Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Aogositra
FANAMARIHANA: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Aogositra. Koa satria tsy hisy Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy Fivoriana Momba ny Fanompoana mandritra ny herinandron’ny Fivoriamben’ny Distrika, dia hanao ireo fanitsiana ilaina ny kongregasiona. Tsy hanao fivoriana fanampiny ho solon’ireo ny fitambaran-doholona, fa hanapa-kevitra kosa hoe anjara inona no horaisiny sy tsy horaisiny, amin’ny fandaharana ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra. Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana manaraka ny Fivoriamben’ny Distrika, dia hisy famerenana ireo hevi-dehibe tamin’ny fivoriambe haharitra 30 minitra. Rahalahy mahay roa na telo, izay ho afaka hifantoka amin’ireo hevitra nisongadina indrindra, no hotendrena hanao ny famerenana ny fandaharana tamin’ny andro tsirairay tamin’ny fivoriamben’ny distrika. Io famerenana voaomana tsara io dia hanampy ny kongregasiona hahatadidy ireo hevitra fototra mba hampiharin’ny tenany manokana na mba hampiasainy eny amin’ny saha. Tokony ho fohy sy voafintina tsara izay teny na fanandraman-javatra asaina lazain’ny mpanatrika. Tsy hihoatra ny fotoana 45 minitra natokana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana io fivoriana anaovana ny Famerenana ny Fivoriamben’ny Distrika io.
Herinandron’ny 4 Aogositra
7 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Resaho ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Aprily, nanerana ny nosy sy tao amin’ny kongregasiona. Asao ireo mpitory hitondra ny Indeksa 1991-1993 amin’ny herinandro manaraka.
13 min: “Mandrisika ho Amin’ny Asa Tsara ny Fivoriana”. Fanontaniana sy valiny. Asehoy ireo soa entin’ny resaka mampahery aloha sy aorian’ny fivoriana. — Jereo Boky ho An’ny Sekoly, pejy 82, fehintsoratra 17-18.
25 min: “Miantehera Amin’i Jehovah mba Hampitomboany ny Voa”. Lahateny sy fampisehoana. Antitrantero fa ilaina ny miverina mitsidika ny olona nametrahana bokikely. Manaova fampisehoana roa voaomana tsara mba hampisehoana ny fomba anombohana fampianarana. Mampidira hevitra avy ao amin’ny takelaka fanampiny tamin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1997, fehintsoratra 7-11.
Herinandron’ny 11 Aogositra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Mitory Tsy Misy Fitsaharana Ireo Be Taona”. Fanontaniana sy valiny. Resaho ny amin’ilay renibe nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1988, pejy 13.
25 min: “Fandraisana Soa Be Indrindra avy Amin’ny Indeksa 1991-1993”. Lahateny ataon’ny loholona iray, misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Manaova fampisehoana momba ny loholona iray sy ny mpanampy amin’ny fanompoana iray izay mampiasa ny Indeksa mba hanomanana fitsidihan’ny mpiandry. Ampianaro ireo mpitory hahay hampiasa ny Indeksa mba hanatsarana ny famakiany Baiboly isan-kerinandro.
Herinandron’ny 18 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Resaho ny hoe “Fandaharana Vaovaon’ny Andro Fivoriambe Manokana”.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
25 min: Manaova Fiverenana Mitsidika, Amin’ny Alalan’ny Bokikely Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao. Asehoy ny fomba ametrahana fanontaniana iray sy ampiasana ilay bokikely mba hamaliana azy. Ohatra, ilay bokikely dia mamaly ireto fanontaniana ireto: Misy fanantenana ve ho an’ireo nody mandry? (Pejy 5-6). Tsy mety ve ny malahelo? (Pejy 8-9). Ahoana no hahazakana ny alahelo? (Pejy 18). Ahoana no ahafahan’ny hafa manampy? (Pejy 20-23). Ahoana no ahafahana manampy ny ankizy hahatakatra ny amin’ny fahafatesana? (Pejy 25). Inona no fampiononana omen’ny Baiboly? (Pejy 27). Avy eo, dia miaraha miresaka vetivety amin’ny mpitory mahay roa na telo momba ny fomba nampiasany io bokikely io tamin’ny fiverenana mitsidika, mba hamaliana fanontaniana fametraky ny olona momba ny fahafatesana. Manaova fampisehoana momba ny fomba fampiasa ilay bokikely amin’ny fiverenana mitsidika.
Herinandron’ny 25 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana.
15 min: “Mahaiza Manararaotra ny Fianarana any An-tsekoly”. Miara-mandinika ilay lahatsoratra amin’ireo zanany, ny ray iray, ary mampiditra hevitra mahasoa sasany avy amin’ny Mifohaza! 22 Janoary 1996, pejy 7-11.
20 min: Mitoria Amin’ny Fananana Zava-kendrena. Miara-mandinika ny boky Fanompoantsika, pejy 8-12, ny loholona iray sy ny mpanampy amin’ny fanompoana iray na roa. Mifantoha amin’ireo antony tena lehibe tokony hihazonantsika fihetsika manorina sy tia mandroso eo anoloan’ny fanompoantsika, sy hiarahantsika miasa akaiky foana amin’ny fandaminana.