FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/96 p. 4-5
  • Fifaliana Noho Ny Fitomboana Omen’andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fifaliana Noho Ny Fitomboana Omen’andriamanitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fanomezana ho An’ny Asa Maneran-tanin’ny Fikambanana dia Manohana ny Fitarana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Miitatra ny Fanompoam-pivavahana Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Manompo ny Rahalahy Maneran-tany Izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Zava-baovao eo amin’ny fanorenana iraisam-pirenena
    Mifohaza!—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 12/96 p. 4-5

Fifaliana Noho Ny Fitomboana Omen’andriamanitra

1 Mpitory ilay Fanjakana be zotom-po ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Nifaly izy ireo rehefa ‘nihamaro isan’andro ireo fiangonana’. (Asa. 16:5). Niitatra hatrany Azia sy Eoropa ary Afrika ny fitorian’izy ireo tamin-kasahiana, ka ny vokany dia famoriana mpino be dia be.

2 Nanambara mialoha i Jesosy fa amin’ny andro farany, ny asa fitoriana dia hahatratra ‘ny tany onenana manontolo sy ny firenena rehetra’! (Matio 24:14, NW ). Nandritra ny taom-panompoana 1996, dia nanohy naharay tatitra avy tamin’ireo tany manerana ny bolan-tany izahay momba ny fitomboana maro mahatalanjona sy ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory. Kongregasiona vaovao maro no niforona. Noho izany fitomboana haingana izany dia tena ilaina ny manorina Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe vaovao an-jatony maro ary koa ny manitatra tranon’ny Sampana maromaro.

3 Nanao tatitra ny amin’ny asa fanorenana miitatra izay mitranga atỳ Afrika Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 1996. Eo am-panaovana azy ny asa mitovy amin’izany manerana an’i Amerika Latina. Tamin’ny taom-panompoana 1996, i Meksika dia nanao tatitra tampon’isa nahatalanjona tamin’ny mpitory 470 098 sy salanisan’ny fampianarana Baiboly 600 751, izay nitaky fiforonan’ny kongregasiona vaovao 466! Heverina ho vita any akaikin’ny faran’ny taona 1999 ny fanitarana ny tranon’ny Sampana any amin’izy ireo. Tsy mamela ny hisian’ny fitsaharana amin’ny karazana tetik’asa fanorenana teokratika samihafa ny fitomboana mitovy amin’izany any amin’ny tany maro hafa.

4 Lafo ny hoenti-manana ny fanorenana hatraiza hatraiza, ary ireo rahalahintsika any amin’ny tany maro dia tsy manana firy ka tsy afaka manome eo amin’ny lafiny ara-nofo. Kanefa, noho ny zotom-pony lehibe eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia azo antoka fa mitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo ary mihabetsaka. Manome toky antsika ny Ohabolana 28:27 fa “izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory”. Ny fahavononantsika hanampy mba hisahanana ny hoenti-manana ireny fanorenana ireny dia miteraka ‘fampitoviana’ zavatra ara-nofo, ka hahafahan’ny rehetra hahatsapa ilay fahasambarana avy amin’ny fanomezana sy ilay fifaliana avy amin’ny fahitana ny fitomboana omen’i Jehovah! — 2 Kor. 8:14, 15; Asa. 20:35.

[Sary, pejy 4, 5]

Sampan’i Paragoay

[Sary, pejy 4]

Sampan’i Ekoatera

[Sary, pejy 4, 5]

Fanitarana any Meksika, eo An-dalam-panorenana

[Sary, pejy 4, 5]

Sampan’ny Repoblika Dominikanina

[Sary, pejy 4]

Sampan’i Brezila sy ny Fanitarana Azy

[Sary, pejy 4, 5]

Sampan’i Iorogoay eo An-dalam-panorenana

[Sary, pejy 5]

Efitrano Fanjakana, tsy andaniam-bola be, fahita mahazatra any Amerika Latina

1. Brezila

2. Nikaragoay

3. Silia

4. Kolombia

5. Meksika

6. Brezila

7. Peroa

8. Venezoela

9. Meksika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara