Karohy Ireo Izay Mirona Araka ny Mety
1 Ny zava-kendrena iray amin’ny asa fitoriana dia ny hahita ireo ‘izay mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’. (Asa. 13:48, NW ). Ny fizarana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! dia hita fa fomba faran’izay tsara hanatanterahana izany, satria ny gazetintsika dia mahatonga olona hahalala ny fanantenana ilay Fanjakana. Hanasongadina ireo gazety isika mandritra ny Aprily. Antenaina fa, any amin’izay ahitana fahalianana, dia ho afaka hanomboka fampianarana Baiboly vaovao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay isika. Indreto misy fanoloran-kevitra sasantsasany izay mety handaitra raha ampiasainao:
2 Rehefa mampiasa “Ny Tilikambo Fiambenana” 1 Aprily ianao, dia ho azonao atao ny hanasongadina ny hoe “Derao Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay!” izay mifantoka amin’ny lahateny ampahibemaso tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny taona lasa, sy ny hilaza hoe:
◼ “Olona maro iresahanay no mino an’Andriamanitra. Ny hafa mahita fa sarotra ny mino azy. Ahoana no fihetseham-ponao? [Avelao ilay olona hamaly.] Isika dia voahodidin’ny porofo tena izy manamarina fa tsy maintsy misy Andriamanitra iray. [Vakio ny Salamo 104:24.] Rehefa mijery fakan-tsary na ordinatera iray isika, dia miaiky avy hatrany fa tsy maintsy novokarin’ny mpamolavola marani-tsaina iray izy io. Araka ny fandrindran-kevitra ve ny hilazana fa ny zavatra be kojakojany kokoa, toy ny tany sy isika olombelona, dia avy tamin’ny kisendrasendra?” Ampiasao ny fehintsoratra iray ao amin’ilay lahatsoratra mba hampisehoana antony marim-pototra iray hinoana an’Andriamanitra. Atolory ny gazety.
3 “Ny Tilikambo Fiambenana” 15 Aprily dia manasongadina ilay lahatsoratra hoe “Ny Antony Andraisan’ny Fanompoam-pivavahana Marina ny Fitahian’Andriamanitra”. Alohan’ny hampisehoanao azy io, dia ho afaka hanontany toy izao ianao:
◼ “Noho ny fisian’ireo fivavahana an-jatony maro eo amin’izao tontolo izao, heverinao ve fa ho azon’Andriamanitra ekena daholo izy rehetra? [Avelao ilay olona hiteny.] Nanambara mialoha i Jesosy fa na dia eo aza ny fihamboan’ny olona maro tia fivavahana, ireo izay tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra dia holavina. [Vakio ny Matio 7:21-23.] Zava-dehibe ny hamantarantsika ilay fivavahana marina nampianarin’i Jesosy.” Avadiho ho ao amin’ilay lohateny hoe “Vokatra manao ahoana no tsy maintsy vokarin’ny fivavahana marina?” ao amin’ny pejy 16 ilay gazety, ary resaho ny ohatra iray hanazavana ilay hevitra.
4 Raha mahita olona maro izay milaza ho be atao ianao, dia ho azonao atao ny hanandrana itỳ:
◼ “Mahaliana anay ny manampy an’ireo olona be atao sy zara raha mahita fotoana hisaintsainana momba ny lafiny ara-panahy amin’ny fiainana. Ny gazetinay Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, dia natao hanomezana fanazavana fohy momba ny raharaha lehibe izay mahakasika anao sy ny fianakavianao. Tiako ny hametraka ireto gazety ireto mba hovakinao.”
5 Ireo izay mandray ireo gazety dia handray soa avy amin’ny famakiana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, izay mitondra “vaovao tsara ny amin’ny zavatra tsara kokoa”. — Isaia 52:7, NW.