FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/97 p. 1
  • Mitory Tsy Misy Fitsaharana Ireo Be Taona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitory Tsy Misy Fitsaharana Ireo Be Taona
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Tia sy Miahy ny Zokiolona Manompo Azy i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Sarobidy Ireo Be Taona Tsy Mivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ny Voninahitry ny Volo Fotsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tsy Tonga ny Andro Mahory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 8/97 p. 1

Mitory Tsy Misy Fitsaharana Ireo Be Taona

1 Rehefa mihantitra ny olona, dia maro aminy no tsy mieritreritra afa-tsy ny fisotroan-dronono mba hananana fiainana tsy misy fanahiana mandritra ireo taonany sisa. Mety hihevitra izy ireo fa efa ampy izay niasany mafy izay ka mendrika ny fialan-tsasatra izy ankehitriny. Na mety haniry hankafy ny fiainana fotsiny izy ireo amin’ny androny sisa. — Lioka 12:19.

2 Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah nanolo-tena antsika, dia manana fomba fijery hafa momba ny fiainana isika. Fantatsika fa tsy misy fisotroan-dronono amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Manorina ny fomba fijerintsika satria mibanjina ny “fiainana mandrakizay” isika. (Joda 21). Ireo taona nanangonana fahalalana sy fanandraman-javatra dia mety hanatsara ny fahaiza-manavaka sy ny fahaiza-mahataka-javatra ananan’ny olona iray. Hanampy ny olona iray hanjary ho hendry kokoa sy hahay handanjalanja kokoa ary hampiseho fankasitrahana lalina kokoa ny fiainana izany. Ireo toetra rehetra ireo dia ahitan’ny mpitory ny vaovao tsara soa be dia be.

3 Tsy fahatongavana ho antitra ara-batana fotsiny ny fahanterana; voafaoka ao amin’izany koa ny toe-tsaina. Raha manantena ny ho ela velona ianao sady miezaka ny hijanona ho tanora raha ny amin’ny fomba fihevitrao, dia mety hitombo ny fahafahanao hahazo ireo zavatra roa ireo. Afaka manatsara ny fiainany ny olona be taona amin’ny fampitomboana ny fahalalany ara-panahy sy amin’ny fizarana izany amin’ny hafa. — 1 Kor. 9:23.

4 Ohatra tena misy: Hoy ny anabavy iray 86 taona: ‘Rehefa mamisavisa ireo 60 taona lasa hatramin’ny nahafantarako ny fahamarinana aho, dia mameno ny foko ny fampanantenan’Andriamanitra manome toky. Eny, i Jehovah izay hanao zavatra amim-panehoana tsy fivadihana amin’ny olona tsy mivadika, dia mamela antsika hijinja fifaliana tondraka.’ (Sal. 18:25). Tsaroan’ny rahalahy zokiolona iray fa tohina mafy noho ny nahafatesan’ny vadiny izy, ka niharatsy aoka izany ny fahasalamany taorian’izany. Hoy izy: “Kanefa, noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah ho an’izay tsy mendrika, dia nody indray ny fahasalamako ka nahatonga ahy ho afaka hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana, roa taona tatỳ aoriana. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy inona moa aho fa tena nihatsara ny fahasalamako noho io asa fitoriana nitombo io!”

5 Mendri-piderana toy inona moa ireo be taona maro izay tapa-kevitra ny hanohy hitory, araka izay amelan’ny fahasalamany sy ny tanjany azy — tsy misy fitsaharana! Manana antony tsara hanaovana hiaka toy izao izy ireo: “Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.” — Sal. 71:17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara