FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/95 p. 8
  • Fanisiana Marika Izay Mitondra Fanafahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanisiana Marika Izay Mitondra Fanafahana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Kolokoloy ny Fahalianana Rehetra mba Handraisan’ny Hafa Soa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fomba Fanolorana Boky sy Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Kolokoloy ny Fahalianana Hitanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fanampiana Amim-pitiavana An’ireo Izay Maneho Fahalianana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 5/95 p. 8

Fanisiana Marika Izay Mitondra Fanafahana

1 Alohan’ny hanatanterahany ireo didim-pitsarany marina, i Jehovah dia manome mandrakariva fampitandremana ary manome mandrakariva fomba hahafaha-mandositra ho an’ny mpandefitra. Tamin’ny andron’i Ezekiela, dia nisy ireo izay nisento sy nitaraina noho ireo fahavetavetana rehetra natao. I Jehovah no nahatonga ny olona mendrika toy izany hasiana marika, ho amin’ny fanafahana azy ireo. (Ezek. 9:4-6). Ny asa fitoriantsika ankehitriny dia manatanteraka zava-kendrena mitovy amin’izany. Afaka manana anjara asa lehibe isika.

2 Ny fahitana olona tso-po dia vao dingana voalohany fotsiny ihany. Mandamina fiverenana mitsidika isika. Ny fiomanana ho amin’ny fiverenana mitsidika dia atao amin’ny fitsidihana voalohany, amin’ny fandraisana an-tsoratra ny zavatra voapetraka sy ny loha hevitra nodinihina. Ny fahombiazantsika eo amin’ny fiverenana mitsidika dia miankina be dia be amin’izay omanintsika holazaina sy hatao rehefa miverina isika.

3 Amin’ny fanolokoloana ny fahalianana amin’izay nametrahana “Ny Tilikambo Fiambenana”, dia ho afaka hifantoka amin’ny foto-keviny lehibe indrindra ianao:

◼ “Mariho fa eo amin’ny fonon’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia miseho ny fanambarana hoe ‘Manambara ny Fanjakan’i Jehovah’. Ny mahatonga an’itỳ gazety itỳ ho tsy manam-paharoa dia ny fanohanany ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany vahaolana ho an’ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao. Hazavainy izay hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra. Izany ilay vaovao tsara nolazain’i Jesosy fa hambara amin’izao tontolo izao.” Vakio ny Matio 24:14, ary hazavao ny fomba ahafahana mahazo tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana sy mampiasa azy io amin’ny fianarana manokana ny Baiboly.

4 Mety ho tianao kokoa ny hifantoka fotsiny amin’ny Baiboly mihitsy ka hanantitrantitra ny amin’ny ilana ny hamaky tsy tapaka azy io. Ho afaka hilaza ianao hoe:

◼ “Toa saika ny olona rehetra fantatsika no hankasitraka torohevitra azo ampiharina sasany momba ny fomba hisetrana amim-pahombiazana an’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana andavanandro. Aiza no heverinao fa ahafahantsika mahita torohevitra izay azontsika itokiana? [Avelao ilay olona hamaly.] Olona maro izay nametraka ny fitokiany tamin’ny torohevitry ny namana na nandany vola mba hahazoana torohevitra avy amin’ny manam-pahaizana manokana no diso fanantenana be. Etsy an-danin’izany, dia olona an-tapitrisany maro no nahita ny Baiboly ho ny hany loharanon’ny torohevitra tena azon’izy ireo itokiana. Ny Baiboly dia manome toromarika momba ny fomba hisetrana amim-pahombiazana izay zava-manahirana mety hatrehintsika. [Vakio ny 2 Timoty 3:16, 17.] Na dia mety ho hitanao ho sarotra takarina aza ny Baiboly, dia mamelà ahy hampiseho aminao ny fomba ahafahanao mampiasa azy itỳ mba hamohana raki-java-tsoa iray misy torohevitra feno fahendrena.”

5 Amin’ny fananana ho tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly, dia mety hifidy ny hampiasa ny boky “Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany” ianao, amin’ny fampiasana izao fampidiran-dresaka izao:

◼ “Tia ny fianakaviantsika isika ary maniry izay tsara indrindra ho azy ireo. Amin’ny fomba ahoana no handraisan’ny fianakavianao soa avy amin’ny tontolo iray tahaka izao?” Asehoy ny sary eo amin’ny pejy faha-156-157. Vakio ny iray na roa amin’ireo andinin-teny voatonona ao amin’ireo pejy ireo, ary hazavao fa ireo dia fampanantenana nomen’i Jehovah Andriamanitra, izay tsy mahay mandainga. Resaho ny amin’ilay lisitr’ireo toko eo amin’ny pejy faha-5-6, ary anontanio ilay tompon-trano hoe iza amin’ireo loha hevitra ireo no mahaliana azy indrindra; avadiho ho eo amin’ilay toko nofantenany ilay boky ka mandiniha fehintsoratra iray na roa.

6 Ho tianao ve ny hanampy olon-kafa ho voaisy marika ho amin’ny fanafahana? Ny fahombiazana dia miankina amin’ny ‘fanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoanao’, amin’ny fiomanana tsara sy amin’ny fanolokoloana avy hatrany ny fahalianana rehetra hitanao. — 2 Tim. 4:5, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara