahafantaro hoe iza ilay (ireo) rahalahy notendrena mba handray ireo famandrihana.

20 min: “Ampio Ireo Ankizy mba Hanompo an’i Jehovah avy Amin’ny Fony”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Antitrantero ny ilàn’ny ray aman-dreny hanatontosa ny andraikiny hanome ny ohatra ary hampiofana manokana ny zanany eo amin’ny fanompoana. Asao ny ray na ny reny iray na roa hitantara izay nataony ka nitondra vokatra tsara. Asaivo manao fampisehoana ny ray na reny iray momba ny fomba nanampiany ny zanany iray hanomana foto-kevitra ara-baiboly iray hampiasainy eo amin’ny fanompoana isan-trano. Farano amin’ny fangatahana tanora iray hanao fampisehoana momba ny iray amin’ireo resaka anipazana hevitra.

10 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Diniho miaraka amin’ny mpanatrika ilay lahatsoratra. Antitrantero hoe nahoana no zava-dehibe ny hananan’ireo ankizy laza tsara raha ny amin’ny fitondrantena sy faniriana feno fahatsorana handray anjara amin’ny asa fanompoana mba hamenoana fepetra hahatongavana ho mpitory tsy vita batisa.

10 min: Teny Ataon’ny Mpitory Tanora. Asao ny ankizy niomana sasany mba hanazava ny fomba namenoany fepetra mba ho mpitory tsy vita batisa, ary koa hoe nahoana izy ireo no mankafy ny asa fanompoana sy maniry handray anjara bebe kokoa amin’izany. Tokony hilaza teny manorina izay avy amin’ny tenany manokana ireo adinadinina fa tsy hamerina teny nasaina haveriny tsianjery.

Herinandron’ny 19 Oktobra

Hira 77, Hira 88

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vakio ny filazana momba ny toe-bola fanao isam-bolana; manomeza teny fiderana miorina amin’ny 2 Korintiana 9:6, 7. Asao ny mpitory efa niomana hitantara zavatra miavaka hitany tamin’ny fanolorana gazety sy famandrihana nandritra ny volana Oktobra.

15 min: “Mianara Fampidiran-dresaka Manosika ny Olona Hanao Zavatra”. Manaova lahateny iray mandinika ny fomba hanomanana fomba fampiseho mampiasa ireo lahatsoratra asongadina ao amin’ireo gazety farany. Manaova fandaharana mba hisian’ny mpitory mahay roa hanao fampisehoana momba ireo fomba fampiseho anipazana hevitra; ataovy misy mpitory tanora iray mampiseho ny iray amin’izy ireo.

20 min: “Manehoa Fiheverana An’ireo Olona Liana”. Diniho miaraka amin’ny mpanatrika ilay lahatsoratra. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-2, dia manonòna hevitra nofantenana avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Janoary 1982, pejy 4-6, izay mampiseho ny fomba ahafahantsika manahaka an’i Jesosy amin’ny fanehoana fiheverana ny hafa. Hazavao ny fomba famenoana ny taratasy fandraisana an-tsoratra isan-trano sy ny fomba tokony hampiasana azy io mba hanolokoloana ny fahalianana. Manaova fampisehoana fohy ny amin’ny iray amin’ireo fanipazan-kevitra. Rehefa avy nanasa mpitory mahay iray nanao fampisehoana momba ilay fomba anipazana hevitra, dia asao ireo mpanatrika hilaza hoe nahoana izany no mety ho fomba mandaitra mba hanombohana fampianarana eo amin’ny faritany eo an-toerana.

Herinandron’ny 26 Oktobra

Hira 46, Hira 111

5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ny rehetra mba hieritreritra momba ny fahafahana hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny volana Novambra na Desambra, rehefa manome fotoana malalaka fanampiny mazàna ny vanin-taonan’ny fety.

15 min: Lahateny momba ny hoe “Baiboly”, miorina amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 77-83. Asongadino ny soa azon’ny tenantsika manokana avy amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika.

15 min: Fanasongadinana ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany mandritra ny volana Novambra. Lahateny sy fampisehoana. Diniho ireo hevitra misongadina ao amin’ny hoe “Jesosy Kristy” ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 295-306. Avy eo dia manaova fampisehoana ny fomba azo ampiasana ny fanipazan-kevitra voalohany eo ambanin’ny hoe ‘Tsy mino an’i Jesosy ianareo’, eo amin’ny pejy 305, rehefa miresaka amin’ny tompon-trano.

10 min: “Mpitondra Fahazavana eo Amin’ny Manodidina Antsika”. Asongadino ireo fomba azo ampiasana eo amin’ny faritany eo an-toerana ireo zavatra vita an-tsoratra vao navoaka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara