Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Septambra
Herinandron’ny 6 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
20 min: Ampio ny Zanakao mba Hatanjaka any An-tsekoly. Lahateny sy fanadinadinana ary fampisehoana. Miatrika zava-manahirana izay tsy azon’ny mpitory maro ao anatin’ny kongregasiona saintsainina akory ireo tanora kristiana amin’izao andro izao. Ny ray aman-dreny indrindra no tokony hahafantatra tsara ireny zava-tsarotra ireny, mba hahafahany hanatanjaka ny zanany hiatrika amim-pahombiazana ireo fisedrana ny tsy fivadihany. Adinadino ny tanora telo samy hafa taona. Inona avy ireo fanerena sasany voafaritra tsara tsy maintsy atrehin’izy ireo any an-tsekoly isan’andro? Inona no manampy azy ireo hitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah? Manaova fampisehoana ahitana fianakaviana iray miara-mandinika ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3 eo amin’ny pejy faha-13 amin’ny bokikely Sekoly. Manambara ireo ankizy fa esoina izy ireo sady mahatsapa fa ailika noho ny fanohanana ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony ao amin’ny Baiboly. Mampahery ireo ankizy ilay filoham-pianakaviana, amin’ny filazana ny hafaliany noho ny ohatra tsara nasehon’izy ireo ary mampahatsiahy azy ireo izy fa mahafaly an’i Jehovah ny fitondran-tenany. (Ohab. 27:11). Manao famaranan-teny ilay rahalahy mitarika itỳ fizarana itỳ, amin’ny fanehoana fankasitrahana ireo tanora ao anatin’ny kongregasiona noho ny asa tsara ataony ary amin’ny fampirisihana azy ireo hifampiresaka amin’ny ray aman-dreniny mba hahafahan’ireo hanampy azy hatanjaka ara-panahy mandritra itỳ taom-pianarana itỳ.
15 min: “Fanampiana ny Hafa mba Hanaiky Amim-pankasitrahana ny Harena Lehibe Iray”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-4, dia manaova fampisehoana ahitana mpitory manolotra ny boky Hiaina Mandrakizay amin’ny ray na amin’ny reny iray.
Herinandron’ny 13 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampidiro eto ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ny fanomezana natao. Manehoa fankasitrahana ny kongregasiona noho ny fanohanana feno fahalalahan-tanana tamin’ny zavatra ilaina eo an-toerana sy ny asan’ny Fikambanana maneran-tany.
10 min: “Asio Soa ny Hafa Amin’ny Fampiasana Ireo Gazety”. Lahateny sy fampisehoana. Asongadino ny hasarobidin’ny fampiasana amin’ny fomba feno ireo nomerao farany sy tranainy kokoa amin’ireo gazety. Manaova fampisehoana roa, ny iray mampiseho fanolorana gazety iray farany ary ny iray mampiseho ny fomba fampiasa ny nomerao tranainy kokoa mba hanomezana izay ilain’ilay tompon-trano manokana.
15 min: “Inona no Hotanterahintsika Mandritra Itỳ Taom-piasana Itỳ?” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hotarihin’ny mpiandraikitra prezidà. Diniho indray ny asa vitan’ny kongregasiona tamin’ny taom-piasana lasa ary ampirisiho ny rehetra hanao drafitra mba hampitomboana ny asa tontonsainy mandritra ny taom-piasana 1994.
10 min: “Ianaro Ireo Boky Hiaina Mandrakizay sy Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana”. Aorian’ny fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika, dia manao fampisehoana voaomana tsara ny mpitory iray ny amin’ny fomba famindrana ny fianarana amin’ny boky Ilay Lehilahy Niavaka ho amin’ny boky Hiaina Mandrakizay.
Herinandron’ny 20 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asongadino ireo lahatsoratra ao amin’ireo gazety farany izay azo aseho eny amin’ny asa fanompoana amin’itỳ herinandro itỳ.
20 min: “Ampio Ireo Olona Tahaka ny Ondry Hanorina eo Ambonin’ny Fototra Mafy Orina”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asongadino ny ilana hiomanana ho amin’ny fiverenana mitsidika tsirairay avy. Manaova fampisehoana ahitana mpitory havanana iray miverina mitsidika olona izay nandray ny boky Hiaina Mandrakizay teo aloha, ka mampiasa ny fanazavana eo amin’ny fehintsoratra faha-3 na ny eo amin’ny fehintsoratra faha-5.
15 min: “Fanombohana Fampianarana Baiboly any An-tokantrano”. Fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fehintsoratra faha-4, dia ampidiro ny fampisehoana velombelona ny amin’ny fiverenana mitsidika iray izay ny Baiboly ihany no ampiasaina, nefa miorina amin’ny fizarana ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay na ny boky Fanjohian-kevitra, araka ny anoroana hevitra.
Herinandron’ny 27 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika.
20 min: Aiza Ireo Olon-tiantsika Nody Mandry? Fiaraha-midinika ataon’ny fianakaviana. Amin’ny fampiasana ny fanazavana manomboka eo amin’ny pejy faha-104-107 amin’ny boky Fanjohian-kevitra dia mandinika ny namoizana sakaiza akaiky ny fianakaviana ny filoham-pianakaviana. Mifantoka amin’ny fanampiana ny zanany mba hahatakatra ny fomba fijerin’ny Baiboly izy. Manao fanontaniana izy mba hahazoana antoka fa takatr’izy ireo ny hevitry ny fahafatesana ary afaka hampahafantatra mazava ny heviny izy ireo arakaraka ny taonany. Mampiseho azy ireo ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ny boky Fanjohian-kevitra mba hampaherezana ny hafa koa izy.
15 min: Manolora Gazety Mandritra ny Oktobra. Manaova fampisehoana telo, ny iray anolorana Ny Tilikambo Fiambenana farany, ny iray anolorana ny Réveillez-vous! na Mifohaza! farany, ary ao amin’ilay iray fahatelo dia ahitana ilay tompon-trano tena sahirana ka manaiky taratasy mivalona iray. Aorian’ny fampisehoana tsirairay dia fakafakao miaraka amin’ny mpanatrika hoe nahoana no nandaitra ny fampisehoana. Rehefa misy fahalianana, dia azo atolotra ny famandrihana amin’ireo gazety.