Afaka Mampitombo ny Fideranao an’i Jehovah ve Ianao Mandritra ny Aprily?
1 I Davida mpanao salamo dia nanana faniriana tamim-pahatsorana ny hidera an’i Jehovah amin’ny fomba azo ekena, koa nanambara toy izao àry izy: “Hidera an’i Jehovah indrindra amin’ny vavako aho; eny, eo amin’ny olona maro no hiderako Azy.” (Sal. 109:30). Ny volana Aprily dia fotoana tsara dia tsara ‘hampitomboana lalandava ny fiderana azy’ amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fandraisantsika anjara amin’ny asa fanompoana. (Sal. 71:14). Eo am-panaovana planina ve ianao mba ho anisan’ireo maro be izay manao izany amin’ny fanatevenana ny laharan’ny mpisava lalana mpanampy?
2 Manaova planina dieny izao: “Ny hevitry [“planin’ny”, NW ] ny mazoto dia mampanankarena”, hoy ny ampahatsiahivina antsika ao amin’ny Ohabolana 21:5. Izany dia mitaky ny hitondranao ilay raharaha eo amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka, amin’ny fametrahana azy eo amin’ny loha laharana amin’ny planinao. (Ohab. 2:5, 6). Manaraka izany, dia diniho akaiky ny fandaharam-potoananao amin’izao fotoana izao hamantarana izay fanovana azo atao mba handaniana antsalan’ora adiny roa isan’andro eny amin’ny fanompoana. Ny ‘fakanao’ fotoana avy amin’ny asa hafa dia mamela anao hanokana fotoana misimisy kokoa ho an’ny asa fitoriana. — Efes. 5:16, NW.
3 Mifandraisa sy miaraha miasa amin’ny hafa: Ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ireo izay “fampiononana” ho azy teo amin’ny fanatanterahana ny fanompoany. (Kol. 4:11). Iaraho dinihina amin’ny hafa izay maniry hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily ny planinao. Afaka mitondra soa ara-panahy mifamaly ny fanohanan’izy ireny sy ny fisakaizany. Afaka manampy anao ny mpiandraikitra ny asa raha toa ianao manana fanontaniana momba ny fandaharana ny fanompoana na ny faritany hiasana.
4 Ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana avy amin’ny mpianakavy dia afaka manampy ny mpikambana isam-batan’olona hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ireo raharaha ao an-tokantrano dia mety ho azo zaraina vonjimaika indray. Mety hila fanitsiana koa ny fandaharam-potoana ho an’ny fisahanana izany andraikitra izany. Mety hanampy eo amin’ny fanatanterahanao ny zava-kendrenao ny fivoriam-pianakaviana natao handinihana ireo zavatra ilaina ireo. Tena zava-dehibe mba hahombiazana ny fifandraisana tsara amin’ny hafa sy ny fiaraha-miasa.
5 Mihazòna fomba fijery miorina amin’ny lafy tsaran-javatra: Aza maika ny hanilika ny fahafahana hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy noho ireo toe-javatra tsy mahafinaritra. Ireo tanora mankany an-tsekoly, ireo olona efa misotro ronono, ireo vehivavy manambady izay sady mpikarakara tokantrano no manana zanaka, ireo loham-pianakaviana miasa manontolo andro — ireo rehetra ireo dia afaka nanao ilay sorona mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy isaky ny Aprily no sady faly nanao izany. Miombon-kevitra amin’ny mpanao salamo izy ireo fa “mendrika hataon’ny olo-mahitsy ny fiderana”, ary tsy nihevitra izy ireo fa ambony vidy loatra raha hoe io no hanaovana ilay ezaka fanampiny takina mba handaniana 60 ora eny amin’ny fanompoana. (Sal. 33:1). Raha tsy afaka mirotsaka ianao, nahoana raha mandray anjara amin’ilay fifaliana amin’ny fampitomboana ny asanao amin’ny maha-mpitorin’ny kongregasiona?
6 Ho an’ny maro, ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy isaky ny Aprily dia dingana ho amin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra. Tamin’ny fampitomboana ny asany, dia nahita izy ireo fa ny fiampitana mankamin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra dia hita ho mora kokoa.
7 Eny, ilay vanin-taona dia mety tsara mba hampitomboana ny asa teokratika isaky ny Aprily. Ny tsy fisian’ny orana intsony dia mamela hanao fanambarana misimisy kokoa amin’ny maraina. Tiantsika ny hanao izay azontsika atao mba ho fiderana ilay Andriamanitsika, Jehovah. Ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily dia fomba tsara dia tsara hanehoana ny fankasitrahantsika noho ireo asa maro be mampiseho hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory ataony ho antsika.