Hanina Amin’ny Fotoana Mety
Araka ny nampandrenesina tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Janoary 1994, ny lahateny ampahibemaso manokana ho an’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana amin’itỳ taona itỳ dia hatao any amin’ny ankamaroan’ireo kongregasiona, ny 10 Aprily. Ilay lahateny dia mitondra ny lohateny hoe “Manome Fahafaham-po Amin’izay Ilain’ny Olombelona ny Fivavahana Marina”. Tokony hisy ezaka manokana hatao mba hanasana ireo izay hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ny 26 Martsa.