Mandraisa Soa Feno avy Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika 1993 “Fampianaran’Andriamanitra”
1 “Ampianaro (...) aho Jehovah ô”. (Salamo 86:11). Izany no tokony ho fiangaviana amim-pahatsorana hataon’ny mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena rehetra. Tapa-kevitra isika ny tsy hitsahatra na oviana na oviana ny hianatra, na hitsahatra na oviana na oviana ny hampihatra izay ianarantsika. Indraindray, dia mila ny hahitsy isika, ary toy ny nataon’ilay mpanao Salamo, dia mila ny mangataka amin’Andriamanitra isika mba hampiraisany ny fontsika mba tsy hahavoazarazara azy io. Ny fandaharan’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianaran’Andriamanitra” dia hanome ny fampianarana sy ny fanitsiana ilaintsika mba hanompoana an’i Jehovah amim-pahatokiana eo anivon’ireo faneren’ity fandehan-javatra ity.
2 Fivoriambe haharitra efatra andro: Ny fandaharana dia haseho amin’ny toerana mety 5 eto Madagasikara. Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1993 dia manome ny toerana hanaovana ireo fivoriambe ireo. Hanomboka ny alakamisy amin’ny 1.20 tolakandro ny fandaharana ary hifarana ny alahady amin’ny 4.15 tolakandro eo ho eo.
3 Inona no miandry antsika? Ventin-kanina ara-panahy tondraka haseho amin’ny fomba maro isan-karazany: lahateny, fampisehoana, fanadinadinana, ary fampisehoana tantara roa. Aza misy avela handalo fotsiny izany fampianarana iankinan’ny aina rehetra izany! Ankoatra izany, dia manantena ny hihaona amin’ireo olom-pantatsika taloha indray isika ary hifankahalala amin’ny olona vaovao maro.
4 Hitondra ny ampahafolon-karena rehetra ho ao an-trano firaketana ve ianao? Ao amin’ny Malakia 3:10 (NW), i Jehovah dia nampanantena tamin’ireo Isiraelita fa raha vonona ny hizaha toetra azy izy ireo, ka hitondra ny ampahafolon-karena rehetra ho ao an-trano firaketana, dia handrotsaka fitahiana manana amby ampy ho azy ireo izy.
5 Ho an’ny sasany, ny fizahana toetra an’i Jehovah dia ny fanatonana ny mpampiasa azy haingana araka izay azo atao mba hangataka fialan-tsasatra na fotoana tsy fiasana mba hanatrehana ny fivoriambe. Indraindray dia nisalasala ny hanao izany ireo rahalahy, tamin’ny fiheverana fa tsy hamela azy na oviana na oviana hanatrika fivoriambe iray ny mpampiasa azy ireo. Kanefa, amin’ny raharaha tsy mahakasika zavatra ara-panahy, dia angamba tsy hampananosarotra azy ireo firy akory ny hampahafantatra ny mpampiasa azy izay tiany hatao.
6 Tokony hanontany tena toy izao isika: Raha misy namana tsy fointsika iray hanambady any amin’ny faritra hafa, moa ve isika tsy hanatona ny mpampiasa antsika ka hangataka aminy fotoana tsy fiasana mba hanatrehana ilay fampakaram-bady? Ary raha toa misalasala izy, moa ve isika tsy hanazava amim-panajana fa zava-dehibe amintsika ny fahafahana handeha any? Azo antoka fa zava-dehibe kokoa noho ny fanatrehana fampakaram-bady iray ny hoe hampianarin’i Jehovah! Raha miaiky marina isika fa miankina amin’ny fandaharan’ny fivoriambe ny fitomboantsika ara-panahy, dia ho mora kokoa amintsika ny hampiaiky ny mpampiasa antsika mba hamela antsika hanatrika ny fivoriambe. — Jakoba 1:7, 8.
7 Teo amin’ny Isiraely, ny ampahafolon-karena dia ny fanohanana ara-nofo ny toeram-panompoam-pivavahana an’i Jehovah. Amin’izao androntsika izao, ny ampahafolon-karena dia ny fotoana, ny hery, ary ny vola izay ampiasaina mivantana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy ho fanohanana ny asa ho an’ilay Fanjakana. Ny ampahafolon-karena dia mahafaoka ny fotoana lanintsika any amin’ireo fivoriana sy fivoriambe ary fivoriamben’ny distrika, ary koa amin’ny fikojakojana sy fanadiovana ireo toeram-pivoriantsika. Hanome antsika fahafahana maro hitondra ny ampahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketana ara-panahin’i Jehovah ny fivoriamben’ny distrika “Fampianaran’Andriamanitra”. Inona avy ny sasantsasany amin’izany?
8 Afaka mitondra ny ampahafolon-karena isika amin’ny fihainoana amim-pitandremana ny fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika, amin’ny fandraisana anjara amin-kafanam-po amin’ny fihirana ny hiran’ilay Fanjakana tsirairay, ary amin’ny fihainoana amim-pitandremana ny vavaka tsirairay, mba hahafahantsika hanao hoe amena avy amin’ny fo.
9 Miankina be dia be amin’ny fomba fihainoantsika ny fandrosoantsika ao amin’ny fahamarinana. Ao amin’ny efitra lehibe na kianja malalaka iray, dia mora ny ho variana amin’izay ataon’ny hafa manodidina antsika. Noho izany antony izany, dia tsy maintsy manao izay tsy hampiriorio ny saintsika isika. Aoka ianao ho tonga any amin’ny fivoriambe vonona tanteraka, miaraka amin’ny fitaovanao rehetra, dia ny Baiboly, fihirana, penina sy taratasy, ary ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana natao hianarana amin’io herinandro io. Manampy ny fakana an-tsoratra an’ireo hevitra sy andinin-teny ampiasain’ny mpandahateny tsirairay. Ataovy fohy ireo fanamarihana horaisinao an-tsoratra; mety hisakana anao tsy hifantoka ny fakana an-tsoratra be loatra. Tokony hampiofanina hihaino amim-pitandremana koa ireo zanaka kely. Afaka mitondra ny ampahafolon-karenany miaraka amin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy, amin’ny fanarahana ny fandaharana akaiky araka izay azony atao.
10 Ny ray aman-dreny sasany dia mandamina fotoana milamina isan’andro any an-tokantrano, izay angatahany ny zanany hamaky na hijery sary ao amin’ny iray amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Noho izany fampiofanana tsara izany, dia mora lavitra amin’ny ankizy ny mipetraka tsy mitabataba mandritra ireo fivoriana sy fivoriambe. Milaza ireo ray aman-dreny izay nitaiza zanaka fakan-tahaka fa tsy namela azy ireny na oviana na oviana hitondra kilalao na boky holokoina tany am-pivoriana izy ireo. Na dia ireo ankizy madinika aza dia afaka mianatra fa ny anton’ny hanatrehana fivoriana dia mba hanompoana an’i Jehovah. Tena mendri-piderana marina ireo ray aman-dreny izay mampianatra ny zanany kely ny hevitry ny hoe mitondra ny ampahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketana!
11 Afaka mitondra ny ampahafolon-karena koa isika amin’ny fanolorana an-tsitrapo ny fotoanantsika sy ny herintsika ho fanampiana amin’ny fandaminana ny fivoriamben’ny distrika. Any amin’ny ankamaroan’ireo toerana, dia misy fandaharam-panadiovana andro iray na roa mialoha ny fanombohan’ny fivoriambe. Raha mipetraka eo akaiky ianao, nahoana raha manao fandaharana mba handraisan’ny fianakavianao manontolo anjara amin’izany? Ny rahalahy sasany dia mitondra miaraka aminy ireo miara-mianatra Baiboly aminy izay mandroso, mba hahafahan’ireny vaovao ireny hianatra izay tafiditra amin’ny fanohanana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah, na dia alohan’ny batisany aza. Maro ny zavatra azo atao mba hampizotra tsara ny fivoriambe. Nahoana raha manolo-tena hanao asa an-tsitrapo amin’ny maha-fianakaviana?
12 Ny fomba hafa iray hitondrana ny ampahafolon-karena dia ny fanohanantsika ara-bola ny fivoriambe. Rehefa nampiseho ny fomba hanaovana ireo fanomezana ara-nofo ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana madio i Jehovah, dia nandidy ny firenen’Isiraely toy izao: “Aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’i Jehovah; fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.” (Deot. 16:16, 17). Na betsaka na kely ny fanatitra azon’ny olona nomena, ka efa nomaniny mialoha, dia nankasitrahan’i Jehovah. Tahaka izany koa, rahalahy maro no nandinika tao amin’ny vavaka ny fanomezana niriny hatao, na vola izany na seky (atao amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.). Moa ve ianao mamela ireo zanakao kely handrotsaka fanomezana ao amin’ny vata?
13 Aoka ianao hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika: Amin’ny fahalalam-pomba asehontsika sy ny fitondran-tenantsika tsara dia tsara, dia afaka “hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra” isika. (Tit. 2:10). Raha lazaina amin’ny teny hafa, any amin’ny toeran’ny fivoriambe mihitsy, dia afaka mampiseho isika fa ampiharintsika eo amin’ny fiainantsika ny fampianaran’Andriamanitra.
14 Ahoana ny amin’ny fahalalam-pombantsika? Amin’izao andro izao, dia tsy fahita firy eo amin’izao tontolo izao ny fanehoana fiheverana ny hafa. Ny vahoakan’i Jehovah, izay tarihin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina, anefa, dia mihevitra, tsy ny tombontsoany manokana, fa ny tombontsoan’ny mpiara-belona aminy. (Fil. 2:4). Mihevitra ny hafa manodidina antsika isika. Tsy manosika na mandronjina isika rehefa milahatra haka sakafo na zavatra vita an-tsoratra. Maneho fiheverana isika, tsy ireo olona be taona ihany, fa ireo ankizy kely koa izay mety hiara-milahatra amin’ny ray aman-dreniny ka mety ho voatosiky ny olon-dehibe tsy mahamarika azy, mora foana. Eny am-pandehanana ho any amin’ny fivoriambe, dia maneho fahalalam-pomba foana isika.
15 Ny fitondran-tenantsika araka an’Andriamanitra dia tena misy vokany eo amin’ireo manodidina antsika. Tao amin’ny tanàna iray nanaovana fivoriamben’ny distrika tamin’ny taon-dasa, dia nilaza toy izao ny polisy iray izay nanao ny asany nandritra ny 21 taona: “Manohina ahy ny fifehezana azon’ny olona ao aminareo. Tena miavaka [izy ireo]; maka ny fako tsy miandry hobaikoana izy ireo sady milamina, ary ny fivoriambenareo dia voalamina tsara.” Hoy ny nanampiny: “Rehefa mahita anay ny olona ao aminareo dia mitsiky. Famantarana tsara izany, ary izany no tadiavinay. Famantarana ny toetra sariaka izany sady mampiseho fa tsy misy na inona na inona hafenina. Ary voamarikay koa fa miaraka amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy sady nahazo fifehezana tsara. Minoa ahy, fa tena manohina ahy izany. Mahafinaritra ny ho voatendry hiasa eto.”
16 Nanao dia manokana tany amin’ny Betela ny mpitondra fanjakana sasany mba hanasa antsika hanao fivoriambe iray tao amin’ny tanànany. Nanaiky ilay fanasana natao tamin-katsaram-panahy ny Fikambanana, ary tsy diso fanantenana ireo manam-pahefana tao amin’ilay tanàna. Nilaza toy izao ny mpiandraikitra lefitr’io tanàna io: “Mampientana anay aoka izany ny hisian’ny antokon’olona malaza toa anareo hivory eto amin’ny tanànanay. Nanao ezaka lehibe izahay mba hahatongavanareo eto (...) ary tsy misy hahafaly anay kokoa noho izao.” Tamin’ny fitondran-tena tsara dia tsara nasehony, dia nanampy tamin’ny fanambarana faran’izay tsara natao tao, ny rahalahy sy anabavy tsirairay avy.
17 Moa ve ny tenanao manokana hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amin’ny fitondran-tena fakan-tahaka hasehonao? Indreto misy fomba maromaro azo anaovana izany:
Akanjo sy fihaingoana: Mandritra ny fotoana hanatrehantsika fivoriambe, dia tsy tokony hihevitra ny tenantsika ho any am-pialan-tsasatra isika. Miseho eo anatrehan’i Jehovah kosa isika mba hampianariny. Koa satria izany tokoa no izy, moa ve isika tsy tokony hiakanjo toy ny hataontsika rehefa hanatrika ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana? (1 Tim. 2:9, 10). Ankoatra izany, dia tokony hanome fiheverana amim-pitandremana izay hanaovantsika aorian’ireo fotoam-pivoriana koa isika. Rehefa tafaverina any amin’ny toeram-pilasiantsika isika, na manao ahoana na manao ahoana taonantsika, moa ve ho fanarahana fari-pitsipika mitovy ny fanoloantsika ireo fitafiana maotina sy mendrika nanaovantsika tany amin’ny fivoriambe amin’ny akanjo izay hahatonga antsika hiseho ho toy ireo olona eo amin’izao tontolo izao izay manao akanjo misavoritaka sy mikorontana? Moa ve izany tsy hahatonga hihevitra fa ny akanjo anaovantsika any amin’ny fivoriana dia tsy inona fa fitafy fanao ivelany fotsiny, fa tsy manome taratry ny fomba fiainantsika? Tadidio fa mitondra ny anaran’i Jehovah isika ka ny tsirairay amintsika dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hahafahan’ny hafa hanameloka ara-drariny ny lalan’ny fahamarinana.
Ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony hampahatsiahivina fa tsy mety amin’ny fotoana masina toy izany ny fanaovana T-shirt misy teny fanentanana na teny faneva na dokam-barotra avy amin’izao tontolo izao. Tokony ho azon’ireo loholona antoka fa nodinihina mialoha tsara ireo fanontaniana ho amin’ny batisa, ary koa fa nilazana tamin’ny fotoana mety ny mpilatsaka hatao batisa tsirairay raha nekena ho amin’ny batisa izy na tsia. (Ny fotoana hiresahana momba ireo fanontaniana angamba dia ho fotoana mety tsara hanaovana fanoloran-kevitra momba ny fitafiana mety sy maotina fanao amin’ny batisa.) Tsy ilain’ireo mpilatsaka hatao batisa izay efa neken’ny loholona, ny hisoratra anarana any amin’ny fivoriamben’ny distrika.
Toeram-pilasiana: Manehoa ny vokatry ny fanahy rehefa tonga any amin’ny toeram-pilasianao ianao. Tokony haneho fiheverana ny tranon’ireo rahalahy sy ny fananany isika.
Ireo ankizy dia afaka manao ny anjarany amin’ny fanehoana fanajana ny fananan’ny tompon-trano. Mety hitondra fanampiana amin’izany ny fanokanan’ny ray aman-dreny fotoana alohan’ny fivoriamben’ny distrika mba hiaraha-mandinika indray amin’ireo zanany ny karazam-pitondran-tena hantenaina aminy. Amin’izay izy ireo dia hampahatsiahy an’ireo zanany ny amin’ny andraikiny manokana hanaraka ireo fari-pitsipi-pitondran-tena kristiana.
Fitaovana fandraisam-peo sy sary: Na dia omena lalana aza ny fampiasana camescopes, dia fantatray fa haneho fiheverana ny hafa ianareo. Tsy ho fanehoam-pitiavana ny fanakanana ireo mpanatrika ny fivoriambe hafa tsy hahita ny fandaharana noho ny fakantsika sary. Raha afaka manao izany tsy misehoseho avy eo amin’ny toerantsika isika, dia tsy hisy hanohitra izany. Tadidio anefa fa tsy tokony hisy fakan-tsary na fitaovana fandraisam-peo hifandray amin’ny fitaovana elektrika na fanamafisam-peon’ny fivoriambe. Tsy tokony hisy koa fitaovana hapetraka eny amin’ny lalantsara na toerana ivezivezen’ny olona.
Toerana: Tadidio ao an-tsaina, aza fady, fa IREO HAVANA AKAIKY SY IZAY METY HIRAY FIARA AMINAO IHANY NO AZONAO AMANDRIHANA TOERANA. Tadidio fa tsy maniry hanelingelina ireo mipetraka eo akaikintsika isika mandritra ireo fotoam-pivoriana. Ireo ray aman-dreny dia tokony hiezaka mba hikarakara ireo zanany kely alohan’ny fandaharana.
Entana manokana: Anoroana hevitra ny tsy hitondranao afa-tsy entana faran’izay vitsy any amin’ny fivoriambe. Raha tsy ho tafiditra ao ambany sezanao ny entana iray, dia mety ho tsaratsara kokoa ny hamelanao azy any an-trano na ao anaty coffre-n’ny fiaranao. Tsy omena lalana ny fametrahana fampangatsiahana lehibe eny amin’ny lalantsara mba tsy hisian’ny loza. Raha hataonao eo amin’ny toerana eo akaikinao anefa ilay izy, dia hisy olona tsy hahita toerana.
Sakafo: Ampirisihina isika mba hividy ny sakafontsika rehetra any amin’ny fivoriambe. Izany dia hanohana ara-bola ny fikarakaran’ny Fikambanana ny fivoriambe.
18 Ho fanehoana fiheverana ny hafa, dia miomàna mba ho tonga aloha isan’andro, indrindra fa ny alakamisy, satria azo inoana fa amin’io, dia ho ela kokoa noho ny amin’ny andro hafa ny fahitana toerana, na ho an’ny fiarantsika na ho an’ny tenantsika.
19 Tombontsoa toy inona moa ny antsika ampianarin’i Jehovah! Ny fampiasantsika ny fotoanantsika, ny herintsika ary ny fananantsika ara-nofo mba hanohanana ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianaran’Andriamanitra” amin’ity taona ity dia hiteraka soa ara-panahy haharitra, tsy ho antsika ihany, fa ho an’ny fianakaviantsika koa.
Fampahatsiahivana Amin’ny Fivoriamben’ny Distrika
Fihetsika araka ny tokony ho izy: Zava-dehibe ny hanarahan’ny rehetra manatrika ny fivoriambe fihetsika araka ny tokony ho izy, ka hihevitra amim-panajana fatratra ny toeran’ny fivoriambe ho toy ny “tranon’Andriamanitra”. (Sal. 55:14). Mandritra ireo lahateny, fampisehoana tantara, hira ary indrindra fa ireo vavaka, dia halaviro, aza fady, ny fanaovana na inona na inona izay hisarika ny sain’ny hafa tsy hihaino ny fandaharana. Tsy ho fanehoam-panajana ny fandehandehanana tsy amin’ny antony, ny fanohizana resaka, na ny fampiasana flash amin’ny fakan-tsary na camescopes amin’ny fomba izay tsy hampifantoka ny sain’ireo izay miezaka hanaraka izay lazaina. Ny fanehoantsika fiheverana ny hafa sy ny fitondran-tenantsika tsara dia tsara dia hampiseho fa mankasitraka amim-pahatsorana ny fampianaran’Andriamanitra isika, ary koa fa tonga eo amin’ny fivoriambe mba hampianarin’i Jehovah.
Toeran’ny fiara sy fikarakarana ny mpanatrika: Araho amim-pitandremana tsara, aza fady, ny toromarik’ireo mpikarakara ny mpanatrika.
Batisa: Ireo mpilatsaka hatao batisa dia tokony ho efa eo amin’ny toerany eo amin’ireo faritra natokana ho azy ireo, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana ny asabotsy maraina. Ny tsirairay avy amin’ireo mikasa hatao batisa dia tokony hitondra fitafiana fitondra milomano maotina sy lamba famaohana. Aorian’ny lahateny momba ny batisa sy ny vavaka hataon’ny mpandahateny, ny mpitari-draharaha amin’ny fotoam-pivoriana dia hanome toromarika fohy ho an’ireo mpilatsaka hatao batisa ary avy eo dia hanasa hanao hira iray. Aorian’ny andininy farany amin’ilay hira, ireo mpikarakara ny mpanatrika dia hitarika ireo mpilatsaka hatao batisa ho any amin’ny toerana fanaovana batisa na any amin’ny fiara hitondra azy ireo ho any. Koa satria raharaha manokana eo amin’ny olona iray sy i Jehovah ny batisa ho mariky ny nanolorany tena, dia tsy hisy ny antsoina hoe batisa miaraka izay hifamihinan’ny mpilatsaka hatao batisa roa na mahery, na hifampihazonany tanana eo am-panaovana batisa azy.
Asa an-tsitrapo: Ilaina ny fanampian’ireo mpiasa an-tsitrapo mba hampizotra tsara ny fandehan’ny fivoriamben’ny distrika. Na dia mety ho tsy afaka ny hiasa afa-tsy mandritra ny tapany iray amin’ny fivoriambe aza ianao, dia hankasitrahana ny asanao. Raha afaka manampy ianao, dia, aza fady, mba milazà amin’ny Sampan-draharahan’ny Asa An-tsitrapo any amin’ny fivoriambe. Ireo ankizy latsaka ny 16 taona koa dia afaka manao zavatra mba hahombiazan’ny fivoriambe, kanefa takina ny hiarahany miasa amin’ny rainy na ny reniny na ny olon-dehibe iray azo itokiana.
Insignes: Anaovy any amin’ny fivoriambe sy rehefa ho any amin’ny toeran’ny fivoriambe na miala avy any, aza fady, ilay insigne natao manokana ho an’ny fivoriambe. Izany matetika dia mahatonga antsika hanao fanambarana tsara dia tsara rehefa eny am-pandehanana. Tokony halaina any amin’ny kongregasionanareo ireo insignes satria tsy hisy any amin’ny fivoriambe.
Karatra famantarana: Ankoatra ny insigne ho an’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianaran’Andriamanitra”, ny tsirairay dia ampirisihina mba hanana any aminy ny karany momba ny Firaketana Ara-pitsaboana. Ireo mpianakavin’ny Betela sy ireo mpisava lalana koa dia tokony hanana ny karany famantarana any aminy.
Teny fampitandremana: Na aiza na aiza hametrahanao ny fiaranao, dia tokony hohidianao amin’ny fanalahidy amin’ny fotoana rehetra ny varavarana. Tsy tokony hamela na oviana na oviana zavatra ho hitan’ny mason’ny mpandalo ao anatiny koa ianao. Raha azo atao, dia hidio ao anaty coffre ireo entanao. Ankoatra izany, dia mitandrema amin’ireo mpangalatra sy mpangarom-paosy izay voasinton’ny fihaonan’ny olona maro be. Anisan’izany ny tsy famelana na inona na inona sarobidy eo amin’ny toeranao any amin’ny fivoriambe ka tsy misy mpiambina. Efa nisy tatitra momba ny olona maty eritreritra nanandrana nitaona amim-pitaka ankizy ho any ivelan’ny toerana nanaovana ny fivoriambe. Manehoa fitandremana, aza fady.