Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Febroary
Herinandron’ny 6 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana momba ny fomba azo ampiasana ny lahatsoratra ao amin’ireo gazety farany izay azo asongadina eny amin’ny asa isam-baravarana.
17 min: “Fitoriana — Tombontsoa Iray Be Voninahitra”. Fanontaniana sy valiny. Asio teny fanampiny mifototra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1990, pejy faha-19, fehintsoratra faha-13-16.
18 min: “Fampidirana Amin’ny Fomba Mandaitra ny Boky Hiaina Mandrakizay”. Iaraho jerena amin’ny mpanatrika ireo hevi-dehibe, anisan’izany izay voarakitra ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy faha-46-47, fehintsoratra faha-9-12. Diniho hoe karazana fampidiran-dresaka inona no mety handaitra eo amin’ny faritaninareo. Manaova fomba fampiseho izany iray na roa amin’ny alalan’ny fampisehoana.
Herinandron’ny 13 Febroary
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Lazao ny fankasitrahan’ny Fikambanana noho ireo fanomezana voarainy, raha nisy.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Na lahateny miorina amin’ilay lahatsoratra hoe “Fananana Fiainana Roa Sosona — Inona no Maha-ratsy Izany?” ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny Aprily-Jona 1994, pejy faha-16-18.
15 min: “Ny Tenin’ilay Fanjakana — Ny Fahatakarana ny Heviny”. Fanontaniana sy valiny. Asao ny olona roa na telo hitantara hoe ahoana sy rahoviana no andaminany ny fanaovana fianarana manokana na andinihany ny teny natao hovakina isan’andro.
15 min: “Manehoa Fiheverana ny Hafa — Fizarana Faha-2”. Lahateny sy fandinihana ilay lahatsoratra ataon’ny loholona iray. Lazao izay zava-manahirana rehetra tsikaritra teo an-toerana, ary manomeza fananarana mifanentana.
Herinandron’ny 20 Febroary
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Sintony ny sain’ny mpanatrika ho amin’ireo lahatsoratra ao amin’ireo gazety farany indrindra ka mifanentana amin’ny faritany eo an-toerana. Manaova fampisehoana ny amin’ny fomba fampiseho ireny lahatsoratra ireny.
15 min: “Fanatsorana ny Fivoriamben’ny Distrika 1995”. Takelaka fanampiny. Lahateny miorina amin’ny fehintsoratra 1-7, hataon’ny mpiandraikitra prezidà. Hamafiso ireo soa azo antoka fa horaisina avy amin’ny fanekena ny fanafoanana ny fandaharana ara-tsakafo.
18 min: “Kolokoloy ny Fahalianana Hitanao”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Mitantarà teny fanehoam-pankasitrahana noho ny fahazoana ny boky Hiaina Mandrakizay. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1986, pejy faha-32 sy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1987, pejy faha-32.) Manaova fampisehoana fohy iray na roa mampiseho hoe ahoana no azo ampiasana ireo fomba fampiseho anipazan-kevitra. Ampirisiho ny rehetra mba hiezaka hanomboka fampianarana miaraka amin’ireo olona liana.
Herinandron’ny 27 Febroary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ilay lahatsoratra hoe “Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Lahateny Ampahibemaso Nohavaozina”.
20 min: “Fanatsorana ny Fivoriamben’ny Distrika 1995”. Takelaka fanampiny. Fanontaniana sy valiny miorina amin’ny fehintsoratra 8-15, hataon’ny mpitan-tsoratry ny kongregasiona. Eo am-pamaranana, dia tariho ny saina ho amin’ilay faritra voafefy. Hamafiso ny tokony hampiasana fahaiza-mahita hevitra, mba tsy hitondrana afa-tsy izay sakafo sy zavatra hafa tena ilaina any amin’ny fivoriamben’ny distrika.
15 min: Fanolorana ny boky Fanambarana mandritra ny Martsa. Avereno jerena ireo antony namoahana ilay boky, araka izay voazava eo amin’ny pejy faha-8 amin’ilay boky. Mitantarà fanehoam-pankasitrahana an’ilay boky. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jona 1989, pejy faha-32 sy Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1989, pejy faha-32.) Diniho ary manaova fampisehoana fohy momba ny fomba fampiseho manomboka amin’izao fanontaniana izao, “Moa ve ianao efa mba nandre ny amin’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy?” (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Martsa 1994, pejy faha-4.) Ampahatsiahivo ny rehetra mba haka amin’io boky io, mba hampiasainy amin’ny fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.