Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nanomboka ny herinandron’ny 2 Septambra ka hatramin’ny herinandron’ny 23 Desambra 1996. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ny “bibi-dia” manan-doha fito sy tandroka folo aseho ao amin’ny Apokalypsy 13:1 dia tsy iza fa i Satana Devoly. [uw p. 63 feh. 4]
2. Tsy tena misy “hazandrano lehibe” afaka mitelina olona iray manontolo. (Jona 2:1). [si p. 153 feh. 4]
3. Ny fiheveran’ny Baiboly momba ny lahy sy ny vavy dia naorin’ny olona velona taona maro lasa izay. [rs p. 346 feh. 1]
4. Ny faminaniana ao amin’ny Daniela 9:24, 25 dia manondro ny fahaterahan’i Jesosy. [kl p. 36 feh. 8]
5. Ny olona tanteraka iray dia tsy ho afaka hanao ratsy. [rs p. 120 feh. 1]
6. Koa satria i Satana mahay mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava, dia tsy tokony ho voafitaka isika rehefa toa mitondra soa mihelina ny zavatra sasany atao amin’ny alalan’ny spiritisma. [rs p. 381 feh. 2]
7. Ny faminanian’i Hosea dia niantefa indrindra tamin’ny fanjakan’ny foko roan’i Joda. [si p. 144 feh. 8]
8. Ireo izay mitady ny fisakaizana sy ny fiarovan’i Jehovah dia tsy maintsy mitsahatra amin’izay rehetra mety ho fandraisana anjara amin’ireo fivoriana misy spiritisma sy manaraka ny ohatra voasoritra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:19. [rs p. 383 feh. 2]
9. Araka ny Zefania 3:9, dia ho tafaray ny olon’Andriamanitra ao amin’ny tontolo vaovao satria izy rehetra dia hiteny amin’ny fiteny iraisana iray — dia ny fiteny hebreo. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/89 p. 30.]
10. Ho fahatanterahan’ny Daniela 12:1, i Mikaela dia “mitsangana” hatramin’ny 1914 rehefa tonga Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy; tsy ho ela dia “hitsangana” amin’ny anaran’i Jehovah izy amin’ny maha-Mpanjaka Mpiady tsy mety resy azy, ka handringana an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/11/93 p. 23 feh. 23.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Iza moa ireo “izay irin’ny firenena rehetra”, asiana firesahana ao amin’ny Hagay 2:7, ary amin’ny fomba ahoana no “ho avy” izy ireo? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/89 p. 31 feh. 4.]
12. Fanambarana araka ny Soratra Masina nataon’ireo Hebreo telo lahy inona no mampiharihary fa ny fankatoavany an’Andriamanitra dia tsy niankina tamin’ny fisian’ny fiarovana sy ny fanafahana avy amin’Andriamanitra? (Dan. 3:16-18). [si p. 141 feh. 19]
13. Andinin-teny inona no manambara mialoha ny toerana hahaterahan’ny Mesia? [si p. 156 feh. 6]
14. Nahoana moa ny asa lehibe atao amin’ny anaran’i Jesosy no tsy ho porofo azo antoka ny amin’ny fananana sitraka avy amin’Andriamanitra na ny fanohanany? [kl p. 46 feh. 6, 7]
15. Amin’ny fomba ahoana no anohanan’ny 1 Korintiana 15:45 izay lazain’ny Soratra Hebreo momba ny fanahy? [rs p. 149 feh. 2]
16. Rehefa nikiakiaka tamin-drainy i Jesosy hoe “eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko”, dia nanisy firesahana ny amin’inona moa izy? (Lioka 23:46). [rs p. 157 feh. 1]
17. Fitenenana inona no ampiasain’ny Salamo 146:4 mba hanondroana fa ny herim-piainana ao amin’ny olona iray dia mitsahatra tsy miasa eo amin’ny fahafatesana? [rs p. 379 feh. 4]
18. Iza no namorona ny hevitra hoe tsy tena maty ny olona, ary aiza ao amin’ny Baiboly no ahitana ny lainga voalohany izay misy ifandraisana amin’io fampianaran-diso io? [rs p. 380 feh. 1]
19. Ao amin’ny Hagay 2:9, tempoly inona no ilay ‘trano farany’, tempoly inona no ilay “tany aloha”, ary nahoana ny voninahitr’ilay ‘trano farany’ no lehibe kokoa noho ny an’ilay “tany aloha”? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/89 p. 30.]
20. Inona no nampirisihan’ny Hosea 14:3 hataon’ireo Isiraelita, ary ahoana no anatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’io faminaniana io amin’izao andro izao? (Heb. 13:15). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/9/94 p. 10 feh. 1, 2.]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana ireto:
21. Ny tanànan’i _________________________ dia nantsoin’i _________________________ mpaminany hoe tanàna mpandatsa-dra, 200 taona teo ho eo talohan’ny nahavitan’i _________________________ ny asa nasain’Andriamanitra nataony tany. [si p. 154 feh. 10, p. 160 feh. 10]
22. Mila mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny _________________________ isika, ka atosiky ny fo feno finoana sy fitiavana; tsy maintsy mivavaka aminy amin’ny _________________________ koa isika amin’ny fianarana ny Teniny. [kl p. 45 feh. 4]
23. Mba ho voaro ara-panahy, dia tsy tokony hanao tsirambina ny fitafiana ny tapany na inona na inona amin’ny fiadian’Andriamanitra isika, dia ny “ _________________________ ”, “ _________________________ ho fiarovan-tratra”, “ny fahavononam-panahy avy amin’ny _________________________ fihavanana”, “ _________________________ ho ampinga”, “ _________________________ ho fiarovan-doha” ary “ _________________________ ny fanahy”. [uw p. 68 feh. 14]
24. Ireo izay mifikitra amin’ireo fivavahana efa nisy hatramin’ny ela, na ao anatin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izany na tsia, dia mihevitra fa manana fanahy (âme) _________________________ izy ireo, finoana izay mahatonga ny _________________________ ho tsy ilaina. [uw p. 71 feh. 3]
25. Ireo lafin-javatra telo manaporofo fa i Jesosy no ilay Mesia dia 1) _________________________ , 2) _________________________ , ary 3) _________________________ . [kl p. 34-38 feh. 6-10]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ny fahazoana ny hevitry ny Amosa (8:11; 9:2, 3; 9:11, 12) dia nanampy ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany hahatakatra fa sitrapon’Andriamanitra ny hanangonana an’ireo tsy Isiraelita ho ao anatin’ny kongregasiona kristiana. (Asa. 15:13-19). [si p. 150 feh. 16]
27. Fony niantso an’i (Amosa; Joela; Habakoka) i Jehovah, dia tsy mpaminany na zanaky ny mpaminany izy fa mpiandry ondry sy mpioty (antrendry [dattes]; aviavy; oliva) avy amin’ny hazo sykomora. [si p. 148 feh. 1]
28. Ny fampahafantarana marina izay atao hoe fanahy masina dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny (fiheverana ara-pivavahana; lovantsofin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana; teny rehetra ao amin’ny Soratra Masina), izay manisy firesahana an’io fanahy io, ary izany dia hitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra araka ny lojika hoe ny fanahy masina dia (persona iray; anisan’ny Trinite iray; ny hery miasan’Andriamanitra). [rs p. 154 feh. 3]
29. Ny Joela 3:5 dia notononin’i (Petera; Jaona; Paoly) ao amin’ny (Asan’ny Apostoly 2:40; Romana 10:13; 1 Timoty 2:4), izay anantitranterany ny maha-zava-dehibe ny iantsoana ny anaran’i Jehovah. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/4/96 p. 20 feh. 16.]
30. Manome porofon’ny fananantsika ny fanahin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny (fipoahan’ny firehetana ara-pivavahana; fihovotrovitana sy ny fitsinkasinana amin’ny tany; fitoriana amin-jotom-po) sy amin’ny fanehoana ny vokatry ny fanahy miisa (dimy; fito; sivy). [rs p. 155 feh. 3, 4]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto: Deot. 18:10-12; Hosea 10:12; Zef. 2:3; Jak. 1:26-27; 1 Jaona 2:15-17
31. Mba hahatonga ny fanompoam-pivavahantsika ho azon’Andriamanitra ekena, dia tsy vitan’ny hoe tsy tokony ho voaloton’ny fanao araka an’izao tontolo izao izy io, fa tsy maintsy tafiditra ao koa ny zavatra rehetra heverin’Andriamanitra ho tena lehibe. [kl p. 51 feh. 20]
32. Amin’ny fanaovana izay mahitsy eo amin’ny fiainantsika andavanandro, dia hijinja ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana isika. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/96 p. 23 feh. 2, 3.]
33. Ny endrika fankatovana rehetra dia fanasana hifandray amin’ny fanahy maloto na ho fananany, ary ny fanaovana zavatra toy izany dia ho fivadihana lehibe amin’i Jehovah. [rs p. 381 feh. 4]
34. Amin’ny maha-Kristiana marina antsika, dia tsy maintsy manalavitra izay fanao manome taratry ny toe-tsain’ny tontolo tsy araka an’Andriamanitra manodidina antsika isika. [kl p. 50 feh. 17]
35. Tsy afaka ny hanararaotra loatra ny famindram-pon’Andriamanitra isika. [si p. 165 feh. 11]