Valin’ireo Fanontanianareo
◼ Inona no fahamalinana haseho rehefa miasa ao amin’ny faritany mampidi-doza isika?
1 Mihamitombo ireo tatitra rentsika momba ny herisetra sy ny fanendahana ary ny tabataba ara-tsosialy, indrindra fa any amin’ireo tanàn-dehibe. Na dia mahatsapa fanahiana aza isika, dia fantatsika fa na dia any amin’ny faritra misy fikorontanana aza, dia misy olona tso-po izay hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Koa amin’ny fotoana mety àry, dia tsy maintsy mitafy fahasahiana isika mba handroso ihany, matoky ny fiarovan’i Jehovah. — Ohab. 29:25; 1 Tes. 2:2.
2 Rehefa miditra faritra iray tena mampidi-doza isika, i Jehovah dia manantena ny haha-malina antsika sy ny hampiasantsika fahaiza-mitsara zavatra tsara. Aoka ianao ho mailo. “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohab. 22:3). Ireo mpitory za-draharaha dia mahatakatra ny maha-fahendrena ny fiaraha-miasan’ny olon-droa, na ny antokona mpitory mihitsy aza, raha tena ilaina izany. Manambara ny Mpitoriteny 4:9, 12 hoe: “Tsara ny roa noho ny iray (...). Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory”. Ireo mpanao heloka bevava matetika dia mitady ireo izay mandeha irery ka noho izany dia mora voa kokoa.
3 Aoka ianao hitandrina mihoatra noho ny mahazatra raha ny amin’ny fidirana ao amin’ny tranobe iray misy lalantsara maizina sy tohatra mangingina. Aoka ianao ho malina raha ny amin’ny fanekena ny fanasana hiditra ao an-tranon’olona. Aza mamaly ireo izay mety ho toa mandrahona na mihantsy. Aoka ianao ho mailaka hampahafantatra ny tenanao ho Vavolombelon’i Jehovah. Ny mpitory sasany dia mitondra Baiboly na Ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! iray foana eny an-tanany mba hampahafantarana ny tenany.
4 Tandremo ireo olona mijorojoro eo amin’ilay faritra. Aoka ianao ho malina raha ny amin’ny fidirana ao amin’ny ascenseur iray miaraka amin’ny olon-kafa izay toa tsy mponina ao amin’ilay tranobe. Aza manao firavaka lafo vidy. Raha tsy maintsy mandeha eny amin’ny arabe rehefa maizina ianao, dia aza manaraka arabe maizina izay tsy misy fifamoivoizana firy. Raha misy manendaka ianao, dia aza manohitra raha ny volanao na ny fanananao fotsiny no tadiaviny aminao; misy vidiny kokoa noho izay fananana ara-nofo anananao ny ainao. — Marka 8:36.
5 Ireo rahalahy mitari-dalana dia mila ny ho mailo, ka hahafantatra foana izay misy ireo mpitory ao amin’ilay faritany. Mazàna ny tsara indrindra dia ny hihazonana ireo mpitory rehetra eo amin’ny faritra iray ihany, mba ho eo akaiky foana ny hafa. Raha misy herisetra na fikorontanana eo amin’ny manodidina, na inona izany na inona, dia tokony hiala amin’ilay faritany avy hatrany ireo mpitory.
6 Raha mailo sady malina isika, dia afaka manohy mahatratra ireo mponina any amin’ireo faritra anjakan’ny heloka bevava, izay “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy”. — Ezek. 9:4.